Malezia : Voasivana Ilay Boky Misy Ny Tantara An-Tsary ‘Ultraman’ Fa Nampiasa Ny Teny Hoe ‘Allah’

Flickr photo by ted adnan

Sary amin'ny Flickr avy amin'i ted adnan (Lisansa CC )

Voasivan'ny Ministeran'ny atitany ny trano famoaham-boky Bahasa namoaka ny boky mirakitra ny tantara an-tsary ‘Ultraman’ noho ny nampiasany ny teny hoe ‘Allah’. Maherifo ao aminà tantara an-tsary malaza Japoney i Ultraman.

Famoahana an-tsary toetran'olona iray izay nofaritana ho ” raisina sy hajaina ho toy ny ‘Andriamanitra’ na ny Zokiny indrindra amin'ireo mahery fo” ny ‘Ultraman The Ultra Power’. Nadika hoe Allah ny teny hoe Andriamanitra ao amin'io tantara io. Nolazain'ireo manam-pahefana izay nandrara  fa mety hampikorontana ny ankizy izany rehefa mamaky ny Allah izy ireo. 

Firenena betsaka Silamo i Malezia. Misy fifanoherana ao izaoresabe amin'izao fotana izao momba ny didy mandrara ireo tsy silamo amin'ny fampiasana ny teny hoe Allah hiantsoana an'Andriamanitra. Mbola any amin'ny fitsarana io raharaha io amin'izao.

Tsy mankasitraka ilay fandraràna ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra. Tsipihin'izay ireo fa tokony ho nangataka tamin'ny mpamoaka ilay tantara fotsiny ny mpitondra mba hanova ilay dikanteny. Ireto misy tora-po vitsivitsy avy amin'ireo tranonkalam-baovao “Malaysiakini”:

Relevancy: Maninona no nosivanina ilay boky rehefa azo atao ihany ny mangataka ny fanovana ny teny ? Moa ve heverina fa voarara daholo ny zavatra rehetra fa tsy aleo ve mangataka fanaovana asa fanitsiana ? Karazana Ministera inona ary ity ananantsika ity ?

BernieBaby: Ultraman, tena faran'izay mila ny asanao izahay. Mbà vonjeo re i Malezia. Manana olon-doza mifehy ny governemanta izahay.

Not Smart: Vahaolana tsotsotra foana no ataon'ny mpitondra anay. Matahotra ny (na angamba tsy afaka) hiasa mafy sy hieritreritra amim-pahakingan-tsaina mba hanome malaky/ hanitsy resaka/ olana. Amin'ny ankapobeny ny fomba tsotra indrindra hatrany dia ny mamono/mandrara/manova na mamorona lalàna sy fitsipika vaovao.

Tratra aoriana ny fandraràna ny #ultraman, noheveriko fa hanihany.

Ny hany anton'ny fandraran'ny KDN ny Ultraman; Ny fitondrany akanjo manara-bàtana sy ny tsy fitoviany amin'ny Superman akory ao anaty akanjo manara-bàtana.

Mandritra izany fotoana izany no anesoan'i L.A.M. ny didy hisivanana ireo tantara an-tsary hafa :

Satria aho mpanohana ny fiarovana ny maoralim-bahoaka, dia te-hanolotra soso-kevitra fanampiny ho azy ireo aho momba ireo zavatra hafa ankamamian'ny fahazazana azon'izy ireo raràna mba hanamarinana ny isany sy ny karamany.

Jasmine: Mamporisika amin'ny fifandraisana amin'ny mpangalatra. Tokony horaràna ihany koa ny vaninteny 2 voalohany amin'ny Aladdin.
Mulan: Mamporisika amin'ny fifamadihana fomba fiakanjo sy ny ‘transsexualisme’ ( tsy fanekena ny taovam-pananahan'ny tena)
Pocahontas: Jereo inona no itafiany ? Zavatra mahamenatra ny vahoaka iny.
Ary koa ny heroines dia litera 2 tsy itovizany amin'ny heroin, zava-mahadomelina voarara any Malezia.

Mitebiteby ny amin'ireo fifandimbiasan-tantara ratsy any Malezia, toy ny haintany, ny tsy fahitana ny fiaramanidina MH370 ary ny fandraràna ny Ultraman i Kevin Tan :

Zavona, dengue (tazo mahery), tsy fahampian-drano, haintany, amin'izao fotoana izao MH370. Fa nahoana no mitranga amintsika iree zava-dratsy rehetra ireo ? Mitandrema amin'ny ataontsika

Mampahatsiahy ny mpiserasera i Ariff Iman Anuwi fa fanontàna tantara an-tsary iray ihany no voarara :

Fa nahoana ny olona no dondrona e ? Ny boky iray natonta ihany no voarara fa tsy i Ultraman.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.