Niha-nahery vaika ny doro ala tany amin'ny faritra andrefan'i Indonezia tamin'ity volana ity ka nanohina ny mponin'i Riau, Andrefan'i Sumatra sy Avaratr'i Sumatra. Nampangaina ho niteraka setroka matevina any amin'ny manodidina an'i Singapore sy Malezia koa ilay ala may.
Nitombo maherin'ny 2.000 ireo faritra kilan'ny afo tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Nandraraka sira enina taonina teny ambonin'i Riau mba handrotsahana orana amin'ny velaran-tany 13.000 hektara main'ny afo ny governemanta mba hifehezana ny afo.
Niha-naloto ny rivotra iainana, indrindra tao Riau, izay noheverina fa ‘teboka aotra niandohan’ ny loza nateraky ny setroka. Mponina maherin'ny 33.300 sahady ao Riau no efa marary taovam-pisefoana noho ny setroka amin'izao fotoana izao. Marobe amin'ny mponina izao no fantatra, hatramin'ny zaza, fa misohika sy mikohaka.
Vokatry ny fandoroana ankitsirano ataon'ireo orinasa manao fambolena ao anaty ala no nahatonga ny afo. Ampangaina ihany koa ireo tantsaha vaventy ho isan'ny miteraka ny doro ‘tsy misy farany’ ny ala noho ny fomba fiasàny ny tany hamboleny mandoto ny tontolo.
Hazavain'ny Filoha Indoneziana, Susilo Bambang Yudhoyono (SBY) fa sady loza voa-janahary no loza ataon'olombelona ny fandoroana ny ala :
Kebakaran ladang & asap ini di samping disebabkan oleh cuaca yg ekstrim, juga karena ada penduduk & perusahaan yg membakar ladang. *SBY*
— S. B. Yudhoyono (@SBYudhoyono) March 13, 2014
Tsy ny toetrandro migaingaina tafahoatra ihany no mahatonga ny afo sy ny setroka fa vokatry ny ataon'ny olona sy ireo orinasa izay manandrana mandoro ny tany. *SBY*
Mety ho tratran'io afo amin'izao fotoana izao io ihany koa ny tahirin-tsolika any Indonezia satria any Riau no misy ny 30 ka hatramin'ny 40 isan-jaton'ny famokaran-tsolika nasionaly.
Ireto tenifototra ireto : #PrayForRiau, #MelawanAsap, ary #RiauHaze no ampiasain'ireo Indoneziana mpiserasera amin'ny Twitter mba hanaraha-maso akaiky ny fivoaran'ny setroka sy ny afo :
before and afternya riau. #PrayforRiau everyone. Hoping for a heavy rain in Riau. amen. pic.twitter.com/GQgC3a8eci
— Jeanne (@jeanneross) March 15, 2014
Aloha sy aorian'ny ny riau. #PrayforRiau (MivavahaHoan'iRiau) ny tsirairay. Manantena oram-batravatra any Riau. amen. pic.twitter.com/GQgC3a8eci
How we can survive in this city? Please #PrayForRIAU #MelawanAsap cc: @delpieroale @delpieroINA @juventusfc pic.twitter.com/YoFfZOrAtv
— JuLiana Sitindaon (@Jueluvpidi) March 13, 2014
Ahoana no ahafanatsika miaina ato amin'ity tanàna ity ? Azafady (MivavahaHoan'iRiau) #PrayForRIAU #MelawanAsap cc: @delpieroale @delpieroINA @juventusfc pic.twitter.com/YoFfZOrAtv
#MelawanAsap Don't stop now, until those corporations act responsibly. If we stop, next year will be the same. pic.twitter.com/AH0450xAiG
— Jerry (@jerryzhng) March 15, 2014
#MelawanAsap Aza miato mandra-pandrain'ireo orinasa ireo ny andraikitra. Raha miato isika dia ho toy izao ihany amin'ny taona ho avy.pic.twitter.com/AH0450xAiG
WE MISSED THIS! THE CLEAN AIR LIKE THIS! NOT LIKE THIS! #PrayForRiau pic.twitter.com/05ApdXeZoJ
— KYUHYUN'S WIFE ε˘`)♥ (@Kyuteukbi) March 13, 2014
ITY NO TSY AMPY AMINTSIKA! RIVOTRA MADIO TAHAKA ITY! FA TSY TAHAKA ITY! #PrayForRiau pic.twitter.com/05ApdXeZoJ
i know how hard it is to live in a place with bad situation and you can't go anywhere because you can't see anything outside #PrayForRiau
— Dyah Puspa Arum (@DyahPuspaAruum) March 15, 2014
Fantatro ny hamafin'ny miaina amin'ny toerana ratsy fepetra iainana fa tsy afaka mankaiza ianareo satria tsy mahita na inona na inona any ivelany#PrayForRiau
we deserve to be awarded as the no 1 city with the worst hazardous haze in the world and the president doesnt give a damn. #RiauHaze
— Dedy Ong #RiauHaze (@OngDedy) March 12, 2014
Mendrika ny hahazo valisoa toy ny tanàna n°1 manana ny setroka faran'izay mampidi-doza eto an-tany sy ny tsy fanamelohan'ny Filoha izany izahay .#RiauHaze
5% oxygen only. What a horrible situation it is #PrayForRiau
— Wijaya.A.Lutfi (@LutfiAfansyah) March 15, 2014
5% fotsiny ny oksizena. Toe-draharaha mampatahotra be ity #PrayForRiau
This is not the doom of the Gods. But at the hands of people who are not responsible. #PrayForRiau
— Miftahul Jannah (@miftahulmitaa) March 13, 2014
Tsy sitrapon'ireo Andriamanitra izao fa asa tanan'ireo olona tsy mandray andraikitra. #PrayForRiau
RT @OngDedy: let's make this an International Issue! we need unite to STOP this. #PrayForRiau … http://t.co/xQbv21JUCq
— satria putra (@satria_pku) March 13, 2014
RT @OngDedy: Ndeha hataontsika ho Olana Iraisam-pirenena io. Mila mivondrona isika HAMPIATO an'io. #PrayForRiau … http://t.co/xQbv21JUCq