Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nancy · Desambra, 2013

Lahatsoratra farany an'i Nancy tamin'ny Desambra, 2013

26 Desambra 2013

Panama : Lalàna Vaovao Hiarovana Ny Mpitandro Filaminana ?

Tsinjon'ny Panameana fa andrana ho fiarovana ny mpitandro filaminana sy ho fampitomboana ny fahazahoany manampatra fahefana ny volavolan-dalàna 651, indrindra taorian'ilay zava-nitranga nampalahelo nahavoarohirohy mpitandro filaminana.

25 Desambra 2013

Fahafatesan'I Nelson Mandela : ‘Nandao Antsika Ny Vatany Fa Ny Fanahiny Kosa Haharitra Mandrakizay ‘

"Ao anatin'ny politika, ny firazanana, ny fahalalahana ary ny hery i Mandela, ary nataony izay rehetra fantany fa tsy maintsy ataony "

Bangladesh : Herisetra Ara-Politika, ‘Firy ny Maty Vao ho Afa-Po Ry Zareo ?’

Nahafaty olona maro sy mbola mampatahotra ny hafa handeha hamonjy ny asany ny andianà herisetra maka endrika politika natao tamin'ny fiara fitateram-bahoaka sy fiara vaventy any Bengladesh.

17 Desambra 2013

Ny Sanda Ara-Olon'ny Fandrosoana Any India

Loza mananontanona ny trano fonenana sy ny foto-piveloman'ireo mponina ao Jagatsinghapur, India ilay vinavina fananganana orinasa fanamboarana vy acier. Niady araka izay tratry ny heriny tamin'ny governemanta sy ny orinasa nitondra io tetikasa io ireo mpanohitra izany.

13 Desambra 2013

Korea Atsimo : Voapanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta

Pretra katolika iray nitsikera tsy nihambahamba ny filohan'i Korea Atsimo tamin'ilay fampielezan-kevitra nahamenatra nataon'ny governemantany no nolazaina fa 'mpomba ny Tavaratra' sy nanaovana fanadihadiana.

10 Desambra 2013

Mandela 1918 – 2013

Maty tamin'ny Alakamisy 5 Desambra teo amin'ny faha 95 taonany i Nelson Mandela, ilay filoha Afrikana Tatsimo mainty hoditra voalohany izay nandray anjara lehibe tamin'ny fanalàna io firenena io tamin'ny fanavakavaham-bolonkoditra. Nigadra 27 taona noho ny hetsika politika nataony nandritra fitondran'ny fotsy hoditra vitsy an'isa ity olom-pirenena mamim-bahoaka antsoina matetika...

04 Desambra 2013

Nandrava an'i Filipina i Haiyan

  Aleo tsy ho antsointsika intsony hoe loza voa-janahary ny tranga tahaka izao. Tsy voa-janahary izao raha mbola miady amin'ny famongorana ny fahantrana sy mikatsaka ny fandrosoana ny olona ary resin'ny rivodoza izay heverina fa mahery vaika indrindra namely ny firenena. Tsy voa-janahary izao rehefa nolazain'ny Hairaha antsika fa mety hiteraka...

Korea Atsimo : Lasa Tantara Ratsy Ilay Fanodikodinam-Bola Tao Amin'Ilay Fiangonan-Dehibe

"Aminao ve zavatra tokony hataonà mpitandrina na hataonà mpitondra fivavahana izany?"

01 Desambra 2013

Espaina : Tsy Hita Izay Meloka Tamin'ny Faharendrehan'i ‘Prestige’

Taorian'ny 10 taona nanaovana fanadihadiana sy 9 volana tany am-ponja, nohafahan'ny Fitsarana Avon'i Galice madiodio ireo olona telo voaheloka noho ny heloka vitany tamin'ny tontolo iainana .

Espaina : Nampihovitrovitra Ny Sisintany Espaniola Ilay Tetikasa Castor

Mety ho vokatr'ilay fampidirana entona ao ambany ranomasina amin'ilay toby tantànan'ny tetikasa Castor ilay fihovitrovitry ny tany.