Lahatsoratra farany an'i Ornella tamin'ny Oktobra, 2013
Malezia : Tsy Azon'ny Gazety Katolika Ampiasaina Ny Teny Hoe ‘Allah’ Hilazana An'Andriamanitra
Lazain'ny fitsaràna fa mety hiteraka fifanjevoana sy hanakorontana ny filaminam-bahoaka ny fanomezana alàlana ny gazety Katolika hampiasa ny teny hoe Allah
Ho An'ny Rosiana Mpanohitra, Hatsiaka Mandoro Ny Afo Olaimpika

Olona an-tapitrisa no nijery tamin'ny lahatsarin'ny youtube ny fandrehetana ilay afo Olaimpika taminà brike rehefa maty ny lelafon'ny 2014 nandritra ny fifandimbiasam-pitondrana azy .
Fanararaotana, Karama Ambany Ary Fahalalahana Kiritika : Fiainan'ny Vahiny Mpiasa an-Trano Any Hong Kong
Nampisongadina ny fomba fiainan'ireo mpiasa an-trano tany Hong Kong ny zava-niseho tamin'ilay mpiasa vavy Kartika Puspitasari, izay novonoina sy nampijalian'ireo mpampiasa azy.
Portiogaly : Fifidianana Manamarina Ny Tsy Fitokisan'ny Olona Ireo Antoko Politika
Tsy fahatongavana mifidy, vato maty, vato fotsy ary mpifaninana tsy miankina. Ireo no safidin'ny antsasa-maherin'ny mpifidy tamin'ny fifidianana farany teo tany Portiogaly.
Vesatry Ny Fanaovana Politika, Fanazavana Ny Fifidianana Any Kamerona
Maro amin'ireo mpilatsaka ho fidiana ho Solombavam-bahoaka sy Mpanolotsaina Monisipaly Kamerone no tsy manana fandaharan'asa mazava tsara araka ny fitantaran'ireo mpifidy izay ao miaina anatin'ireo olana ireo.
Repoblikan'i Afrika Afovoany : “Aza Adinoina Izahay!”
Niha-nahery vaika sady nanaitra ny fifandonana teo amin'ny governemantan'i Afrika Afovoany sy ireo mpikomy Seleka any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany hatramin'ny volana Desambra 2012. Mampahonena ny fari-piainan'ny olona any amin'ireo tanàna sasany, indrindra fa ireo ao anatin'ny firenena.
Però: Horohorontany Nahatratra 7 Amin'ny Maridrefy Namely An'i Acari , Arequipa
Notaterin'ireo haino aman-jery sasany fa tsy dia goavana ny faharavana, toy ny fihotsahan'ny vato izay mibahana ny ampahan-dàlana tany amin'ny lalambe Panamericana any atsimo. Tsy nisy tatitra firy momba ny tra-boina.
Korea Atsimo: Tsipahan'ny Mpitondra Katolika Ny Sampan-dRaharaha Fitsikilovana
Mpitondra fivavahana Katolika 700 no nitsipaka ny fanodinkodinana ny fifidianana filoha ataon'ny sampan-draharaham-pitsikilovana - Fotoana voalohany izao nikarakaran'ny fiangonana Katolika hetsi-panoherana tato anatin'ny folo taona.
Pakistana :Resy Indray Ny Maha-Olona, Kristiana Maherin'ny 80 No Maty
Mpametraka baomba mpanao vy very ny ainy niisa roa no nanapoaka ny tenany tamin'ny baomba tao anatin'ilay fiangonana 130 taona tany Peshawar taorian'ny fotoam-pivavahana Alahady ary nahafaty olona maherin'ny 80 sy nandratra olona maro.