Tantara mikasika ny Korea Atsimo tamin'ny Oktobra, 2011
Korea Atsimo : Ireo Sary Avy Amin'ny Hetsi-panoherana “Bodoy i Wall Street” Tao Seola
Ilay hetsika "Bodoy Wall Street" dia natao tao amin'ny renivohitr'i Korea atsimo, Seola. Na dia teo aza ny orambe mikija, ny tselatra sy ny kotroka, ary ny fihidinan'ny mari-pana tampoka, teo amin'ny olona 300 teo ho eo no tonga tamin'ilay hetsi-panoherana "bodoy" tao Seola ny faha 15 Oktobra 2011.
Kolombia: Ny FTA Sy Etazonia Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy
Miaraka amin'ilay fifanarahana nosoniavina tany Washington hampakarana ny haavo farany ambonin'ny trosa taorian'ny fifamaliana henjana teo amin'ireo Demokraty sy Repoblikana, ny mpitarika ny Kaongresy ao Etazonia dia niverina tamin'ny lohahevitra momba ny fifanarahana ara-barotra malalaka (free trade agreement - FTA) miaraka amin'i Panamà, Korea Atsimo ary Kolombia. Lasa lohahevitra nivelatra sy noresahana be nandritra ny taona maro, teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy izy io dia nahasarika tsikera maro raha mitaha amin'ireo mpankasitraka.