Tantara mikasika ny Korea Atsimo tamin'ny Jolay, 2010
Korea Atsimo: Fisaonam-pirenena noho ny fahafatesana vady andefimandry Vietnamiana iray
Maty novonoin'ny vadiny Koreana ny vady andefimandriny tanora Vietnamiana iray tany Korea. Maneho fiaraha-mioriny noho ity fahafatesana mahatsiravin'ity vady andefimandry tanora ity ireo mpitoraka blaogy Koreana, sady manao antso avo amin'ny governemanta mba hanaraka ny fanajàna zon' olombelona ny fahazoana ireo vady andefimandry avy any ivelany .
Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy
Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube,...
Korea Atsimo: Miombona alahelo amin'ny Hirifiry nozakaina noho ny fiparitahan'ny solika
Raha mbola eo ampanarahana ny tatitra momba ny zava-doza ateraky ny solika miparitaka avy amin'ny BP ao Etazonia ny any Korea Atsimo, maro ireo Koreana mpitoraka blaogy, izay ho azy...
Korea Atsimo: Nabaribarin'i Hyo-ri mpanjakan'ny K-pop ny olana momba ny fakan-tàhaka
Namelona adihevitra momba ny fak)n-t)haka ao amin'ny firenena ny hira enina avy amin'ny rakikira fahaefatra navoakan'ilay mpanjakavavin'ny pop Koreana Tatsimo Lee Hyo-ri. Miady hevitra momba izay antony mahatonga ny fisian'ny fakàn-tàhaka eo amin'ny sehatry ny mozika ao amin'ny firenena ireo mpitoraka blaogy.