Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Mey, 2017

Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery

Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan...

“Ady Masina” Nataon'ny Ministry Ny Tontolo Iainana ao Filipina, Zarainy Ao Amin'ny Facebook Ny Fitsidihany ireo Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra

"Hitako nazava tsara fa novonoin'ireo fakon'ilay toerana fitrandrahana ny fihariana ara-toekaren'ilay faritra manontolo," hoy ny nosoratan'ny sekreteran'ny tontolo iainana tao amin'ny pejiny Facebook .