Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Jolay, 2010
Filipina : olana rano ao Manille
Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...
Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala
Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo
Filipina: Fanavakavahana mihatra amin'ireo Filipiana any amin'ny Tobim-pitsaboan'i Baltimore
Mpiasa Filipana efatra ao amin'ny Bon Secours Baltimore Health System any an-tanànan'i Baltimore no voaroaka tamin'ny asany tsy ela akory izay, noho ny fampiasàna teny Filipiana nandritra ny ora fisakafoanana. Mizara ny heviny momba io olana io ireo mpitoraka blaogy.
Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo
Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.
Filipina: Fandihizan'ireo gadra ho fahatsiarovana an'i Michael Jackson
nandihy tamin'ny hiran'i Michael Jackson ireo mpanao ratsy voaheloka tao Cebu tamin'ny fampisehoana fahatiarovana ny tsingerin-taonam-pahafatesana voalohan'ity mpihira malaza ity.
Filipina: Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ireo mponin'ny aterineto
Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao faha-15-n'ny Repoblikan'i Philippines, ,Benigno Simeon Aquino III ireo Filipiana mpitoraka blaogy. i Aquino no voalohany amin'ny filohan'i Philippines manana bakalorea sady voalohany amin'ny fibatàna ny fandresena tamin'ny fifidianana nampiasana teknolojia avo lenta teo amin'ny frenena