Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Novambra, 2017

30 Novambra 2017

Filipina: Vondrona Miaro Ny Zon'olombelona, Mangataka ny Apple Hamafa Ireo Kilalao Manindrahindra ny Ady Ataon'ny Filoha Duterte Amin'ny Rongony

GV Mpisolovava

"Tsy azo ekena hoe manaiky ny haka tombony amin'ny famonoana tsy ara-drariny sy ny fahantran'ny olona ny Apple".

27 Novambra 2017

Carabaos Sy Ny Tanimbary: Topimaso Amin'ny Fiainana Any Ambanivohitr'i Filipina

Amin'ireo sary izay ifampizaràny amin'ny Global voices, tsy ireo sehatra mampiavaka manokana ao amin'ny tanàna iray mpamboly ihany akory no nopihany ho sary, fa angamba koa, mety tsy ho tsy fanahy niniany, ny endriky ny fambolena ao Filipina.

10 Novambra 2017

Filipina: Valan-dresaka Ho an'ny Mpanao gazety Antserasera Voalohany 

Nisy ny valan-dresaka antsersera, voalohany tamin'ny tantaran'ny aterineto tao Filipina natao ny 21 Septambra tamin'ny fankalazan'ny Filipiana ny faha-34 taonan'ny Lalàna Miaramila.

08 Novambra 2017

(Tamin'ny) Fampitsaharan'Asan'ny Filohan'i Filipina

Olom-pirenena 200 mahery no nametraka fitoriana hanongana ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Bantay Impeachment 2 manome fanavaozam-baovao momba izany. Azo vakiana eto ihany koa ny lahatsoratra feno momba ny fitarainana.

Filipina: Manome Voninahitra Ho An'ireo Maty Any Am-pasana

Mankalaza ny 1 Novambra ho andro hanajana ny olo-masina sy ny maty ny ankamaroan'ireo Filipiana Katolika . Satria maro amin'ireo Filipiana no mitsidika ireo hava-tiana efa maty any am-pasana, andro tsy fiasàna ao Filipina ny 1 Novambra.

Filipina: Mihazakazaka Manova Lalàmpanorenana Ireo Mpanao Politika

Hatramin'ny volana Jolay lasa teo, nankasitraka ny tolo-kevitra hanitsiana ny Lalàm-panorenana taona 1987 ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Nampisara-kevitra ny firenena ny fanovàna sata na ny Cha-Cha.

06 Novambra 2017

Sahanina Any Ivelany Ny Ady Ao Iraka sy Afghanistan

Ny asa amin'ny foibem-piantsoana (call center) no asa irian'reo tanora marobe nahazo diplaoma ao Filipiana satria tsara karama. Nahazo 1,12 miliara dolara tamin'ny fidiram-bola ny indostrian'ny BPO ao Filipina ary nampiasa olona maherin'ny 112.000 tamin'ny herintaona.

03 Novambra 2017

Nanaisotra Vetivety Ny Fanabeazana Ara-pananahana i Manila

Nanapa-kevitra hanaisotra ny taranja momba ny fampianarana ara-pananahana ny manampahefana misahana ny fanabeazana ao Filipina rehefa nanohitra ny fampianarana ara-pananahana any an-tsekoly ny Fiangonana Katolika matanjaka.