Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Oktobra, 2017
“Ady Amin'ny Zavamahadomelina” Ataon'ny Fanjakana, Asehon'ireo Famonoana Tanora ny Vesatra Aterany sy Zakain'ireo Vondrom-Piarahamonina Marefo
"Mety hanjo ny rehetra io satria ilay olona lian-drà Duterte mankahery foana ny polisy hamono tsy manaraka ny zotra araka ny lalàna akory, mamboly porofo, ary miaro amin'ilay hazakazaka mihoson-dràny "ady amin'ny rongony".
Filipina: Ilay Rivodoza Tonga Lafatra
Rivodoza mihoatra ny roapolo no miditra ao Filipina isan-taona. Fa ny rivodoza mahery Milenyo (anarana iraisam-pirenena: Xangsane) izay vao avy namely ny faritra avaratry ny firenena dia nahatohina ny olon-drehetra niaraka tamin'ny herisetrany sy ny halehiben'ny fahavoazana navelany. Simba tanteraka i Metro Manila.
Barhain: Toy Ny Adidy Nasionaly Ny Fampirafesana
Raha maro ireo mitady asa ao Bahrain, Silly Bahraini Girl [Ang], kosa izay monina ao Kanadà amin'izao fotoana izao, tsy mahandry ny fotoana hodiany an-tanindrazana hanaovana fitsidihana iray, satria tsy mila manao na inona na inona intsony izy.
Ireo Bilaogera Eveka Any Filipina
I Filipina no hany firenena manana Katolika betsaka any Azia. Ankoatra ny famoahana toriteny avy eny amin'ny polpitra na ny famoahana ny taratasy pastoraly, mifandray amin'ny mpino mahatoky azy amin'ny alàlan'ny tontolon'ny aterineto ny klerjy.
Manondrana Infirmiera Ho An'Izao Tontolo Izao I Filipina
Ny infirmeria no diplaomam-pampianarana malaza indrindra any Filipina ankehitriny. Mpanampy mpitsabo avy any Filipina maherin'ny 100.000 no nandao ny firenena mba hitady lalana tsara kokoa.
Ny Sarimihetsika “Da Vinci Code” Tao Azia Atsimo Atsinanana
Raha vao nanomboka nivoaka manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny sarimihetsika " Da Vinci Code ", dia efa nisy sahady ny fihetsiketsehana sy ny antso nataon'ny vondrona Kristiana izay nangataka ny governemanta mba handrara ny sarimihetsika. Tao Filipina, dia ny tanàndehibe Manila renivohitra no lohalaharana tamin'izany fandraràna izany.
An'aliny Maro Nidina An'arabe Nanohitra Ny “Ady Kivalavala” Mahafatin'ny Filoha Duterte
Na eo aza ny ezaky ny fitantanan'i Duterte hanelingelina sy hanakivy ireo hetsipanoherana, novinavinain'ireo mpikarakara ho nahatratra 30.000 ireo olona niatrika ny orana ka nanatevina laharana ireo hetsiky ny daholobe tao amin'ny Kianja Luneta tao Manila.