“Ady Masina” Nataon'ny Ministry Ny Tontolo Iainana ao Filipina, Zarainy Ao Amin'ny Facebook Ny Fitsidihany ireo Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra

Dobo fihandronan'ny fako ao Dizon, toeram-pitrandrahana ao Zambales. Loharano: pejy Facebook an'ny sekreteran'ny DENR, Gina Lopez

Navitrika tokoa ny sekreteran'ny Tontolo iainana ao Filipina, Gina Lopez, nandeha nisafo ny toetoetr'ireo toeram-pitrandrahana harena ankibon'ny tany mitafo lanitra manerana ny firenena, mba hanindriana ny filàna mametraka fepetra henjana amin'ireo fitrandrahana goavana. Nohamafisin'ny fitsidihana nataony ny fisian'ny fiantraikany ratsy avy amin'ny fitrandrahana any amin'ireo vondrom-piarahamonina lavitr'andriana, ary vitany ny nizara haingana ny fomba fijeriny tao amin'ny pejiny Facebook.

Fantadaza tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana i Lopez talohan'ny 2016 nanendrena azy ho sekreteran'ny Departemanta misahana ny Tontolo Iainana sy ny Harena Voajanahary (DENR). Nataony ho lohalaharan'ny DENR ny fanarahamaso ny asa fitrandrahana, saingy nokianin'ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ary hatramin'ireo mpikambana sasany ao amin'ny kabinetrany aza. Nampitandrina azy ny sekreteran'ny fitantanambolan'ny firenena amin'ny fanaovany “ady masina”, raha tokony ho ny fampifandanjana ireo filàn'ireo mpiaramiombona antoka samihafa ao amin'ny firenena no atao.

Saingy nijoro i Lopez ary nanambara ny fanafoanana ampolony mahery tamin'ireo fahazoandàlana hitrandraka harena ankibon'ny tany manerana ny firenena. Azony ny fanekena avy amin'ny filoham-pirenena, ireo vondrona isankarazany mpiaro tontolo iainana, ary ireo fikambanana eny ifotony.

Tato anatin'ny volana vitsy lasa, nanao fitetezana matetika nanerana ny firenena i Lopez  mba hanavaozany ny vaovao ho an'ny daholobe momba ny fandotoana ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Raha nisy ny fitaterana vaovao momba ny loto avy amin'ny fitrandrahana tany aloha tany, dia izao no voalohany hoe nisy mpikambana avy amin'ny kabinetra niampanga ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitry ny sehatra fitrandrahana harena ankibon'ny tany

Ireto no sasany amin'ireo tatitra nataony tao amin'ny Facebook:

Nitsidika toeram-pitrandahana iray mitafo lanitra ao Sipalay i Lopez, any amin'ny faritra afovoany ao Filipina, ary nampangainy ilay orinasa mpitrandraka ho tsy miraharaha ny famerenana amin'ny laoniny ny ireo ala nopotehany:

Iray amin'ireo toeram-pitrandrahana goavana indrindra mitafo lanitra ao amin'ny firenena – nofy ratsy. Sipalay [akaikin'i] Dumaguete. Toerana efatra fanariana ny fakon'ny fitrandrahana. Ao afovoan'ireo ala maitso màvana, manimba ny loharanon-karen'ilay toerana. Ary dia zara raha misy ny vola aloan'ilay orinasa ho fiatrehana ny faharavàna naterany. Tsy mety ity. Ary dia io orinasa mpitrandraka io ihany no mbola tomponandraikitra amin'ny nofy ratsy ao Marinduque. – ilay loza ratsy indrindra eto an-tany raha resaka fitrandrahana no resahana! – mba karazana zavabita toy inona re izany…..

toeram-pitrandrahana iray mitafo lanitra ao Sipalay. Loharano: pejy Facebook an'i Gina Lopez, sekreteran'ny DENR

Niresaka ny lozan'ny Marcopper tamin'ny 1996 , toeram-pitrandrahana harena ankibon'ny tany tao Marinduque i Lopez, saingy diso izy namaritra azy io ho ny loza ratsy indrindra teto an-tany mifandray amin'ny resaka fitrandrahana.

Angamba mety nanelingelina azy ny zavatra tsinjony tao Marinduque rehefa nitsidika ilay faritra fitrandrahana efa tsy miasa intsony izy tamin'ity taona ity:

Nahafantatra momba azy io aho ary nahita sary saingy tsy nisy zavatra nanomana ahy HIAINA ilay fisidinana teny ambonin'ilay ala madio mahafinaritra ary ny fahitàna ilay noheveriko ho renirano tena lavabe – RITRA TANTERAKA sady feno fotaka avy ao amin'ilay toerana fitrandrahana. Hitako nazava tsara fa novonoin'ireo fakon'ilay toerana fitrandrahana ny fihariana ara-toekaren'ilay faritra manontolo. Ny tena “mandòna” bebe kokoa dia ny nahitàna ny tontolo mitomandavana mahafinaritra ao Marinduque ! Ranomasina manga, tendrombohitra mahafinartra, vahoaka maha-te ho tia. Omeko tsiny ny governemanta namela ny hitrangan'io.  21 izao ary dia mbola mitohy ny loza.

Nampiany hoe tamin'ny Martsa, nisy ekipa iray nalefan'ny DENR nahita taha avo tamin'ny Firaka, Cadmium, ary Varahina tany anatin'ireo renirano manakaiky ilay toerana fitrandrahana.

Renirano iray ao Marinduque voaloton'ireo fako avy amin'ny toerana fitrandrahana. Loharano: pejy Facebook an'i Gina Lopez, sekreteran'ny DENR

Toerana fanarian'ny Marcopper ny fakony. Loharano: pejy Facebook an'i Gina Lopez, sekreteran'ny DENR

Nampanao fisidinana ny toerana fitrandrahan'ny Dizon Mines ao Zambales ihany koa izy, any avaratr'i Manila renivohitry ny firenena. Nitatitra izy fa tsy ampy fikojakojàna araka ny tokony ho izy ilay lavaka be mitafo lanitra :

Ity no lavaka be mitafo lanitra manana tahan'asidra 2 amin'ny maridrefy. Afaka mandevona ny milina mpanosika sambo ny rano ao amin'ity lavaka ity! Andriamanitra o!, sa tsy marina  izany?!? Tsy misy ny fikojakojàna sy fikarakarana azy araka ny tokony ho izy! Ho ataoko izay hahazoana antoka fa tsy hanohintohina ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ilay faritra io .

Toerana fitrandrahana mitafo lanitra tantanan'ny orinasa Dizon ao Zambales. Loharano: pejy Facebook an'i Gina Lopez, sekreteran'ny DENR

Tsy ireo toerana rehetra fitrandrahana no tratran'ilay fitsirihana nataon'ny DENR. Ilay toerana fitrandrahana goavana indrindra ao amin'ny firenena, any Toledo, faritanin'i Cebu, dia nahazo ny fankatoavan'ny DENR  sy i Lopez izy tenany mihitsy.

Vao avy nitsidika ny Atlas Mining ao Toledo izahay. Atlas no iray isan'ny goavana indrindra raha resaka toerana fitrandrahana mitafo lanitra eto amin'ny firenena! Misy lavaka goavana be miisa 3 ary raha ny marina dia efa nahavita namerina  tanàna iray manontolo – Toledo City izay. Noarahabaiko tamin'ny fo feno fitiavana tokoa, io no iray amin'ireo toerana fitrandrahana afaka tamin'ny fitsirihana sy tiako iarahana miasa.

Nangatahako ihany koa izy ireo hanolotra drafitra fanarenana, mba rehefa vita ny fitrandrahana ataon'izy ireo , tsy ho lasa andraikitra ho an'ny fanjakana ilay lavaka be  na hoe ho loza mananontanona ho an'ny fiainan'ny olona. Rehefa manana finiavana, misy ny làlan-kizorana.

Toerana fitrandrahan'ny Atlas Mining ao Toledo. Loharano: pejy Facebook an'i Gina Lopez, sekreteran'ny DENR

Hetsika fanoherana ny sekreteran'ny tontolo iainana

Ankoatra ireo tomponà orinasa fitrandrahana harena ankibon'ny tany, ireo mpiasa nafindra noho ny didy fampiatoana navoakan'ny DENR dia niampanga an'i Lopez ho tsy nahavita nijery ireo dingana arahana amin'ny fitantanana ny indostrian'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Novalian'i Lopez tamin'ny fanomezana toky ireo mpiasa fa hanome asa fivelomana hafa ho safidy azo raisina ho azy ireo ny governemanta.

Mitangorona eo anoloan'ny Antenimieran-doholona ireo mpiasa taminà toerana fitrandrahana, mpianatra ary IP avy amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny toeram-pitrandrahana samihafa, ora 2 nialoha ny fanamafisana ny handraisan'i Gina Lopez hihaino azy ireo

Nampahatsiahy an'i Lopez ihany koa momba ny fandraisana anjaran'ny asa fitrandrahana harena ankibon'ny tany amin'ny vola miditra ao amin'ny firenena ny sasany tamin'ireo vondrona :

Tsapako ny manjo ireo rantsan'ny governemanta sy ireo vondrom-piarahamonina any an-toerana very tombontsoa amin'ny tsy fidiran'ny hetra avy amin'ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany
“Responsableng pagmimina, hindi si Gina” midika hoe “Asa fitrandrahana mandray andraikitra, fa tsy i Gina”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.