Ho an'ireo mpikatroka ho an'ny tanora, politikam-panjarian-tsakafo araka ny tokony ho izy no ilaina hitsinjovana ny hoavin'i Jamaika

Ankizy mpianatra ao Jamaika. Saripika an'i Jake Brewer tao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0.

Taona roa taty aorian'ny fikatonany, tamin'ny 7 Martsa lasa teo dia afaka niverina nisokatra indray ireo sekoly ifanatrehan-tava ao Jamaika. Hetsika nahazo fankasitrahana io, indrindra fa rehefa jerena ny tolon'ireo fianakaviana manoloana ireo olana isankarazany hatramin'ny niantombohan'ny valanaretina COVID-19. Saingy tsy ireo olan'ny fianarana irery ihany no fanamby tokana tsy maintsy hovahàna rehefa misokatra ny sekoly — zava-dehibe ihany koa ny sakafo.

Ny Jamaica Youth Advocacy Network (JYAN), ONG iray miaro ny zon'ireo ankizy sy tanora ao Jamaika, dia nandray io zava-nanahirana efa hatry ny elabe io ho tena zava-dehibe ho an'ny fahasalaman'ireo Jamaikàna amin'ny hoavy. Tena zavamisy ny hanoanana, ary ho an'ny ankizy marobe, matetika dia ilay sakafo azony any an-tsekoly no hany tokana azony mandritry ny andro.

Nanomboka fanangonantsonia ireo tao amin'ny aterineto ilay ONG mpiaro ny tanora mba hitakiana amin'ny ministeran'ny fanabeazana mba hamita faran'izay haingana sy hampihatra ny politikam-pirenena momba ny sakafo sy ny fahasambarana any an-tsekoly. Kendren'io politika io ny hifehezana ireo tolotra ara-tsakafo any amin'ireo toerana fianarana, indrindra fa amin'ny alàlan'ny Fandaharanasa nasiônaly fanomezana sakafo an-tsekoly sy ny Programme of Advancement Through Health and Education (PATH) – Fandaharanasa Fampandrosoana ny Fahasalamana sy ny Fanabeazana, fandaharanasa iray famindràna vola arahana fepetra hahafahana manome fanampiana ara-bola tolo-botsotra ho an'ireo tokantrano tena sahirana :

Na mividy sakafo any an-tsekoly ny zanatsika na mandray izany any an-tokantrano amin'ny alàlan'ny ireo fanampiana, mendrika sakafo mahasalamana sy mahavelona izy ireny, izay mandrisika azy hanana fahazarana tsara amin'ny fisakafoanana.

Amin'ity fomba fijery ity, nanolotra lisitra ny JYAN ahitana ireo torohevitra toy ny hoe : fandraràna ny fahazoandàlana ho an'ny toerana fisakafoana malaky any anaty sekoly, ny famoronana zaridainan-tsakafo any an-tsekoly, ny fandrisihana ny ankizy hanana fomba fiaina mahasalama sy hanao fampiasam-batana. Fa ny tena mampiasa loha ilay ONG dia momba ny zavamisy hoe fikasàn'ny governemanta jamaikàna ny hisintaka amin'ny Nutrition Products Limited, ilay orinasam-panjakana mpikarakara sy mpitsinjara sakafo any an-tsekoly :

Tena faran'izay tian'ireo Jamaikàna marobe ilay fandaharanasa nasiônaly fanomezana sakafo an-tsekoly notantanin'ny governemanta jamaikàna tamin'ny alàlan'ny orinasa Nutrition Products Limited (NPL). Azo lazaina fa tamin'ny ampahany dia noho io fandaharanasa io no tsy nampitombo ny tsy fahampian-tsakafon'ny ankizy nandritra ny andian-taona 70, tao anatin'ny tontolo iray nisian'ny fitontonganana ara-toekarena faobe.
Ny fikasan'ny governemanta hisintaka amin'ireo asa fikarakaràna sy fitsinjarana nataon'ny NPL no manamarika ny fiafaran'ny fandaharanasa iray fanomezana sakafo an-tsekoly notantanin'ny fanjakàna. Raha 70% amin'ny Jamaikàna no tsy afaka ny hanana sakafo ara-pahasalamàna sy mahavelona, ary raha heverina ny zavamsiy hoe afaka manatsara ny fahatongavan'ny ankizy mianatra sy ny fianaran-dry zareo ny fanomezana sakafo an-tsekoly, indrindra fa ho an'ireo ankohonana faran'izay tena sahirana, mba ho toy ny ahoana ny hoavintsika ? Inona no tolotra ara-tsakafo ho aroso an'ireo ankizy ? Ahoana no hahafahantsika miantoka ny hahazoan-dry zareo vokatra mahasalama ? Tsy maintsy mandoa vola mba hahazo ireo sakafo atolotra ao anatin'io fandaharanasa io ve ireo mpianatra manomboka izao ? Raha eny, ohatrinona?

Voamarika amin'io fanapahankevitra io ny lanjan'ny fametrahana politika mahomby amin'ny resaka fanjarian-tsakafo sy ny fahasambarana any an-tsekoly, mba hahafahana mamaritra ireo taridalana ara-tsakafo sy manaraka akaiky ireo vokatra aterin'ireo mpamatsy sakafo any an-tsekoly. Ho anjarany kosa, ny governemanta dia nilaza fa iray amin'ireo olan'ny renivola miasa sy ny fahombiazan'ny atao io. Ilay fandaharanasa fanomezana sakafo an-tsekoly, izay mpianatra tsy latsaky ny 136.000 no misitraka azy ary miparitaka any amina sekoly miisa 836, dia mitentina eo amin'ny 780 tapitrisa JMD [efa ho 5 tapitrisa euros]. Ny drafitra dia hoe « miasa miaraka amin'ireo mpamatsy tsy miankina mba hiatrehana ny sandan'ny fampiasana renivola » sady hanatsaràna ny tolotra ara-tsakafo.

Lafiny iray hafa amin'ilay olana ihany koa ny filazana fa tsy mandeha amin'izay laoniny ny fitantanana. Ny tatitry ny Fitsirihana Ankapobeny ho an'ny taompiasàna 2020-21 dia nahitàna tsy fetezana goavana tao anatin'ny fitantanana ny Nutrition Products Ltd. teo anelanelan'ny 2015 sy 2021, indrindra fa ireo fandoavana vola tafahoatra ho an'ny tombontsoan'olona any ivelany. Ny minisitry ny fampianarana, Fayval Williams, dia nanambara fa manohana ny fanaovana fanadihadiana feno momba ireny fanararaotana ireny. Raha niresaka momba ilay fisintahan'ny fanjakàna, nanamafy izy fa mila havaozina ny rafitra fanomezana sakafo an-tsekoly.

Na izany aza, voamarika fa ny tsy fisian'ny politika ara-tsakafo amin'izao fotoana izao dia « toedraharaha iray tsy zaka », hoy i Rashaun Stewart, mpianatra ho mpitsabo ary mpikambana ao amin'ny JYAN namaly :

Ireo singa fototra ao amin'ny fahazarana misakafon'ny tandrefana dia mampitombo avokoa ny hirika hisian'ireo aretina mitaiza, indrindra fa ireo MNT (aretina tsy mifindra). Tokony horaisin'ireo andrimpanjakana anaty kajikajiny ny fahasalamam-bahoaka mba hivahan'io olana io ho fisorohana ny tsy hahavoazan'ny aretina an'ireo zanatsika, aretina izay azo sorohana, ary mba tsy hahavery fanantenana antsika amin'ny hanànana vahoaka tony sy salama […]. Izao dieny izao, tsy misy andraso andraso, miankina amin'izany ny hoavin'ireo zanatsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.