Ny Torolalana indiana 2022 fahazoan'ny Fampitam-baovao fankatoavana

Indian Newspapers for sale at a vendors shop in New Delhi. Image via wikipedia by Shajankumar. CC BY-SA 3.0.

Gazety indiana amidy eo amin'ny toeram-pivarotana ao New Delhi. Sary Wikipedia an'i Shajankumar. CC BY-SA 3.0.

Tamin'ny Febroary 2022 no namoahan'ny governemanta foibe ao India ny torolàlam-pankatoavana fampitam-baovao ela niandrasana. Navelatry ny torolalana ireo mason-tsivana ho an'ny mpanao gazety sy olon'ny fampitam-baovao ahafahana mahazo fankatoavana, ny paika hahazoana fankatoavana sy ireo antony mety mahatonga fampiatoana. Tanisainy ao koa ny andraikitra sy ny fahefan’ny andry fitantanana, ny komity foibem-pankatoavana fampitam-baovao, tompon’andraikitra amin’ny fanamorana ny paika. Ny fankatoavana ofisialy no ahafahan'ny olon'ny fampitam-baovao miditra biraom-panjakana tsy voatery ho tafahitsok'ireo vato misakan'ny fanjakam-birao, sy manatrika fivoriana manokana, ka avy amin'izany izy dia fitaovana tena ilaina hitazomana ny manampahefana amin'ny tamberin'andraikiny sady hahazoana ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Mety mahazo fanampiana avy amin'ny governemanta ihany koa amin'ny toe-javatra sasany ny mpanao gazety mahazo fankatoavana sy ny fianakaviany.

Somary ankapobeny kokoa ny torolalana teo aloha ary nanamarika fa ho esorina ny fankatoavana raha ampiasaina amin'ny tsy araka ny tokony ho izy. Ao anatin’ny torolalana vaovao, miisa 10 ny fepetra manokana ahafahana misintona ny fankatoavana ho an’ny mpanao gazety.

Nanao ahoana ny setriny?

Nampiketrona ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao gazety, ireo mpikatroka, ary ireo olom-pirenena indiana voakasik'izany ny torolalana. Niteraka tahotra sivana ny fehezan-dalàna fanampiny vaovao namelatra ireo fepetra fampiatoana ny fankatoavana nataon'ny fanjakana. Milaza ny fehezandalana fa azo esorina ny fankatoavana mpanao gazety iray raha toa ka “manao zavatra mety manimba ny fiandrianam-pirenena sy ny tsy fivakisan’ India, ny fiarovan'ny fanjakana, ny fifandraisana amin'ny firenena vahiny namana, ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehana na ny fitondran-tena tsara, na mifandraika amin’ny fanaovana tsinontsinona ny fitsarana, ny fanalam-baraka na ny fampirisihana hanao fandikan-dalàna”. Ankoatra ireo fepetra hafa, azo ahantona ihany koa ny fankatoavana maha-mpanao gazety raha toa ka voampanga tamin'ny fandikan-dalàna lehibe mivaingana izy ireo.

Avoitran'ireo manohitra ny fitsipika fa mety hampidi-doza ny asan'ny mpanao gazety ny fepetra manjavozavo toy izany , ka mamela azy ireo hiasa araka ny baikon'ny fanjakana. Nangatahan'ny Guild's Editor of India (Fikambanan'ny Tonian'ny Fanaovan-gazety ao India) ny hanafoanan'ny Foibe ny fitsipika, indrindra fa tsy nisy fifampidinihana tamin'ireo mpandray anjara fototra. Momba ilay antony midadasika amin'ny fampiatoana, anisan'izany ny “fiampangana heloka bevava mivaingana” sy ny “fanalam-baraka”, hoy izy ireo hoe, “Mazava fa nampidirina ireo fehezan-dalàna manjavozavo, tsy misy dikany, ary henjana ireo hamerana ny tatitra manakiana sy mamongatra ireo raharaham-panjakana maizimaizina”. Manehoany ahiahy ihany koa ireo fepetra takiana amin'ny fahazoana fanamarinana ataon'ny polisy hahazoana fankatoavana satria mety ho ampiasaina amin'ny fomba ratsy hanakanana ny fahalalahana miteny izany. Raha ahitatra ny ahiahy tanisain'ny Guild, dia tsy maintsy marihana fa matetika ny mpanao gazety no tratran'ny fitoriana eny amin'ny fitsarana lazaina ho manitsakitsaka lalàn-keloka bevava sasany, anisan'izany ny lalàna iadiana amin'ny fampihorohoroana. Fitaovana iray hafa ampiasaina hampanginana ny mpitsikera sy ny mpanao gazety ny fanalam-baraka. Mifampitory resaka fanalam-baraka ihany koa any India ireo  fikambanan'ny fampahalalam-baovao. Raha avela hiasa ireo torolalana ireo, izay anaovana ny fanalam-baraka ho mason-tsivana hisintonana ny fankatoavana, dia mety hanamafy ny finiavana efa misy ny hametraka raharaha fanalam-baraka hamelezana ny haino-vaky-jery.

Nanao dingana maromaro ny Press Club of India (PCI), miaraka amin'ireo vondrona mpanao gazety malaza hafa, hanery ny Governemanta. Ny 11 febroary lasa teo, nandefa taratasy ho an’ny governemanta ny PCI maneho ny tsy fahafaham-pony amin’ny torolalana. Taorian'izay dia nanomboka nanao fanentanana fanangonan-tsonia ihany koa ny klioba. Tamin'ny 25 Febroary, namoaka fanapahan-kevitra tsy nisy nitsipaka ny PCI, ny Fikambanan'ny Tonian-dahatsoratra ao India, ary ny Vondron'ny vehivavy mpanao gazety (IWPC) ho fanoherana ny fitsipika ary nandefa ny dika mitovy amin'ilay taratasy tany amin'ny minisitera. Nolazain‘ity antontan-taratasy ity: “Tsy vitan'ny Governemanta ny nanazava ny fitohizan-kevitra sy izay mahamaika amin'ity hetsika ity, izay niteraka krizy tsy ilaina eo amin'ny governemanta sy ny media.

Namoaka lahatsora-pamoahan-kevitra manazava ny fiantraikan'izany toromarika izany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny soatoavina demaokratika ny mpanao gazety sy ny mpisolovava sasany. Nanamarika toy izao i Seema Chisti, mpanoratra sady mpanao gazety: “tsy miresaka ‘fankatoavana’ mpanao gazety ny torolalana vaovao, fa momba ny fomba fitondrana ny demaokrasia ataon’ireo voafidy hitantana. Fandrefesana io ijerena ny fahitan’ity governemanta ity ny anjara toeran'ny fanontaniana, ny fidirana ary ny mangarahara. Nasongadiny ihany koa fa fomba iray hafa hampihenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ireo fitsipika ireo. Ao amin'ny lahatsoratra iray hafa, nanoratra toy izao ny Dr. V Suresh, sekretera nasionalin'ny Sendikàm-bahoaka ho an'ny fahalalahana sivily: “Azon'ny sampan-draharaham-panjakana tenenina tsotra hatrany ny fahefana manjaka amin'ny resaka fanaovan-gazety mitsikera na mihaika na mifamaly amin'ny fomba fijerin'ny governemanta amin'ny fisehoan-javatra iray, indrindra any amin'ny faritra mikorotandrotana tahaka ny ao amin'ny lohasahan'i Kashmir. Nanao sariitatra manesoeso i E.P Unny, lehiben'ny mpanao sariitatra ara-politika ao amin'ny Indian Express, mampiseho zazalahy kely iray “misaotra” ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fampielezam-peo noho ny tsy nampidirana fehezan-dalàna momba ny fitafy ho anisan'ny torolalana.

Hatramin'ny 22 Mey lasa teo, tsy mbola nisy valin-kafatra ampahibemaso avy amin'ny governemanta momba ny ahiahin'ny vondrona media na fanehoana faniriana hanaisotra ilay fitsipika.

Nahoana no zava-dehibe izany?

Nanamarika ireo fikambanan'ny mpanao gazety, ny vondrona fiarahamonim-pirenena ary ny mpanao gazety fa nivoaka anoherana ny fihintsanan‘ny fihenan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena izay iatrehan'ny mpanao gazety matetika ny fandrahonana, fisamborana, fanerena ara-pitsarana ary fampitahorana. Ankoatra izany, manahy izy ireo fa (mi)tete iray hafa amin'ny ranomasimbem-paneriterena ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery izao ampiasana lalàna manjavozavo izay mirona amin'ny fihoaram-pahefana izao. Voatsikera ny Fitsipika 2021 momba ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (Torolalana antenantenany sy ny fehezan-dalàna momba ny etika amin'ny haino aman-jery ankihy) 2021, avy amin'ny mpanatanteraka, noho ny famoronana fiantraikany mangidy amin'ny media ankihy. Eo ambany Fanaovan-dalàna vaovao momba ny haino-vaky-jery ao Kashmir, azon'ny Departemantan'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana Amin'ny daholobe (DIPR) atao ny manakana ny famoahana filazana ataon'ny governemanta amin'ny sehatra midadasika toy ny “fandrisihana hanao herisetra, fihaikana ny fiandrianam-pirenena sy ny tsy fivakisan'i India na fanitsakitsahana ny fitsipika eken'ny daholobe ara-pahamaotinana sy ara-pitondran-tena.” Tamin'ny heritaona, araka ny notaterin'ny Wire, namoaka didy ny lehiben'ny distrikan'i Kupwara ao Jammu sy Kashmir mitaky amin'ny mpanao gazety “hisoratra anarana” sy “hahazo fankatoavana” avy amin'ny fitantanan-draharaha alohan'ny hanaovana tatitra (fanangonam-baovao).

Lazaina matetika ho andry fahefatra amin'ny demaokrasia ny haino-vaky-jery, ankoatra ny mpanao lalàna, mpanatanteraka ary ny fitsarana. Mety hiteraka voka-dratsy ny fanerena avy amin'ny andry iray, ny mpanatanteraka, amin'ny fampiasana lalàna manimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Mety hanozongozona ny trano iray manontolo ny fandemena andry iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.