
Pikantsary nalaina tamin'ny tatitra an-dahatsary nataon'ny Radio Liberty tamin'ny famoriam-bahoaka tao Tbilisi.
An'arivony no nidina an-dalambe tao Tbilisi renivohitr'i Zeorzia tamin'ny 20 Jona naneho ny heviny amin’ny feo avo sy mazava — fa ao anatin’ny Vondrona Eoropeana i Zeorzia. Nitranga ny diabe andro vitsivitsy taorian'ny nanemoran’ny Vaomiera Eoropeana ny fangatahin’i Zeorzia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Manantena ny hahazo ny valin’ny fanapahan-kevitra farany momba ny sata ho kandida ny firenena amin'ny 24 jona.
Nandritra ny lahateniny tamin'ny 17 jona, hoy ny filohan'ny Vaomieran'ny UE, Ursula von der Leyen, hoe “Manolo-kevitra ny Filankevitra izahay mba hanome antoka ny fomba fijery Eoropeana [ho an'i Zeorzia] ary hamerina hijery sy hanao tombana raha mahafeno ireo fepetra maromaro i Zeorzia, alohan'ny hanomezana azy ny sata ho kandidà.”
Our opinions on the membership applications of 🇺🇦🇲🇩🇬🇪 were carefully assessed based on their merits, as we have always done in the past.
This is a solid basis to move forward together.
Building on this evidence is the historic and political momentum. pic.twitter.com/qz30eCFABZ
— Ursula von der Leyen (@vonderleyen) June 17, 2022
Ny hevitray momba ny fangatahana ho mpikambana nataon'i 🇺🇦🇲🇩🇬🇪 dia nodinihina tsara araka ny fahamendrehan'izy ireo, toy ny fanaonay teo aloha.
Fototra mivaingana hirosoana miaraka izany.
Miorina amin'izany porofo izany ny fotoana ara-tantara sy ara-politika.
Mba ahafahany miditra ho kandidà, tsy maintsy mahafeno fepetra ny firenena, ao anatin'izany ny fampihenana ny fizarazarana ara-politika, ny fanavaozana ny fitsarana, ny fiantohana ny andrim-panjakana miasa, ny fanamafisana ny fepetra iadiana amin'ny kolikoly, anisan'izany ny fanafoanana ny tombontsoan'olombitsy, sy ny maro hafa.
Tamin'ny 5 Jona, nivory tao amin'ny Kianjan'ny Repoblika ny Zeorziana nitondra teny filamatra hoe “Miaraka amin'i Eoropa.” Nokarakarain'ny olom-pirenena ny diabe ary natrehin'ny mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena, anisan'izany ny antoko politika mpanohitra, ny mpikatroka avy amin’ny fikambanana tsy miankina, ary ny endrika fanta-bahoaka, hoy ny tatitry ny Caucasian Knot.
Nanambara ny drafiny amin’ny fangatahana hiditra ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny fitondrana tamin'ny marsa 2022, taorian'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina — iray andro taorian'ny nanaovan’i Okraina ny fangatahana ofisialy. Tamin'izany fotoana izany, nofaritana ho toy ny fiverenan-dalana ho an'ny Antoko Nofinofy Zeorziana ny hetsika, izay vao haingana no nanizingizina fa tsy hanafaingana ny fandaharam-potoana voalohany amin'ny fangatahana ho mpikambana amin'ny taona 2024.
Nokarakarain'ny hetsika Henatra ao Zeorzia sy ireo vondrona mpanohana ny demaokrasia ny “Diabe ho an'i Eoropa,” manana tanjona “hanehoana ny fanolorantenan’ny vahoaka Zeorziana amin'ny safidiny Eoropeana sy ny Soatoavina Tandrefana.”
Massive crowds gather in Tbilisi to kickstart rally in protest of the Georgian Dream’s confrontational stands towards the EU and Russia-friendly conduct on Ukraine which they blame resulted in @EU_Commission’s refusal to recommend granting Georgia candidacy pic.twitter.com/FYJHyeEQnd
— Formula NEWS | English (@FormulaGe) June 20, 2022
Vahoaka marobe no nivory tao Tbilisi mba hanomboka fihetsiketsehana ho fanoherana ny fanapahan-kevitra mampiadihevitra avy amin’ny Georgian Dream mikasika ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny fanohanana ny fihetsik’i Rosia ao Okraina izay nolazain’izy ireo fa nahatonga ny fandavan’ny @Vaomieran’ny UE amin’ny fanomezana ny filatsahan’i Zeorzia ho kandida.
In #Tbilisi, #Georgia, dozens of thousands joined a #protest rally taking place today in support of the future #EU integration of Georgia:
— Alex Kokcharov (@AlexKokcharov) June 20, 2022
Ao #Tbilisi, #Zeorzia, an'aliny maro no nanatevin-daharana ny #Hetsi-panoherana natao androany ho fanohanana ny fampidirana an'i Zeorzia ho ao amin’ny #EU hoavy:
“Zeorziana aho, ary noho izany, Eoropeana aho,” hoy ireo mpianatra nihiakiaka rehefa nizotra nankany amin'ny tranoben'ny parlemanta tao an-drenivohitra Tbilisi tamin'ny 20 Jona
Nivory tany amin'ny tanàna hafa koa ny vahoaka, anisan'izany i Batumi, Kutaisi, ary Zugdidi, araka ny filazan'ny tatitra nataon'ny OC Media.
Talohan'ny fanapahan-kevitry ny zoma, nanao antso avo tamin'ireo firenena mpikambana maromaro ny filohan'i Zeorzia Salome Zourabichvili tamin'ny andiana hafatra an-tsary nozaraina tao amin'ny Twitter mangataka ny hanohanana ny firenena amin’ny fangatahany hiditra ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.
Fizarazarana anatiny
Rendrika tao anatin’ny krizy politika i Zeorzia nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2020, rehefa nanohitra ny voka-pifidianana parlemantera ny vondron’ny mpanohitra izay azon'ny Antoko Georgian Dream. Araka izany, nampihena ny fanantenana ny fisaratsarahana ara-politika anatiny tao amin'ny firenena raha anisan’ny lohalaharana tamin'ny fidirana ho anisan’ny Vondrona Eoropeana izy ireo teo aloha.
Nanomboka tamin'ny taona 2020, nanatri-maso ny fihenan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanafihana maro natao tamin’ny fiarahamonim-pirenena ny firenena, anisan'izany ny daroka atao amin’ny mpanao gazety sy ny fihemorana amin’ny resaka demokrasia amin'ny ankapobeny.
“Ratsy ny endrika na aiza na aiza ijerenareo: ny tsy fahaiza-mitantana ny fifidianana, ny fanaovana politika ny fitsarana, ny tsy fahaizan’ny manampahefana misoroka ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety sy amin’ny mpikarakara ny Paradin’ny Pelaka ao Tbilisi, ny fanambarana momba ny fanaraha-maso ireo diplaomatin’ny UE,” hoy i Tom de Waal, mpiara-miasa ao amin'ny Carnegie Europe sady ela nandinihana an'i Eoropa Atsinanana sy Kaokazy raha nanoratra.
Ny 9 Jona, nandray fanapahan-kevitra ny Parlemanta Eoropeana manoloana ny “fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny media sy ny fiarovana ny mpanao gazety ao Zeorzia.” Mitaky ny fametrahana sazy manokana ho an'ny mpanorina ny antoko Georgian Dream, ny Praiminisitra teo aloha Bidzina Ivanishvili “noho ny maha-tompon’andraikitra azy tamin’ny fahapotehan’ny dingana ara-politika ao Zeorzia” ihany koa ny antontan-taratasy.
Olona manan-danja amin'ny Politika Zeorziana i Ivanishvili. Nahazo harena tamin'ny vanim-potoana talohan'ny fitondran’i Poutine tany Rosia izy ary nanangana ny antoko Georgian Dream tamin'ny taona 2012. Na izany aza, nanambara ampahibemaso ny fanapahan-keviny hiala amin'ny politika i Ivanishvili tamin'ny taona 2021, nefa mino ny olona sasany fa mbola ao anisan'ny mikendry ho ao izy.
Nihazakazaka niaro an'i Ivanishvili sy nanakiana ny teny tao amin'ilay fanapahan-kevitra, nilaza Irakli Kobakhidze, filohan'ny antoko Georgian Dream, hoe: “Mampanahy loatra fa na dia ny andrim-panjakana ambony ao amin'ny Vondrona Eoropeana aza dia iharan'ny aretina iray lehibe eto amin'ny izao tontolo izao ankehitriny, ilay antsoina hoe vaovao faikany,” tao amin'ny fanambarana ho an'ny mpanao gazety ny 9 jona.
Io fitantarana mampisara-bazana ampitaina amin'ireo mpifaninana eto an-toerana sy ireo mpiara-dia any ivelany ary ny fihemorana ara-demokratika amin'ny firenena no mampihena ny fahafahan'i Zeorzia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.
Ary na dia milaza aza ny famoriam-bahoaka tamin'ny 20 Jona fa mankasitraka ny toerana misy ny firenena ao Eoropa ny ankamaroan'ny Zeorziana, anisan'izany ny filohan'ny firenena Salome Zourabichvili dia tsy azo inoana fa hanova ny fanapahan-kevitry ny mpitarika ny Vondrona Eoropeana farany amin'ity herinandro ity mandritra ny fivorian'ny Filankevitra Eoropeana hatao ny 23–24 Jona izany.