Tantara mikasika ny Zimbaboe tamin'ny Mey, 2019
Feo avy ao Zimbaboe miampy firenena 3 hafa (2005)
Tongasoa eto amin'ny fizarana fanokafana ny "Feo avy amin'ny Zimbaboe miampy 3" izay antenaiko fa hahita vavao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikanina maromaro ianao.
Fitokonana tampoka – Mosary tsy afaka dia handray fifaninanana afrikana no mahamaika
Nanao fihetsiketsehana tampoka tany amin'ireo tanàna lehibe tao Zimbabwe tamin'ny Sabotsy ny firaisan'ny vondrona sivika mpanohitra, ny Antenimieram-pirenen'ny Lalàmpanorenena (NCA amin'ny teny Anglisy). Mitatitra ny This is Zimbabwe, bilaogy nomanin'ny vondrona mpanao fihetsiketsehana Sokwanele / Zvakwana fa olona 18 no nosamborin'ny polisy mahery setran'i Zimbaboe, izay tsy nampoizina tamin'ny fihetsiketsehana.
Kabinetra Hazoboboka, mampiredareda ny afon'ny hatezeram-bahoaka any Zimbaboe
Niatrika ny tstindry tsy mitsahatra mba hisian'ny fiovàna, roa herinandro lasa izay dia nohavaozin'i Robert Mugabe, ilay mpitondra an'i Zimbaboe tratry ny fahirano, ny governemantany, saingy tsy nahavita kely akory mba hampihenana ny fijalian'ny firenena izay ravan'ny fitarihana gaboraraka sy toekarena tsy mahomby.