· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Zimbaboe tamin'ny Septambra, 2018

Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden

  15 Septambra 2018

Rehefa nandre ny fahafatesan’i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia naneho hevitra mifangaro ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony.

Blaogy Sokwanele Tao Zimbaboe

  12 Septambra 2018

Ao am-piomanana ho amin'ireo fifidianana solombavam-bahoaka hatao ny 1 aprily 2005 i Zimbaboe. Tsy misy isalasalàna ny ho vokatra. Ny ankamaroan'ireo mpanara-maso dia miandry avokoa fa ny antoko Zanu-PF-n'i Robert Mugabe eo amin'ny fitondrana no hahazo ny fandresena mavesatra, hahazo fara-faharatsiny ny 75%-n'ireo vato. Tsy hoe satria manana ny lazany manokana akory ny antoko Zanu-PF, fa satria rakotra kolikoly ny zotran'ny fifidianana ka tsy ahafahan'ny mpanohitra handresy mihitsy.

Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina

  04 Septambra 2018

Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny... i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny 'tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa". Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondrana...satria manana tombontsoa goavana i Shina. Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina. [...] Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy