Tantara mikasika ny Paragoay
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Paragoay: ny reny lasa mpikarakara zokiolona, ny zanaka lasa taizan-drenibe
Paragoyana an'arivony no voatery nifindra monina tany Arzantina sy tany Espaina mba hiasa ho toy ny mpanampy an-trano ary namela ny fianakaviany ho andraiketin'ny vehivavy hafa.
Amerika Latina: Niresaka momba ny fahantrana ny Blog Action Day
Mila olona azo atokisana fotsiny izahay, mpitantana matotra, olona izay miasa ho an'ny tombontsoan'ny firenena iray manontolo fa tsy ho an'ny tombontsoany manokana.
Paragoay: Joseph Stiglitz Ilay Nahazo Loka Nobel Momba Ny Toekarena, Te-hanoro Hevitra Ny Filoham-Pirenena Vaovao
Ny Loka Nobel Momba ny Toekarena Joseph Stiglitz dia ho any Paragoay mba handray anjara amin'ireo lanonana fanokanana ny Filoham-pirenena Fernando Lugo. Anisan'ny hanararaotany hanomezana hevitra ny Filoham-pirenena vaovao ihany koa io fotoana io, ary nomarihiny fa tsy handoavam-bola aminy velively izany fanolorana hevitra ataony izany.
Paragoay: Mitsipaka Tsy Handray Ny Karamany Ny Filoham-pirenena Vaovao
Ho avy amin'inona tokoa moa izany no hiatrehan'ny Filoham-pirenena Paragoaiana ny fiainany, eny na dia tsy manana ankohonana ahiana aza izy.
Lahatsary: Ny Andro Fanoherana Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy
Daty iray manandanja mandritra ny vanim-potoana fankalazana ny andro fanoherana ny herisetra atao amin'ireo vehivavy ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA.
Paragoay : Nahemotra ny Fifaninanana Hazakazaka Fiarakodia “Trans-Chaco”
Isantaona, tonga ao amin'ny faritra paragoaiàna ao Chaco ireo mpamily fiarakodia kalaza erantany mba handray anjara amin'ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia Trans-Chaco, izay efa fanao hatramin'ny 1971.
Paragoay : Trano Vita Amin'ny Voatavomonta sy Plastika
Karazana voatavomonta afaka afangaro plastika dia hanjary ho akora fampiasa amin'ny asa fanorenana trano. Misy hamahànana, hitazonana ny fahasalamana, ary hiantohana ny famokarana tantely avy amin'ny tohotra ihany koa
Paragoay: Mampiely ny teny Guaraní amin'ny alalan'ny bilaogy
Any Paragoay, izay afaka miditra aterineto ny 3% -n'ny mponina ary 88%n'ny mponina no mampiasa ny fiteny indizeny ao Guaraní, fitem-pirenena ofisialy ihany koa, nahita fahafahana iray tsy mbola nisy nanao i Mirta Martínez, mpanao gazety sady mpampianatra Guaraní, izy no lasa bilaogera voalohany sady tokana manoratra amin'ny teny Guarani
Paragoay : Mba Hivelomana, Mibodo Ireo Tany Tsy Misy Mampiasa Ireo Taranaka Tantsaha
Nahita toerana hanorenana trano ho an'ny fianakaviany tamin'ny alàlan'ny fomban-drazana, fibodoana ny tanin'ireo voanjo taloha i Mariano Castro. Fa nivadika ho zava-doza izany ho an'ny zanany.