Paragoay : Nahemotra ny Fifaninanana Hazakazaka Fiarakodia “Trans-Chaco”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2008)

Isantaona, tonga ao amin'ny faritra paragoaiàna ao Chaco ireo mpamily fiarakodia kalaza erantany mba handray anjara amin'ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia Trans-Chaco, izay efa fanao hatramin'ny 1971. Tamin'ity taona ity, ny faritr'i Grand Chaco manokana dia tratry ny haintany. Nambara ny fepetra fanao amin'ny tany latsaka an-katerena ho an'io faritra io. Mifandray amin'izay dia nambaran'ny governemanta fa mety ho ahemotra ilay fifaninanana hazakazaka fiarakodia [esp], tamin'ny filazana fa ilaina ny famelàna ireo mpirotsaka an-tsitrapo hitondra fanampiana ho an'ireo fianakaviana 18.000 ao amin'ilay faritra, tafiditra amin'izany ireo fianakaviana teratany tompontany.

Tsy miombona hevitra amin'ilay fanafoanana ny hazakazaka i Carlos Rodriguez de Rescatar [amin'ny teny espaniola, toy ireo bilaogy rehetra tanisaina ato anaty lahatsoratra], ary manazava ny nahatonga ny governemanta ho tonga amin'izao fanapahankevitra izao:

Cuando se declara una situación de emergencia como aconteció ahora es que se evaluó el cuadro crítico de un fenómeno natural y su efecto sobre los bienes, la infraestructura y la vulnerabilidad de poblaciones existentes donde se produce el fenómeno. Un equipo técnico hizo una estimación del impacto en las actividades cotidianas y de desarrollo y recomendó establecer medidas para reducir la vulnerabilidad y mitigar los efectos de la sequía. Entre ellos, la suspensión del rally.

Rehefa manambara fepetra ho an'ny tany latsaka an-katerena toy izao, dia lanjalanjaina amin'ny maso mahay mandinika ny zavamisy voajanahary sy ny vokany amin'ny fanànana, ny fotodrafitrasa ary ny faharefoan'ny mponina eo an-toerana. Nisy ekipa teknika nandanjalanja ny fiantraikany amin'ny asa andavanandro sy ny fandrosoana ka nandroso hevitra handraisana fepetra mba hampihenana io faharefoana io sy hanalefahana ny fiantraikan'ny haintany. Anisan'irey sosokevitra ireny ny fampiatoana ilay hazakazaka fiarakodia.

Mampanontany teny an'i Marta Escurra ny hoe vokatra hafa toy inona no mety hateraky ny fampiatoana ilay hazakazaka:

El rally consiste en un puñado de días, para ser precisos tres, y sí… es cierto que dentro de ese marco ocurren “cosas extrañas” que luego vemos reflejadas en los diarios sensasionalistas. Pero también es cierto que además de los rallystas otras personas dependen económicamente de la competencia y es tal vez su única entrada de dinero honesto en todo el año.

Andro vitsivitsy no aharetan'ilay hazakazaka fiarakodia, ary eny… tena marina fa ao anatin'ny zavamisy tahaka izany, dia misy “zavatra hafahafa” mitranga ary tsy mantsy mipoitra eny anatin'ireo gazety mpamendrofendro no iafaràny. Saingy marina ihany koa fa ankoatra ireo mpamily, misy olona hafa miankina ara-toekarena amin'ilay fifaninanana, ary izany dia mety ho hany fidirambola ho azy mandritra ny taona iray manontolo.

Ny hirifiry atrehan'ireo fianakaviana dia tsy voafetra fotsiny ho an'ny faritr'i Chaco, ary nandinika ireo olona akaiky indrindra ny toeram-ponenany no sady nanoratra toy izao i Jorge Torres Romero :

La otra cuestión. Se declara emergencia por la sequía, pero Camilo se pasa hablando de las caries, problemas respiratorios y complicaciones de la salud de centenares de familias de varias comunidades indígenas. No hace falta ir tan lejos. Acá en los bañados de Asunción, al menos a mil metros de su oficina se va a encontrar con mayores problemas odontológicos y respiratorios ya sea por la basura y por la contaminación. ¿Por qué no plantea declarar estado de emergencia la zona del bañado?

Olana iray hafa. Nambara ny hamehana manoloana ny haintany, saingy i  Camilo (Soares, Minisi-Panjakana misahana ny fiahiana ara-tsosialy) manindrahindra ny areti-nify, ny aretin'ny taovam-pisefoana ary olana hafa momba ny fahasalamana izay manjo ireo fianakaviana ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo teretany tompontany. Tsy mila mandeha lavitra. Eto amin'ny manodidina an'i Asunción, eo amin'ny iray kilaometatra monja miala ny biraoko, afaka mahita olona manana olana amin'ny areti-nify sy olana ara-pisefoana mbola henjana kokoa, vokatr'ireo fako sy fandotoana. Nahoana ry zareo no tsy manambara ny fepetra ho an'ny tany latsaka an-katerena ho an'ireny faritra ireny?

Betsaka no sorena tamin'ilay fampiatoana ny hazakazaka fiarakodia, izay hetsika ara-panatanjahantena malaza be rahateo ao amin'ny firenena aorian'ireo lalao baolina kitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.