Tantara mikasika ny Filipina
Median'i Filipina miatrika ‘fandrahonana fanasaziana tsy ankitsahatra’ aorian'ny fiampangana fanendrikendrehana an'habaka
"Rehefa tsy afa-mihazona ny fahefana ho tompon'andraikitra isika dia tsy ho afa-manao na inona na inona," hoy ny Filoha Tale Jeneralin'ny Rappler Maria Ressa taorian'ny fanamelohana azy.
Lasa fanampiana ho an'ny traboinan'ny tondradrano vokatry ny rivodoza ny fampidirana “fahana” amin'ny finday any Filipina
Iharan'ny tondradrano vokatry ny rivodoza mahery any Filipina, indrindra ny nosy avaratr'i Luzon. Ato anatin'ity zava-mitranga ity, lasa endrika fanampiana ho an'ny voina ny fanomezana "fahana finday"
Mpanao fihetsiketsehana “Manila Pride” mamaly bontana sy mitantara ny fijaliana iaretana rehefa ahiboky ny polisy
"Midrikina isika manohitra ny sedra rehetra. Fanoherana ny androm-piainantsika. Eto isika handrava ireo rafitra mpamoritra, hanova ny zavatra tsy azontsika ekena." hoy i Carla Nicoyco, Filipiana mpikatroka avy amin'nyvondrompiarahamonina LGBTQ+.
Fantaro mandritra ny fijanonana ao an-trano ny hatsarantarehy sy ny lova any Filipina, Vietnam ary Thailandy
Very mpitsidika an-tapitrisany ny firenena Aziatika Atsimo Atsinanana saingy tsy very ny fahaiza-manaony amin'ny resaka fampiroboroboana ny fizahantany.
Lavin'i Taiwan ny hanolotra ilay mpitsabo mpanampy “nanevateva” ny filoha Filipiàna tao amin'ny Facebook
"Tsapako fa nohenoin-dry zareo izay zavatra nezahako nampitaina ary izany dia mampiseho fa eto Taiwan, omena lanja tokoa ny demaokrasia."
Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera
"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."
Nandositra ny mponina rehefa namoaka setroka sy lavenona ilay volokano kely indrindra nifoha any Filipina
Mponina miisa 30.000 mahery no tombanana ho voakasik'izany ary nafindra toerana niala tao amin'ny faritanin'i Batangas sy Cavite noho ny fipoahan'ny volokano.
Voaheloka ireo atidoha tao ambadiky ny vono olona tany Ampatuan saingy mbola mitohy ny ady amin'ny tsimatimanota ao Filipina
Nanome hery anay, nanamafy ny fahabetsahanay ny folo taona farany. Taorian'ny famonoana, dia mbola nitohy ny famonoana mpanoratra gazety. Dimy ambin'ny folo tamin'ireo mpiara-miasa aminay no voatifitra teo ambanin'ity fitantanam-panjakana ity.
Filipina: Mahatsiaro ny vono olona tany Maguindanao
Iray volana mahery izay no lasa, tamin'ny 23 Novambra 2009, nisian'ny famonoana nataon'ny tafika manokana an-dry Ampatuans, mpitarika ady niara-dia tamin'ny Filoham-pirenena Filipiana Gloria-Macapagal Arroyo, ireo lehilahy sy vehivavy maherin'ny 60, saingy efa tafiditra amin'ny eritreritra iombonan'ny vahoaka Filipiana ity hetsika mahatsiravina ity.
Hahaavotra ny iray amin'ny saha sisa an-tanandehiben'i Manila ve ny fiaraha-mamboly nataon'ny artista?
"Amin'ny maha-mpanandratenin'ny tantsaha izay mampandroso ny fambolena mitandro ny tontolo iainana anay, tianay ny handray anjara amin'ny famokaram-pambolena."