Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Voaheloka ireo atidoha tao ambadiky ny vono olona tany Ampatuan saingy mbola mitohy ny ady amin'ny tsimatimanota ao Filipina

Vondrona Media, artista, ary mpandala ny zon'olombelona mivory tamin'ny andron'ny 23 Novambra 2019 tao Manila miantso ny hanagadrana ireo atidoha nikotrika ny fandripahan-dry Ampatuan olona. Loharano: Altermidya Facebook

Fitsarana an-toerana iray tao Filipina no nanameloka ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviana Ampatuan sy ireo mpiray tsikombakomba amin-dry zareo higadra 40 taona noho ny famonoana olona miisa 58 — ary mpanora-gazety ny 32 amin'ireo — tamin'ny taona 2009.

Tamin'ny 23 Novambra 2009, nisy vondrona iray nanome fotoana hametraka ny firotsahan-kofidiana tao amin'ny faritanin'i Maguindanao, miorina ao amin'ny nosy atsimonin'i Mindanao, voasakana teo amin'ny toeram-pisavana iray an'ny tafika an'olontsotra an'ny fianakaviana Ampatuan. Naripaka ireo izay tao anatin'ny tandahatry ny fiara, ary tao anatin'izany ireo mpanora-gazety izay nanangombaovao niaraka tamin-dry zareo, ary nalevina haingana tao amin'ny toerana.

Io no fanafihana nahafatesana olona avy amin'ny gazety be indrindra no sady herisetra ratsy indrindra mifandraika amin'ny fifidianana teo amin'ny tantaran'i Filipina.

Nanao fanentanana hisian'ny rariny ireo mpanandratenin'ny media sy ny vondrona mpandala ny zon'olombelona tao anatin'ny folo taona. Nataon-dry zareo izay hamelomana hatrany ny raharaha sady narahiny maso ny raharaha mba hahameloka an-dry Ampatuans. Nanameloka ihany ny atidohan'ny famonoana ny fitsarana tao an-toerana nony farany tamin'ny 19 Desambra 2019.

Saingy tsy nitsahatra hatreo ny fanentanana. Mbola 80 any ho any farafahakeliny ireo ahiahiana mbola miriaria any. Heverina mbola hampakatra ny raharaha ihany koa ry Ampatuans ary mety ho tonga hatrany amin'ny Fitsarana Tampony izany.

Mandritra izany fotoana izany, nanasongadina ny mahazavadehibe izao fanamelohan'ny fitsarana izao ny Sendikà Nasionalin'ny Mpanora-gazety ao Filipina:

The convictions and indemnification can never bring back the lives of the victims and erase the pain of the families who lost their loved ones.

But these, in some way, alleviate the suffering that they have endured for the past 10 years.

Tsy ho afaka mamerina ny ain'ireo lasibatra sy ny fangirifirian'ny fianakavina namoy ny tiany ny fanamelohana sy ny fanonerana.
Fa ireo, amin'ny lafiny sasany, no hanamaivana ny hirifiry niaretan-dry zareo tao anatin'ny folo taona.

Ankatoavin'ny vondrona ihany koa ireo tsy nitsahatra tamin'ny fitadiavan-drariny tao anatin'izay folo taona izay:

The conviction of the key accused is also due to the unity and steadfastness of Filipino media workers and media groups in the country and abroad who have sustained the campaign and efforts for the past 10 years to make sure that the massacre will not be forgotten and that justice will be achieved no matter how long and hard it takes.

Noho ny firaisan-kina sy ny faharetan'ireo mpiasan'ny fampitam-baovao sy ireo vondrona fampitam-baovao ao amin'ny firenena sy any ivelany izay nanohana ny fanentanana sy ny ezaka nandritra ny 10 taona farany no nahatonga ny fanamelohana ireo lehibe amin'ny voampanga mba hahazoana antoka fa tsy hohadinoina ny vono olona ary ho tratra ny rariny na hafiriana na oviana ny faharetany sy ny fahasarotana hahatongavana amin'izany.

Altermidya, tambajotran'ireo vondrona fampitam-baovao tsy miankina, nanamarika fa hitohy ny fanentanana iadiana amin'ny tsimatimanota:

The past ten years have galvanized us, fortified our ranks. After the massacre, killings of journalists continued. Fifteen of our colleagues have been gunned down under this administration.

Moreover, warlordism, political patronage and all the conditions that led to the tragedy ten years ago remain. The enablers of this dome of impunity remain vastly untouched.

Nanome hery anay, nanamafy ny fahabetsahanay ny folo taona farany. Taorian'ny famonoana, dia mbola nitohy ny famonoana mpanoratra gazety. Dimy ambin'ny folo tamin'ireo mpiara-miasa aminay no voatifitra teo ambanin'ity fitantanam-panjakana ity.

Ankoatra izay, mbola mitoetra ny fanomezam-bahana ny mpitarika ady, ny patirao ara-politika ary ireo toe-javatra rehetra nahatonga ny loza nitranga folo taona lasa izay. Mbola tsy voakitikitika mihitsy ireo eny an-tampon'ny tsimatimanota.

Tonga teo amin'ny fahefana ny fitondran'i Rodrigo Duterte tamin'ny taona 2016. Tao anatin'ny telo taona, dia mpanao gazety am-polony no maty noho ny fanatontosan'izy ireo ny adidiny fotsiny amin'ny fampahafantaram-baovao amin'ny vahoaka.

Nisy ny hetsika fiaretan-tory sy fandrehetana labozia nokarakarain'ireo vondrona fampitam-baovao mialoha ny fotoana nanambarana ny didim-pitsarana. Nanatrika izany ny sasany tamin'ny fianakavian'ireo lasibatra tamin'ny famonoana.

Mampahatsiahy ny loza mahatsiravina i Ate Emely, havan'ny iray tamin'ireo lasibatra, ary mitaky ny rariny ho an'ny havany maty.

Nandritra ny andro famoahana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, nanatevin-daharana ireo mpikatroky ny fampitam-baovao ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona nandritra ny fihetsiketsehana miandry ny fanambarana.

 Manohy ny fandaharan'asan'izy ireo.eto ivelan'ny fefin'ny Toby Bagong Diwa ireo vondrona isan-karazany tahaka ny “Sendikà Nasionalin'ireo mpanao gazetin'ny Filipina.” Nosakanan'ireo polisy talohaloha kokoa ny programa

Niaraka tamin'ny zanak'ireo niharam-boina ilay mpanao gazety Kath Cortez no sady manaramaso ny fanambaran'ny fitsarana tao Mindanao. Mizara ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitra tamin'ireo zanaka izy.

Ngayon ko pa lang naprocess ang mga naganap. Mahirap ang nangyari ngayon lalo nat kasama ang mga anak ng mga biktima. Hindi tulad natin, mahirap para sa kanila iproseso ang hatol ng korte dahil iba ang pinagdadaanan nila.

Ganun pa man, saludo ako sa tibay nila at tapang na humarap sa media ngayong araw kahit na halo-halo ang emosyon. Malinaw at matibay ang kanilang paninindigan na patuloy hanapin ang hustiya para sa kanilang mahal sa buhay.

Puno ng emosyon ang araw na ito pero matibay ang mga bata. Sana tayo rin dahil di pa tapos ang lahat.

Izao vao mba azoko ny zavatra nitranga. Sarotra ny zava-nitranga androany indrindra hatramin'ny niarahan'ireo zanaky ny lasibatra taminay. Tsy toa antsika, sarotra kokoa ho azy ireo ny mizaka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana noho ny zavatra niaretan'izy ireo.

Na izany aza, miarahaba azy ireo aho noho ny tanjaka sy ny herim-pon'izy ireo niatrika ny fampitam-baovao na dia miady mafy aza fihetseham-po tao amin'izy ireo. Mazava sy matanjaka ny faharesen-dahatr'izy ireo hiady ho an'ny rarihy ho an'ny hava-tian'izy ireo.

Fotoana mampihetsi-po izany kanefa tsy taitra mihitsy ireo ankizy. Manantena aho fa afaka manahaka azy ireo isika satria tsy mbola tapitra ny ady

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.