· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Oktobra, 2017

Karatra Paositaly Avy Any Congo

  31 Oktobra 2017

Mora ny mifantoka fotsiny amin'ny rivotra mifamahofaho ara-politika ao RDC miaraka amin'ny fifidianana , ny fanambaràna ny fihodinana faharoa, ny fifandonana nahery vaika teo amin'ny kandidà ho filoham-pirenena roa tonta. Na izany aza, maro ireo bilaogera ao Kongo no nanoratra momba ny zavakanto, kolontsaina sy ireo fomban'izao tontolo izao hafa...

Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra

  31 Oktobra 2017

Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.

Fikaonandoha Hisianà Resaka Mivelatra kokoa

  30 Oktobra 2017

Mihevitra ihany koa aho fa raha toa ka manana fihaonana mivantana an'ireo blaogera sangany ireo, amin'ireo ao an-toerana any amin'ny firenena maro samihafa, hitarika fifandraisana amin'izy ireo matetika kokoa izany rehefa mandeha ny fotoana.

Takian'ny ao Bahrain Ny Fandraketana Ny Tranonkala ; Manahy Ireo Blaogera

Angatahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Bahrain ireo rehetra tranonkala Bahraini - izay ao anatiny na ivelan'ny firenena - mba hisoratra anarana ao amin'ny Ministera. Ho tomponandraikitra ara-dalàna amin'ny votoaty zarainy eo amin'ny tranonkalany ireo Mpitantana Tranonkala, ary hiatrika fanenjehana eo ambanin'ny lalàna Fanaovana gazety sy Fizarana Votoaty ao amin'ny firenena raha toa ka tsy misoratra anarana.

Taiwan: Puncar Mampihena Ny Hantsana Nomerika

  30 Oktobra 2017

Mianoka ambaratongam-pandrosoana tsara i Taiwan ary raha ampitahaina amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao ilay nosy dia heverina ho manana zo mitovy ihany ny mponina ao aminy. Saingy mbola lalina ny hantsana nomerika misy eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra.

Shina: Hetsi-panoherana Am-pilaminana

  30 Oktobra 2017

Toa mitohy hatrany ny olan'ny mponina ao amin'ny tanànakely ao Huacao any ambanivohitra distrikan'i Minxing ao Shanghai. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny fampitam-baovao tao tanibe roa taona mahery lasa izay fa rehefa niandry nandritra ny taona maro ireo mponina dia tsy mbola nahazo ny onitra tamin'ny fivarotana ny taniny

Bilaogin'ny Skoto Shiliana

  30 Oktobra 2017

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.