Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jona, 2017
Somalia: Tsy Fankalaza ny Fanaovana Piraty
Miresaka momba ny piraty an-dranomasina ny bilaogeran-dahatsary samihafa izay mitantara ny tranganà fakana an-keriny nataon'ny piraty Somaliana vao haingana sy ny fomba fiarovan'ny governemanta ny sambo mpitondra entanan'ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany eny an-dranomasina.
Iran: Fanentanana Iraisam-pirenena Ho Fanohanana An'ireo Mpitsabo Nogadraina
Satria nanomboka tamin'ny 3 Aogositra tao Meksika ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba Ny Sida XVIII, nogadraina ireo Iraniana roa manam-pahaizana momba ny VIH/SIDA, noho izy ireo voampanga fa nikasa hanongana ny fanjakana Iraniana.
Kosta Rikà: Fampisehoana, Fitroarana sy Ahiahy
Nandefa ny zava-nitranga tamin'ny Fampisehoana tamin'ny Alahady ilay mpanao gazety Cristian Cambronero ao amin'ny bilaogy Kosta Rikàna malaza Fusil de Chispas, notantarainy tamin'izany fa nirotaka ireo tanora ary nanimba ny toeram-pianarana ao amin'ny Universidad Latina ao amin'ny renivohitr'i San José.
Tube Adventure: Lalao An-dahatsary Amin'ny Fiteny Roa Ao Amin'ny YouTube
Namorona tetikasa vaovao ny fantsona Youtube Espaniola malaza Pinofas: lalao an-dahatsary hetsika-anjoria-maherifo
Iran: Tantara Ratsy Ara-nofo Nivoaka Tamin'ny Mediam-bahoaka
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nandrakitra sy nampiditra lahatsary misy ny filoha lefitry ny sekolin'izy ireo, Hassan Madadi, miaraka amin'ny lobaka tsy mihidy, voalaza fa miomana hanao firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra vehivavy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Avaratra-Andrefan'i Iran,
Chile: Hafatra Ara-politika Tamin'ny Lahatsary Mozika Antserasera Nampitabataba Ny Vahoaka
SubVerso no anarana artistikan'i Vicente Durán, mpanoratra ny Inform Yourself (Ampahafantaro ny Tenanao), hira sy lahatsary Hip-hop mitsikera ny ara-politika izay alefa indrindra ao amin'ny aterineto, ary niteraka tabataba teo amin'ny fiarahamonina Shiliana sy niteraka fanehoan-kevitra marobe.
Israely: Voro-pirenena Vaovao, Tsara Ihomezana
Tamin'ny alina, nitatitra ny sasany amin'ireo fampandrosoana lehibe kokoa mitranga ao Isiraely i Stephen Colbert. Nanombohana azy, manana voro-pirenena vaovao i Israely .
Iraka: Lahatsarin'ny Orampanala Tany Baghdad
Niseho ny tsy nampoizina tao Iraka: latsaka tao an-drenivohitry ny tanàndehibe Baghdad ny orampanala ary nanararaotra ny fakan-tsary ny olom-pirenena mba haka sary ity zava-mitranga sambany teo amin'ny fiainana ity.
HiperBarrio: Manova Ny Fomba Fijery Amin'ny Alalan'ny Famoronana
Ohatra tsara mikasika ny fitomboan'ny fahafahan'ireo vondrom-piarahamonina zara raha fatantra mba hilaza ny tantaran'izy ireo amin'izao tontolo izao avy amin'ny toerana lavitra sy mitoka-monina ny tetikasa HiperBarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.
Shina: Tantsaha Voaraoka Amin'ny Tany Voadaroka
Mampiasa Hery ny Governemanta Mba Hanamboatra Ny Tany sy Hidaroka Vahoaka Niantsoantso ny vahoaka hoe: mampiasa hery ny mpandraharaha mba haka ny tany, manohana azy ireo ny fitondram-panjakana. Aiza ny lalàna? Aiza ny rariny ??