Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2013
Rivo-doza Mahafaty, Fanampiana Tara Fahatongavana Nameno Ilay Tanana Rava Ao La Montaña Ireo
Araky ny tatitra maro voaray, andro maromaro vao tonga ireo fanampiana ary tsy ampy ihany koa. Maherin'ny 200 ireo vondrom-piarahamonina no mitoka-monina.
GV Face: Mitolona Ho Amin'ny Fisokafan'ny Aterineto Ao Brezila
Amin'ity herinandro ity ao amin'ny GV Face, hiresaka momba ny Marco Civi da internet miaraka amin'ilay mpanoratra Breziliana Raphael Tsavkko, sy ilay manam-pahaizana manokana momba ny politikan'ny aterineto, Carolina Rossini sy mpanoratra Breziliana hafa iray Joana Varon isika.
90 % -n'i Madagasikara No Tsy Mandray Afa-tsy 2 Dolara Isanandro. Fa Nahoana?
Ity fizarana ity dia hiresaka ny fitontonganan'ny fiainana sosialy sy ara-toekaren'i Madagasikara ary ireo vahaolana tokony hosaintsainina.
Manomboka Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ny Renin'ilay Mpitoraka Bilaogy Mifonja
Nanaraka ny zanany nitokona tsy hihinan-kanina ny renin'ilai Iraniana mpitoraka bilaogy mba hanandratana ny fahatsapan-tena amin'ity fijaliana misy azy ity.
Fitakian-Jòn'Ireo Koesiana Tsy Mizaka Izany
Noho ny tsy fananan'ny Koesiana tsy mizaka zom-pirenena zo hotsaboina, hianatra, hiasa ary ireo karazana tahirin-kevitra isan-karazany, dia mitaky ny zony ry zareo amin'izao fotoana izao.
Hisy Volantantely Ve Eo Amin'i Etazonia sy Iran?
Tsy manaiky ny hanafana ny fifandraisana voamariky ny fifampiantsoana am-pinday teo amin'ny filoha Obama sy Rouhani ho zavatra tsara avokoa ny Iraniana rehetra.
GV Face : Hamily Fiara Ny Vehivavy Saodiana
Ao anatin'ity faran'ny herinandro ity ny famoahan'ny "GV Face" dia miresaka amin'ilay bilaogera monina ao Jeddah sady mpanoratra, Tamador Alyami, izay manohana ny fanentanana #Women2Drive - #VehivavyHamily. Niaraka taminay koa i Hadeel Mohammed, Saodiana mpanoratray monina ao Dammam ary Amira Al Hussaini mpamoaka ny lahatsoratray any MENA.
Horakora-Pifaliana Nandresy An'i Nizeria Tamin'ny Segondra Farany Ny An'ny Ekipa Basikety Vehivavy Mozambikana
Nientanentana tanteraka i Mozambika satria nandresy an'i Nizeria tao anatin'ny sekondra farany ny ekipa nasionaly mpilalao basket nandritra ny lalao ampaha-efa-dalana. Kamerona indray no hifaninana amin'ny ekipa "Samourais".