Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

GV Face: Mitolona Ho Amin'ny Fisokafan'ny Aterineto Ao Brezila

Mitsinjo ny fahalalaham-pitenena ao amin'ny aterineto ve ianao? Manao ahoana ny fiainanao manokana anaty aterineto? Manao ahoana raha mamorona lalàna mety hiaro izany zo izany ny governemanta, fa tsy mandrahona azy?

Niasa nandritra ny taona maro ireo mpiaro ny zo nomerika breziliana mba hampandaniana ny lalàna Marco Civil da Internet, iray amin'ireo karazan-dalàna mety hahafahana miaro ireo zo sy fahalalahana ilaina amin'ny aterineto.

Nanome hery vaovao hitolomana ho amin'izany ireo fandaharan'asa fitsikilovana ataon'ny governemanta Amerikana, mandrisika ny fanohanan'ny fiarahamonim-pirenena ary hatramin'ny fanohanan'ny filoha ao Brezila, Dilma Rousseff.

Amin'ity herinandro ity ao amin'ny GV Face, hiresaka amin'ireo manam-pahaizana momba ny lalànan'ny aterineto ny mpisolovavantsika, tonian-dahatsoratra Ellery Biddle (@ellerybiddle), ka anisan'izany ireo mpanoratra ato amin'ny GV Raphael Tsavkko @Tsavkko, Carolina Rossini (@carolinarossini) ary Joana Varon (@joana_varon), mpanoratra ilay lalàna. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.