Horakoraka ny an'ny Mozambikana omaly raha nandresy an'i Nizeria tamin'ny segondra farany nandritra ny lalao ampahaefa-dalana tamin'ny Afrobasket tao Maputo ny ekipam-pireneny, “Samurai” vehivavy araka ny ahafantarana azy.
Dibo-kafaliana ireo vahoaka taorian'ny fandresena miezinezina tamin'ny 27 Septambra 2013, satria nanamarika isa enina ny ekipa Samurai tao anatin'ny 24 segondra, baolina 2 tafiditra samy nahazo isa 3 – ny iray nampidirin'i Leia Dongue tao anatin'ny roa segondra farany. Rehefa very fotoana tamin'ny fitarihana nandritra ny fanombohan'ny lalao, dia nahavita hetsika tsy hay adinoina i Mozambika, nampian'ny tombony tamin'ny fampiantranoana ny lalao.
Mampiseho ny ambiansy mafana sy ny seho tamin'ny segondra farany ity lahatsary ao anatin'ny lapan'ny fanatanjahatena Maxaquene izay hipoka olona ity:
Nanoratra ny fotoana farany nandritra faran'ny lalao tao amin'ny rindrin'ny Facebook-n'ny gazety i Sabado Tomucene mpamaky ny @Verdade:
O ambiente euforico vivido nos ultimos 5 segundos finais em que aconteceu o triplo victorioso foi loucura. Ver aquele publico saltar, vibrar, gritar, chorar… ver aquelas pessoas transpiradas que 1 minuto antes estava todo pavilhap gelado porque ja nao se acreditava naquele final feliz, Ver nossa jogadora desmaiada (!!) pelo impacto emocianante do triplo victorioso quando poucas pessoas senao apenas a equipa tecnica e as jogadoras tentavam acomoda-la.
FOI UMA LOUCURA TOTAL
Mafana tanteraka ny ambiansy nandritra ny dimy segondra farany raha tafiditra ny baolina nahazoana isa telo nitondra ho amin'ny fandresena. Mahita ireo mpijery mitsambikimbina, mihovitrovitra, mihiaka sy mitomany… mahita ireo olona tsemboka tao anatin'ny iray minitra farany mialoha ny hanginana tanteraka ary efa tsy nanantena hahita fiafarana tsara intsony, mahita ny mpilalaontsika torana noho ny fihetseham-po tamin'ny fahazoana isa telo nibatàna ny fandresena raha nisy olona vitsy mpanohana ny ekipa sy ny mpilalao miezaka ny [hamelona] azy.
[TSY NAMPOIZINA MIHITSY].
Tsy dia fahita firy amin'ny ekipa nasionaly ny mampientanentana tahaka izao tao Mozambika, ary matetika atao tsirambina tahaka ny any amin'ny firenena maro ny fanatanjahatena andraisan'ny vehivavy anjara. Tsy izany anefa no niseho tamin'ny alina. Hipoka fanehoan-kevitra sy hafaliam-po ny rindrin'ny gazety @Verdade, izay manana mpamaky maherin'ny 40.000 amin'izao fotoana izao. In-172 nisy nizara ny sary iray, misy an'i Leia Dongue, ary nahazo “Tiako (like)” maherin'ny 1.120 sy nahitana fanehoan-kevitra maharavoravo maherin'ny 440 avy amin'ireo mpamaky ny @Verdade.
Mpamaky iray, Estevao Fanuel Tete nilaza hoe:
O corte de energia k se deu na TVM nesses ultimos segundos do jogo deve me ter salvo a vida. Eu ja estava agonizando!!! Nunca antes uma partida de modalidade alguma tinha posto tao em causa a minha saude.
Mpamaky hafa Adriano Felix nanoratra tao amin'ny rindrina Facebook-n'ny @Verdade:
Num momento de crises diversas pelo país, estas campeãs fazem de tudo pra levantar a nossa autoestima e orgulho de ser daqui. Ainda vamos sentir o impacto disso na sociedade, na economia e na cultura nacionais, na reputação internacional. Quem, fora de Moz, não googlou sobre moz desde que o evento começou? Gerou curiosidade, ne. Quem nestes não vai trabalho ou escola cheio de si e da moçambicanidade adoirada pleas meninas? Já não se lamenta falta disto ou aquilo, comenta-se orgulhosamente as proezas das nossas representantes. Ainda há quem pense que não importa investir no desporto e na cultura! Quem negaria o título de heróinas nacionais as meninas?!
Hifaninana amin'ny Kamerona ny ekipa Samurai androany amin'ny lalao manasa-dalana, ary mamazivazy ireo mpanara-baovao Mozambikana fa “hanendy” an'i Kamerona izy ireo – Camarões ny dikan'ny Kamerona amin'ny teny Portiogey, mitovy amin'ny hoe makamba. Sakafo ankafizin'ny ao Mozambika ny patsa be sy ny makamba voatono. Ny lalao manasa-dalana iray kosa dia hifanandrinan'ireo samy tompondaka Angola sy i Senegaly. Mety hampientanentana tanteraka hany koa ny famaranana eo amin'i Angola sy i Mozambika, satria mpifandrafy eo amin'ny fanatanjahatena ireo firenena roa tonta ireo.