· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2011

Lahatsary: Anaty Rano i Amerika Afovoany

  20 Oktobra 2011

Nitondra oram-batravatra sy orana naharitra andro maro nanerana an'i Amerika Afovoany ilay andro ratsy 12-E, niteraka tondra-drano, fanakatonana ireo làlana sy lalambe migodana ary famindràna toerana olona. Amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity no ahitantsika ireo fiantraikan'ny ranon'orambe nanerana ireo firenena maro ao Amerika Afovoany

Etazonia: 15 Oktobra Teny An-dalambe Sy Tany Anaty Tambajotra Sosialy

  19 Oktobra 2011

Tsy tsiambaratelo ho an'ny rehetra intsony ny hoe Facebook, Twitter sy YouTube, ankoatra ireo tambajotra sosialy hafa, dianitàna anjara toerana fototra tamin'ireo hetsika tato ho ato tao an-toerana sy manerana izao tontolo izao. Tamin'ny 2009, izao tontolo izao dia nahita ny antsipirihan'ny onja "maitso" tao Teheran avy amin'ireo sehatra ireo, ary nitranga ny toy izay tao amin'ny Kianja Tahrir tao Kairo sy ny "indignados" tao Madrid. Araka ny efa nampoizintsika, ny hetsika manerantany 15 Oktobra 2011, koa dia nampiasa betsaka ireny tambajotra ireny.

Brezila: Manome Fahafahana Mamorona Fiainam-baovao Aorian'ny Fiainana Tany Am-ponja

  19 Oktobra 2011

Fony izy mbola nanefa sazy tany amponja, i Ronaldo Monteiro dia nanomboka tetikasa iray niaraka tamin'ireo mpiara-mifonja taminy ary nanova ny fiainany. Taona maro taty aoriana dia nomena fahafahana narahana fepetra izy ary mitantana ONG iray izay manome vintana ho afaka miverina eny anivon'ny fiarahamonina an'ireo tanora nandika lalàna, ireo mbola mifonja ary ireo avy nifonja

Etazonia: Miha-matanjaka Ny “Occupy Wall Street”

  18 Oktobra 2011

Fony izahay namoaka ny lahatsoratra voalohany tao amin'ny "Occupy Wall Street," zara raha nipoitra tamin'ny pejy voalohany tamin'ny gazety tany an-toerana izany. Ankehitriny, miaraka amin'ny mpanaraka an'aliny maro, nahasarika ny sain'ny haino aman-jery nasionaly sy maneran-tany ny Occupy Wall Street, ary nihitatra tamin'ny tanàn-dehibe an-jatony hafa tany Etazonia ny tolona.

Ejypta: Misaona Ireo Mahery Fo Tamin'ny Maspero

Niara-nisikina ny Ejypsianina taorian’ ilay herisetra tamin'ny 9 oktobra niseho tao amin'ny tranoben'ny fahitalavi-panjakana Maspero, izay natao fitaovana handrisihana ireo Miozolomana hanohitra ny Kristianina sy ny mifamadika amin'izany. Nitarika fahafatesan'olona 25 eo ho eo sy faharatrana 200 ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsiky...

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce

Rising Voices  16 Oktobra 2011

Phil Cash Cash dia mpandalina momba ny teny ary mpikambana amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra. Izy koa dia liana manokana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny web 2.0 ho fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ny teny Nez Perce, izay tombanany fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara azy sisa no tavela.

Hongria: “Polisy firy vao mahasambotra tsy manan-kialofana iray?”

“Polisy firy vao mahasambotra tsy manan-kialofana iray?” no lohatenin'ny lahatsoratra nivoaka farany [hu] tao amin'ny bilaogy Kettős Mérce [Fomba Fiaina Roa], izay nahitana lahatsary iray mampiseho polisy valo misambotra lehilahy tsy manan-kialofana iray tao amin'ny distrika fahavalo ao Budapest. Ny tena marina dia i Attila Kopiás io, izay mibilaogy amin'ny...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video