Etazonia: Miha-matanjaka Ny “Occupy Wall Street”

Fony izahay namoaka ny lahatsoratra voalohany mikasika ny “Occupy Wall Street,” momba ny vondrona iray izay nitoby tao amin'ny Zuccotti Park, zara raha nipoitra tamin'ny pejy voalohany tamin'ny gazety tany an-toerana izany.  Ankehitriny, miaraka amin'ny mpanaraka an'aliny maro izay niray hina tamin'ity tranga ity— anisan'izany ireo lehiben'ny sendika, manampahaizana tahaka an'i Slavoj Zizek, sy ireo olo-malaza hafa toa an'i Michael Moore — nahasarika ny sain'ny haino aman-jery nasionaly sy maneran-tany ny Occupy Wall Street, ary nihitatra tamin'ny tanàn-dehibe an-jatony hafa tany Etazonia ny tolona, anisan'izany  Boston, Hartford, Seattle, Washington D.C., ary Tampa (raha mila tatitra feno dia jereo ny vohikalan'ny Occupy Together).

Maro dia maro tokoa ny fanehoan-kevitra naterak'ity fihetsiketsehana ity, hany ka lasa hiadian-kevitra mihitsy izy eo anivon'ireo mpanao politika sy ny manampahaizana momba ny haino aman-jery, anisan'izany Eric Alterman avy ao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Fivoarana Amerikana, izay mahatakatra ny  “tsifaharetana sy ny hatezeran'ny fihetsiketsehana,” ary manohana izay noraisin'ilay nahazo ny loka Nobel fahiny ho an'ny Toekarena Joseph Stiglitz ho “vanim-potoanan'ny  1%” , manao sarinteny amin'ny 1% tànan'ny ankabeazan'ny manankarena any Etazonia

Occupy Wall Street

Mpitolona an'aliny nivondrona teo amin'ny faritra manodidina an'i Wall Street. Sary avy amin'i david_shankbone ao amin'ny flickr (CC-BY NC 2.0)

Na izany aza, misy ny tsy miombon-kevitra amin'izany: ilay Repoblikana Herman Cain, mpilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena, dia nitsikera ny Occupy Wall Street, ary nilaza fa tsy avy amin'i Wall Street ny olana ara-toekarena fa avy amin'ny Maison Blanche , ary mihizingizina izy fa tokony hanamelo-tena ireo mpanao fihtsiketsehana ireo noho ny tsy maha-mpanapitrisa azy sy noho ny tsy fananany asa (tohan-kevitra mifanaraka amin'ny fironana Repoblikana sy Neoliberal.) Araka ny nampoizina dia niteraka tsikera mahery izany fanambaràny izany, ka nanasokajiana azy io ho “fironana tsy mitombina.”

Ny mpitoraka blaogy tahaka an'i Robert W. Snyder avy amin'ny nj.com dia mino fa mendrika fomba fijery tsaratsara kokoa io  tolona io, hatramin'ny nifantohan'ny haino aman-jery bebe kokoa tamin'ny fifanandrinan'ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana.

Araka ny hitantsika tamin'ny taona 60, nisy hetsika am-pilaminana nofaritan'ny tatitra tsy mifandanja momba ny mpitolona vitsy mitady korontana. Tahaka ny efa mateti-pitranga dia ny sary sy ny lohateny lehibe no tena mpamitaka. Mahay mihitsy ny mpaka sary raha ny momba ny fakàna ny hetsika sy ny hatezerana, fa tsy hainy ny mampita ireo fahasamihafàna izay ny teny no mahatafavoaka azy metimety kokoa.

Joseph Lawler ao amin'ny The Spectacle Blog dia manazava ny fahasamihafàna eo amin'ny Occupy Wall Street sy ny antoko Tea Party fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana, satria misy ny sasany milaza fa mety ho lasa vondrona politika itsy voalohany.

Raha ny hita amin'ny sarin'ireo mpitolon'ny Occupy Wall Street,  ny hetsika, amin'izao aloha, dia manakaiky kokoa ny modelina “tanora mpihoko” fa tsy ny fahatsapan'ny “vahoaka leo” ny Tea Party. Ho hitantsika eo hoe hatraiza no halehan'izy ity.

Manamafy ny manampahaizana fa nikatsaka ny hifehy ny fizotry ny hatezerana ny filoha Barack Obama ary ny hery mitombo natsangan'ny Occupy Wall Street mba hanamarinana ny volavolan-dalàny momba ny famoronana asa.  Na eo aza izany dia mino i Justin Vassallo avy amin'ny The Faster Times fa ny tsy naneken'ny Occupy Wall Street ny endriky ny Filoha mba hanohizany ny iraka efainy :

Raha tena nanaraka marina ny fihetsiketsehan'ny Occupy Wall Street i Obama, tsy maintsy tonga saina izy fa efa misy vahoaka Amerikana miray hina, tafaroboka lalina ary miha-maro, mihetsika tsy misy azy.

Indrindra indrindra ao amin'ny Twitter, ny sasany dia naneho ny fanajàny ny mety ho antony ara-politika ao ambadiky ny Occupy Wall Street, tahaka izany i Unedited Camera(@Uneditedcamera):

#occupywallstreet tsy ho an'ny antoko politika ity fihetsiketsehana ity. Hanaovana ny fiainantsika ho demokratika kokoa.

Chris Spencer (@Chris_M_Spencer), etsy andaniny,  dia mitsikera ny fihetsiketsehana manao hoe:

Famaritana ny be konetaka: tezitra amin'ireo orinasa satria tsy manana asa. @OccupyWallSt #OccupyWallStreet #OWS #futility

Tahaka izany koa, curmudgeon (@Curmudgeonisto) dia mino fa fandaniam-potoana io fihetsiketsehana io:

tsy “hahantra” toa izao ireo mpitolon'ny #OccupyWallstreet raha ampiasainy hanohizana Fianarana/Fiofanana/Asa ny antsasaky ny ezaka verin-dry zareo maina #OWS #TCOT

OccupyWallStreetNYC (@OccupyWallStNYC) dia namaly ny hery nampiasain'ireo manampahefana teny an-toerana:

Ny valiny tsara indrindra amin'ny herisetran-dry zareo dia filaminana bebe kokoa. #occupywallstreet #sep17

Jordan Hammond (@InktViek) dia manoritsoritra ny tolon'ny Occupy Wall Street’ amin'ny alalan'ny tenin'i Gandhi:

#occupywallstreet “Amin'ny voalohany tsy raharahiany ianao, dia avy eo ihomehezany, dia avy eo ilàny ady, fa avy eo ianao mandresy” –Ghandi [sic], miady amintsika izao ry zareo

Ity manaraka ity misy lahatsary fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara sasany:

Ny hajiantsary ampiseho ny hetsi-panoherana  ‘Occupy’ . Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Caroline Schiff Photography (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.