Tantara mikasika ny RV 5 taona tamin'ny Jona, 2018
RV 5 Taona: Fijoroana Vavolombelona Amin'ny Fifohazan'Ireo Vehivavy Iemenita

Anisany iray nahazo tombony tamin'ny tetikasa Rising Voces ny "Fahavitantenan'ireo Vehivavy iemenita Mpikatroka amin'ireo Tekinika Vaovaon'ny Media", notarihan'i Ghaida'a Al Absi. Nieritreritra izy fa sahala amin'ny jiro jabora anatin'ny maro ny tetikasa EWAMT, izay manazava ny haizina ao Yemen. Ary nanaporofo marina io satria nanana fahasahiana ireo mpandray anjara sasantsasany tamin'ny fanoratàna momba ireo savorovoro politika nandritra ny revolisiona tao Yemen tamin'ny taona 2011.