Niteraka Adihevitra Tao Brezila Ny ‘Fandehanana Vakansy Miaraka Amin'ny Mpitaiza Zaza’

Vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao ao Brezila. Tsy mianatra ny mpianatra ary mitady fomba hampialàna voly azy ireo ny ray aman-dreny. Vao haingana, nandefa lahatsoratra mampahafantatra izay lazaina fa toro-hevitra tsotra ho an'ny fianakaviana mandeha vakansy miaraka amin'ireo mpitaiza zaza ny bilaogy [pt] iray  Viajando com Filhos (Mandeha vakansy miaraka amin'ny mpitaiza zaza). Nanjary nalaza ny lahatsoratra, tsy noho izy mahasoa, fa noho izy feno fitsarana an-tendrony tsotra izao fotsiny :

 Em outras oportunidades em que vc quer que ela [a babá] coma antes porque o restaurante é caro ou porque vão outros casais vc pode dizer problemas, tipo assim, “hj vamos a um restaurante com a comidas muito diferentes que vai demorar ou muito caro e etc, então vamos passar pra vc comer em algum lugar, vc prefere pizza ou Mc Donals”, porque, lembre-se ela está trabalhando.

Mety hisy ny fotoana ilainao hisakafo mialoha ny [mpitaiza ny zanakao] satria lafo ny trano fisakafoanana na koa mety misy mpivady hafa miaraka misakafo aminareo. Azonao atao ny toy izao: ‘androany, handeha ho any amin'ny trano fisakafoanana izay tsy mahazatra ny karazan-tsakafo ao aminy izahay, na mety ela vao vita ny sakafo, na koa mety lafo be, sy ny sisa. Noho izany, haterina any amin'ny toeran-kafa ianao mba hahafahanao misakafo. Pizza sa Mc Donals no tianao’ [sic], satria tokony ho ao an-tsainao fa eo am-perinasa izy.

Ao anatin'ny fitomboan-karena sy ny fisandratan'ny saranga antonony ‘C’ dia andala-pitadiavana ny [tetezamita] ivoaran'ny asa an-trano ny fiarahamonina Breziliana. Efa nanoratra izahay talohaloha momba izany karazana asa sy ny olana atrehiny toy ny fampidirana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina, ny haratsian'ny tontolon'ilay asa, ny ambaratongam-piaraha-monina, ny tsy fitovian'ny [fanajana ny] lahy sy ny vavy ary ny fanatsarana ny satan'ny vehivavy izahay. Blogueiras Feministas [pt], bilaogy mandala ny vehivavy, nandefa ity fanehoan-kevitra ity

A mulher que escreveu esse post não é a única que pensa dessa maneira, portanto, não adianta culpar e crucificar apenas essa pessoa. As relações com trabalhadores domésticos no Brasil tem estreita relação com nosso passado escravocrata. Assim como ela, há muitos homens e mulheres brasileiros que encaram os trabalhadores domésticos como pessoas que devem ter gratidão por estarem empregadas e por terem a chance de conviver com uma família de classe social alta. Isso, quando não os tratam como bens da família, sem permitir qualquer tipo de vida particular.

Tsy ity vehivavy namoaka lahatsoratra iray ity irery no manana fisainana tahaka izao, ka tsy ilaina ny manameloka na ny manombo azy amin'ny hazofijaliana. Misy hifandraisany akaiky tamin'ny fanandevozana fahiny ny asa an-trano ao Brezila. Araka ny filazan'ny mpanoratra, marobe ireo lehilahy sy vehivavy manasokajiy ireo mpiasa an-trano ho tahaka ny olona tokony hahay hankasitraka fa nahazo asa sy afaka miara-monina aminà fianakaviana avy amin'ny saranga ambony. Tsy lazaina intsony ireo mpiasa izay raisina ho toy ny fananan'ny fianakaviana, tsy manan-jo hanana fiainana manokana.

Nanampy toy izao ny Blogueiras Feministas raha mifantoka amin'ny olana momba ny mpitaiza zaza mandeha vakansy miaraka amin'ireo mpampiasany:

Trabalhadores que viajam a serviço recebem hora extra, diária para alimentação, transporte e não estão à serviço 24 horas por dia. Por que um trabalhador doméstico não estaria submetido as mesmas regras?

Mandray tambin-karama amin'ny ora fanampiny ireo mpiasa mandeha vakansy hiasa, mandray solon-tsakafo isan'andro, fitaterana fa tsy nahao hiasa 24 ora isan'andro. Nahoana no tsy apetraka ao  ambany lalàna mitovy ireo mpiasa an-trano?

Mifantoka momba ny andraikitry ny ray aman-dreny sy ny adihevitra manodidina ny “karama ambony” raisin'ireo mpiasa an-trano, Blogueiras Feministas nanoratra hoe:

Questiona-se não só o valor pago para babás e diaristas, um trabalho menosprezado, não intelectual e majoritariamente feminino, como também questiona-se a maneira que cada mulher exerce a sua maternidade. Como se “cuidar das crianças” fosse apenas sua responsabilidade e o companheiro não tivesse nenhuma participação nessa relação. Perdem patroas e empregadas. Perdem as mulheres como um todo, quando não entendemos que o exercício das funções internas e domésticas são responsabilidade de todos os membros da família, independente do gênero.

Mampanontany ny totalim-bola aloa amin'ireo mpitaiza zaza sy mpiasa an-trano – [tsy mitaky] masotsivana ny asa, tsy asa mampiasa saina ary asam-behivavy amin'ny ankapobeny – toy izany koa mampanontany ny andraikitra sahanin'ireo reny tsirairay. Raha andraikitry ny reny samirery ny ‘fitazaina sy fikolokolona ny zaza’ ka tsy manana andraikitra sahanina amin'izany ny lahy. Matiantoka [~ very] avokoa na ny mpampiasa na ny mpiasa. Very amin'izany koa ny ankamaroan'ireo vehivavy, satria tsy azontsika fa andraikitry ny ankohonana manontolo, tsy miankina amin'ny maha-lahy na vavy ny raharaha sy ny fikarakarana ny ao an-trano.

Ana Teresa Fernandez's sculptural instalation: "Carry On"

Asa-tànan'i Teresa Fernandez “Carry On”, nahazoana alalana avy aminy ny sary. “Amin'ny alalan'ity asa-tanana ity, [Ana Teresa] Fernandez naneho fanoharana momba ireo mpifindra-monina eo anivon'ny fiarahamonin-tsika izay mandray andraikitra mangina amin'ny fanatontosana asa henjana sy ny indostrian'ny fanadiovana”.

Taminà fanehoan-kevitra hafa, BiDê Brasil [pt], bilaogim-behivavy sady sosialista nanoratra hoe:

Como disse no começo do texto não acho ser possível uma mãe dar conta de ser mãe, trabalhar, estudar e – no meu caso – militar. Não dá para dar conta, é extenuante, mas uma coisa é você saber quais são os flancos importantes para dividir o bem estar da criança e outra é delegar completamente a criação dos filhos para outrém.

Tsy mino aho hoe vitan'ny reny ny ho reny, miasa, mianatra ary – amiko manokana – ny hisolovava. Tsy hisy hahazaka an'izany, mahatrotraka, saingy zava-dehibe ny mahafantatra ny mametraka ny sombim-piainanao azonao atolotra ho amin'izay hahasoa ny zanaka; zavatra iray hafa ihany koa ny mametraka manontolo ny fanabeazana ny zaza amin'olon-kafa.

Ary nilaza ihany koa izy fa misy ny adihevitra tsara resahina momba ny fanampiana ny vahoaka avy amin'ny fanjakana, tahaka ny toerana an-kalamanjana sy ny trano famakiam-boky. Ary adihevitra iray hafa mikasika ny ora fanampiny iasana sy ny fotoana malalaka mba hahafahan'ny lehilahy sy ny vehivavy hananana fotoana manokana ho azy ireo. Saingy tsy misy antony hanaovana ireo mpitaiza zaza ho toy ny fananana:

Mas isso não justifica tratar alguém que te ajude como se fosse um “item” da bagagem a se levar nas férias ou nas viagens.

Tsy manamarina ny fomba fitondranao olona izay manampy anao tahaka ny entana hoentina amin'ny vakansy na mitsangatsangana dia lavitra izany.

Nahatonga ny fanalana ny lahatsoratra ireo sy ny fanehoan-kevitra hafa, araka ny fanazavan'ity hafatra momba ny fanesorana ny lahatsoratra [pt] ity:

Prezados leitores, sentimos muito que o texto do post “Viagem Levando Babás” tenha ofendido tanta gente. O objetivo do nosso blog nunca foi ofender ninguém e, por causa disso, retiramos o post do ar. Considerando o feedback de todos, a partir de agora teremos mais cuidado com o conteúdo publicado no blog.

Ry namana mpamaky, miala tsiny indrindra izahay fa nahasafoaka olona marobe ny lahatsoratra “Viagem Levando Babás” (Mandeha Vakansy miaraka amin'ny mpitaiza zaza). Tsy ny handratra olona mihitsy no tanjon'ity bilaogy ity, ka noho izany, noesorinay ny lahatsoratra. Voairanay avokoa ireo fanamarihana avy amin'ny tsirairay, manomboka androany, hitandrina izahay mikasika ny votoaty avoakanay amin'ny bilaogy.

Classe Média Sofre [pt], pejy Tumblr iray izay “manentana ho amin'ny fandinihan-tena” amin'ny  alalan'ny tantaran'ny saranga antonony sy ny hafetsifetsena manokana ananan'ireo Breziliana, nandefa rohy tao amin'ilay lahatsoratra bilaogy izay niavian'ny adihevitra, saingy taty aoriana, namoaka tsikera manohitra ireo fanehoan-kevitra sasany :

mas é impressionante a facilidade com a qual pessoas que nem a conhecem já assumem imediatamente uma posição de superioridade moral e se arrogam o direito de fazer comentários fortíssimos que não se justificam (…)

saingy mahavariana ny mahita ny olona tsy mahafantatra [ilay mpanoratra bilaogy] no mihevi-tena ho ambony fitondra-tena avy hatrany ka manan-jo handefa tsikera mahery vaika tsy misy fanamarinana (…)

Mikapoka amin'ny “fonon-tanana velory”, hoy ny pejy iray ao amin'ny Tumblr nilaza:

 

jogar pedra na moça sem-noção que viaja com babás é a melhor maneira de não pensar na maneira como você trata seu porteiro.

Mitora-bato zazavavy tsy manan-tsiny mandeha vakansy miaraka amin'ireo mpitaiza zaza no fomba iray hanadinoina ny fomba fitondranao ny mpiandry ny tranonao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.