· Jolay, 2012

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Jolay, 2012

Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana

Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny  sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana,...

Ejipta: Tsy Mila Fandevenana Miaramila Ho An'i Omar Sulieman.

Maty i Omar Suleiman, praiminisitra lefitr'i Hosni Mubarak sady lehibe taloha tao amin'ny sampam-pitsikilovana tao Ejipta. Ny vaovao momba ny fahafatesany dia nitondra onjam-panehoan-kevitra maro teny anivon'ny tambajotra sosialin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.. Ao amin'ny Twitter, ny mponin'ny aterineto avy amin'ny tontlo Arabo dia tsy nahita loatra zava-toa mba hitomaniana ny fahalasanany.

Ejipta: Lahatsary Fanadihadiana Mpanao Gazety Tao Anatin'ny Revolisiona Atao Fitetezam-Paritra Any Etazonia

Tenin'ny nanatri-maso (Words of Witness), mitety faritra ao Etazonia ilay “lahatsary fanadihadiana” momba ilay tovovavy mpanao gazety nitatitra mikasika ny revolisiona Ejipsiana. Nandeha voalohany tao amin'ny fetiben'ny sarimihetsika ao Kalifornia sy New York, avy eo amin'ny alalan'ny fitia tsy mba hetran'ny besinimaro anantenany hanangonam-bola no ahafahany mitety oniversite mba hizara...

Ejypta: Manoro Hevitra Ireo Syriana Ny Ejypsiana

Mizara toro-hevitra amin'ireo Syriana ny Ejypsiana -ao amin'ny Twitter. Amin'ny alalan'ny tenifototra manokana, sy torohevitra manomboka amin'ny hoe “aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy” ka hatramin'ny “mandraisa torohevitra avy amin’ olo-kafa.” Taorian'ny vaovao nitranga tao Damaskosy androany atoandro no anton'izany,vaovao mikasika ny nahafatesan'ireo mpikambana ambony telo ao amin'ny presidanza...

Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar

Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny  fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad. Arwa Damon avy ao amin'ny CNN nitatitra toy izao: @arwaCNN: nilaza ny tafika ao ‪#syria‬ fa fitaovana napetraka tao anatin'ny efi-pivoriana ilay zavatra nipoaka...

Yemen: Ela Ny Ela, ao Sanaa ny TEDx !

Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. Marobe ireo Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar