Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. “Ny fandaharanasa TEDx dia natao mba hanomzeana ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary ny isam-batan'olona fahafahana mifampiresaka amin'ny alalan'ireo traikefa miendrika TED eo an-toerana ihany,” hoy ny filazan'ilay fandaharan'asa. Noho izany, marobe ireo Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.
Ity lahatsary nakarina ao amin'ny TedxTalks ity dia manazava amin'ny teny fohifohy nefa mafonja ny rehetra mikasika ny Tedx.
Indreto misy fanehoan-kevitry ny Yemeni tao amin'ny Twitter:
@Dhman_1: Ela ny ela #TEDxSanaa #Yemen SoOn ^__^ https://www.facebook.com/pages/TEDxSana
@Ghatis: efa niteny foana ahofa hoe ny tsy faharaisam-baovao dia vaovao tsara, indrindra tamin'ny taona lasa manokana, saingy ela ny ela naheno zavatra tsara momba an'i #Yemen #TEDxSanaa aho
@Afrahnasser: Iray amin'ireo “hevitra malaza indrindra mikasika hetsika mila aparitaka” manerana izao tontolo izao no mitranga ao #Yemen – #TedxSanaa ao amin'ny http://instagr.am/p/NCTUOWKDE5/
@Sarah_Sanaa: Antony mampientanentana ahy mikasika ny #TEDxSanaa dia làlana goavana iray io ahafahana miady amin'ireo ideolojian'ny tafahoatra, amin'ny alàlan'ny sehatry ny fahalalàna monja ihany #Yemen
@A4Mai: hatao ao Sanaa ny voalohany amin'ny Tedx @tedxsanaa mba hanasongadinana ireo hevitra mitondra fiovàna sy ireo mpandraharaha. Mandraisa anjara mba hampiranty ireo hevitra goavana any aminao.
@WomanfromYemen: Tohano ny @tedxsanaa amin'ny fanolorana hevitra hakàna aingam-panahy, fisaina & tohana. #Yemen #tedxsanaa
@tedxsanaa: Nanomboka ny isa miverina ho an'ny fanomanana ny kaonferana voalohany #TedxSanaa ao #Yemen. Tsidiho ny pejinay ao amin'ny Facebook http://on.fb.me/LVv2AX
Raha mila fanavaozam-baovao misimisy kokoa dia azona arahana ny TEDxSanaa ao amin'ny Twitter ary amin'ity tenifototra ity #TedxSanaa ary araho ny pejy Facebookn-dry zareo.