Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana, sy handrava ny fahanginanan'ny fampahalalam-baovao manoloana izany toe-javatra izany ary hamporisika ireo tompon'andraiki-panjakana handray ny andraikitriny.
Iharan'ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana ireo olona ireo kanefa efa nitolona ho amin'ny fitovian-jo amin'ny maha-olom-pirenena azy mba ahafahany mampiasa ny fahaiza-manaony manokana. Mampisongadina ny fahafahana (mivezivezy malalaka amin'ny tontolo tiana idirana), ny fitovian-jo eo amin'ny fampianarana, ny asa, ny trano fonenana, sy ny fitsaharan'ny herisetra sy fihantsiana isan-karazana ny fanentanana izay matetika mora mihatra amin'izy ireo.
Twitter no fitaovana voalohany nampiasaina mba handrenesana ny feon'izy ireo. Angatahana ireo mpiserasera mampiasa izany tambazotra sosialy (twiter) izany mba hanaisotra ny sariny ary hanolo izany amin'ny tenifototra hoe #للمعوق_حقوق, na koa hoe “ Manana ny zony ny olona sembana“, mba hanairana ny sain'ny maro amin'izany izany. Nanohana izany fanentanana izany ny mpiserasera marobe avy amin'ny tontolo Arabo.
Safar Al Hogbani, sembana mpilalao basket-ball aminà ekipa iray, nanoratra ity tweet ity:
Nitantara ny niainany manokana i Sumaya Al Ghamadi :
manameloka ny fiarah-monina i @jessica_2090 :
Manampy i Abo Khaled :
Mitaky ny zony [sembana] ara-drariny ihany koa ny mpisera Twitter hafa. Toy izany ny Dr ott.ssa Sohair Abdel Hafeez izay nilaza fa vehivavy, renina zazalahy dimy izay tsy mandre ny roa, dia nahavita ny fianarany teny amin'ny anjerimanontolo. Nandritra ny nahavoafidy ny filoha Mohamed Morsi, nametraka izao fitakiana manaraka izao tamin'ny ekipany ravehivavy .
Mpiserasera fanta-daza i Mohamed Abu Taleb, olona tsy mahita mampianatra ny fampiasaina solosaina amin'olona manana olana eo amin'ny fahitana. Toy izao ny nosoratany :
@love_life2012: على الرغم من أن بداية الإستقلالية التامة بي كانت كفيلة لتجعل مني شخص حبيس بيته لكن لم أرضى هذا على نفسي مطلقا #إعاقة #كفيف
Randa Aboeldahab, bilaogera hafa no miaina amin'ny fahasembanana rehefa tapaka ny ranjony iray,toy izao no nosoratany mikasika ny zava-iainany manoloana ny herisetra mihatra amin'ny sembana:
اغرب حالات التحرش بالنسبة دايما كانت التحرش بالعربية ، يعني المتحرش كان بيستعمل عربيته كأداة تحرش وكنت فاكرة اني انا لوحدي اللي بيتعمل فيه كدا ، اكتر واقعة مش ممكن انساها لما مرة كنت بعدي الشارع وكان في عربية راكنة ادام ، بعدي من ادامها لاقيت السواق طالع خطوة وخابطني قلت اكيد مش قاصد ، رجعت اعدي من وراه راح راجع خطوة لورا، قلت اكيد مش قاصد، وثانية راح رامي جملة من اياهم ، لاقيت نفسي بمسك العكاز اللي ف ايدي وبخبط به اول فانوس في العربية ، قال جملة تانية مصحوبة بشتيمة روحت نازلة ع الفانوس التاني وهكذا لحد ما اتهمني بأني مجنونة ، مردتش غير بضربة قوية من عصايتي في نص الباب الشمال وروحت ماشية
Nosimbaiko tamin'ny tehiko ny jiro iray. Nompainy indray aho, novakiako ny jiro faharoa. Nolazainiy ho adala aho, novelesiko ny varavarana iray an'ny fiara dia lasa aho…
Hita amin'ny aterineto ireo fijoroana vavolombelona marobe mitovy izany tranga izany, indrindra ao amin'ny kaonty I Am Not Disabled (tsy sembana aho) sy ao amin'ny tranokala Voice of The Disabled ( Ny Feon'ny Sembana), sy ireo sehatra fampahalalam-baovao ampiasaina hampitàna ny feon'ireo sembana.