Maty i Omar Suleiman, praiminisitra lefitr'i Hosni Mubarak sady lehibe taloha tao amin'ny sampam-pitsikilovana tao Ejipta. Ny vaovao momba ny fahafatesany dia nitondra onjam-panehoan-kevitra maro teny anivon'ny tambajotra sosialin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.
Rangahy io, izay isan'ny nihazakazaka tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tao Ejipta dia tsy afa-nirotsaka noho ny tsy nahavitany nanangona ny fetran-tsonia notakiana ho amin'ny firotsahany, dia nodimandry tany Cleveland, Etazonia, nandritra ny fanaovany fanaraha-maso ara-pahasalamana.
Ao amin'ny Twitter, ny mponin'ny aterineto avy amin'ny tontlo Arabo dia tsy nahita loatra zava-toa mba hitomaniana ny fahalasanany.
Samar Dahmash Jarrah mibitsika hoe [ar]:
Deena Adel manamarika hoe:
@deena_adel: Tomponandraikitra tamin'ny tranganà habibiana & fanitsakitsahana zon'olombelona tsy tambo ho isaina i Omar Suleiman. Tsy mampihetsi-po ahy akory ny fahafatesany, nefatsy hifaly amin'izany koa aho.
Sara Salem dia mampitaha an'i Suleiman amin'ny olon-tsotra Ejiptian rehetra :
@SaraMSalem: Maty i Omar Suleiman rehefa nahazo ny fizahana ara-pitsaboana tany Cleveland. Ny ankamaroan'ny Ejiptiana tsy afaka akory na dia ny hamonjy any amin'ireo toeram-pitsaboana tsizarizary natao ho an'ny daholobe aza.
Mandritra izany, Medhat Rali manontany tena hoe [ar]:
Wael Abbas, Ejiptiana bilaogera ela nihetezana sia nanomboka ny tenifototra #لا_لجنازة_عسكرية_لعمر_سليمان tao amin'ny Twitter amin'ny teny Arabo izay midika hoe Tsy Mila Fandevenana Miaramila Ho An'i Omar Sulieman.
Feedo Ahmed mamaly hoe :
#لا_لجنازة_عسكرية_لعمر_سليمان لو عملوها نجيب رقصات من شارع الهرم وشوية طبل علي كام واحد من فرقة حسب الله ونزيط بقي في الجنازة
@feedoahmed: Raha manao izany ry zareo ka manao fandevenana miaramila, isika kosa hitondra mpampandihy kibo sy mpively amponga ka hanao izay tsy hampanjary ny fandevenan-dry zareo
Ramy Bakazaboka manampy hoe :
@ramy_bakazaboka: Tsy misy dikany ny amin'io. Avelao ry zareo hanao ny fandevenany izay hoatrehan'ireo mpanimbin-kena namany ihany hitomany ny fahalasanan'ny lehiben'ny vanim-potoanan'ny famaliana faty.
Ary Ahmed Sabry mamintina hoe :