· Marsa, 2011

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Marsa, 2011

Syria: Mitohy Miha-Mahazo Vahana ny Hetsi-Panoherana

Ny Alatsinainy 21 Martsa 2011. mitohy ny hetsi-panoherana ao Daraa, any atsimon'i Syria, izay isian'ny tatitra milaza fa mpanao fihetsiketsehana dimy no maty omaly ary iray hafa androany.. Raha ny tati-baovao milaza fa nandoro tranom-panjakana avy eo ireo mpanohitra, ny mponin'ny aterineto sy ireo mafàna fo kosa manamafy fa ny tafi-panjakana no nandoro ireny trano ireny. Mandritra izany, maro ireo ao amin'ny Twitter no manamafy fa i Daraa no mety ho ny Sidi Bouzid an'ny Toniziana.

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.

Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka

Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.

Bahrain : Tsy hita i Ali Abdulemam

GV Mpisolovava  19 Marsa 2011

Vao avy nandray vaovao mampalahelo avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona Bahrainita izahay fa: tsy hita i Ali  namanay sy mpiara-miasa aminay. Ali Abdulemam, bilaogera fitaratra sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy, dia nogadraina ny 4 septambre 2010, ary noafahana ny 23 febroary 2011, rehefa nanome baiko hanafahana ireo andiana gadra...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar