‘Lobster gate’ ao Tiorkia, miteraka resabe momba ny tsy fitoviana ara-toekarena

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Marobe ireo “gates” teo amin'ny tantaran'ny vaovao erantany, fa mbola tsy nisy ny “lobster gate.” Farafaharatsiny, raha tsy  tamin'ity herinandro ity, ireo mpikambana avy amin'ny antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondràna ao Tiorkia no tafalatsaka ao anatina tantara ratsy momba ny ‘orana’ (oran-dranomasina).

Raha miharatsy ny krizy vokatry ny fidangan'ny vidim-piainana ao Tiorkia, Rtoa Şebnem Bursalı, depiote avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna kosa, tafiditra anatin'ny fanakianana avy amin'ny vahoaka rehefa namoaka sarina ‘orana’ (lobster) nohaniny nandritra ny fitsidihany tany Monaco. Tao amin'ny media sôsialy, mpikambana iray hafa ao amin'ny antoko, Salih Kahraman, no nizara ihany koa sary iray ahitàna azy mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany miaraka amina lovia misy ‘orana’ eo afovoan'ny latabatra.

Ny filoha Recep Tayyip Erdoğan, raha niteny nandritra ny fivoriana iray nataon'ny antoko, dia niteny ho setrin'izany:  “Tsy afaka ny hampiseho tsy fanarahana fitsipika isika ao anatin'ity hetsika ity,” raha miteny momba ireo mpikambana ao anatin'ny antoko. “Tsy afaka mihitsy hisy fisarahan'ny soatoavin'ny firenena sy ny fandaharanasan'ny firenena ,” hoy ny filoha nanampy. Taorian'ireny ranty ireny, nampangaina ho mihamanalavitra ny vahoaka hatrany ny antoko ary miaina anaty fanaranam-po, raha ny olontsotra kosa miatrika fahantrana tsy mitsaha-mitombo. Vetivety dia niparitaka tao amin'ny media sôsialy ireo ‘memes’, ka ny  sarina ‘orana’ no nasolo ilay takamoa malaza ratsy eo amin'ny fango ôfisialin'ny antoko.

Sosokevitra vaovao avy amiko ho atao fangon'ny AKP pic.twitter.com/CQqGqm39Vy

Fandehandehanana tany Monaco

Rehefa nomen'ny vahoaka henatra noho ny ranty nalefany teny anaty tambajotra sôsialy, nilaza tao anaty bitsika iray i Bursali fa miala tsiny ary ilay sary dia avy amin'ny fialantsasatra niarahany tamin'ny ankohonany. “Amin'ny maha-mpanao gazety ahy nandritra ny 30 taona ary solombavambahoaka ankehitriny, miala tsiny eo anatrehan'ny vahoaka aho noho iny hadisoana vitako iny, izay tsy ho nataoko velively ho any anatin'ireo rantiko amin'ny tambajotra sôsialy. Tena malahelo aho hoe ny antoko misy ahy, izay voninahitra ho ahy ny maha-mpikambana ao anatiny, sy ny filohantsika, izay voninahitra ho ahy ny manaraka ny diany isaky ny mihetsika, no lasa lasibatra noho iny antony iny.” Fa notefotefohan'i Bursali ihany koa ny mpanakiana, nampangainy ho manandrana manova ny fandaharam-baovao.

Ny lisitra sakafo ao amin'ilay Yacht Club ao Monaco, toerana nanapihany ilay sary, dia manasongadina lovia iray misy ‘orana’ 250gr misanda 72 EUR. Raha avadika ho Lira Tiorka (TRY) io, ny 72 EUR dia manodidina ny 2.500 TRY. Ao Tiorkia, mety hovidiana avo roa heny amin'io ny fanafarana orana any amin'ny trano fisakafoanana iray, raha tsy avo telo heny mihitsy aza.

Na ilay trano fisakafoanana fotsiny aza dia voatokana ho an'ireo mpikambana ao amin'ilay Yacht Club na ireo vahiny nasain-dry zareo. Manana mpikambana eo amin'ny 2.500 eo ho eo ilay Club, avy amina firenena 81, raha ny voalazan'ny tranonkalan’ilay Club. Somary henjankenjana ihany ny fidirana ho mpikambana ao aminy ary mitaky fanolorana ataona “sponsors” roa izay tsy maintsy efa mpikambana ao  amin'ny Club. Ny Printsy Albert II, filohan'ilay Club no manome fankatoavana ho an'ireo mpikambana vaovao.

Tsy nanazava izay nahatonga azy ho tao amin'ilay Club malaza i Bursali.

Ary eo ihany koa i Bahadır Yenişehirlioğlu, mpikambana iray hafa ao amin'ny parlemantera sy solontenan'ny AKP, izay nizara selfie iray tao amin'ny media sôsialy miaraka amina famantaranora Rolex iray eny amin'ny hato-tànany. Taorian'ny naharaisany hafatra miiba teo amin'ilay ranty, nofàfan'i Yenişehirlioğlu ilay hafatra nalefany.

Betsaka tamin'ireo kiana no tsy voatery ho nafantoka tamin'ny hoe manao fomba fiaina mirobaroba, mihinana orana ary mitondra famantaranora lafovidy ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta, fa ny hoe io fomba fiaina io dia tsy tokony nozaraina velively teny anaty tambajotra satria ny vahoaka miharitra mafy ny fijaliana ara-bola sy fahantràna.

Tao anatin'ny fandaharany, ilay mpanentana anaty TV sady mpanao gazety, Fatih Portakal, nilaza fa, “Tsy iasàko saina na hanana Rolex an-jatony aza ianareo, afaka mihinana orana an-taoniny maro, volanareo izany, azonareo laniana any amin'izay tianareo. Fa ny tena manahiran-tsaina dia ity sary omenareo ny vahoaka ity.”

Miady mafy amin'ny krizy ara-toekarena tsy misy farany i Tiorkia, ka ao anatin'izany dia very lanja 40% ny volany hatramin'ny taona lasa ary mihoatra ny 80% tato anatin'ny dimy taona farany. Ny toerana misy ny toekarena dia mitàna toerana iray ao anatin'ny fifidianana ifotony izay nandresen'ny avy amin'ny mpanohitra (antokom-bahoaka repoblikàna) ny antoko eo amin'ny fitondràna.

Tamin'ny Martsa, mialoha ireo fifidianana ifotony, nakarin'ny Banky Foibe ny zanabola ho 50%, mba hanamarinan-toerana ny TRY manoloana ny fidangan'ny vidim-piainana tsy mitsahatra mitombo. Tamin'ny Aprily, Fatih Karahan, governoran'ny Banky Foibe, dia nampanantena fa hanohy hàka ny rehetra fepetra ilaina mba hitazonana ny fidangan'ny vidim-piainana izay tombanana hihoatra ny 70% amin'ny May ho avy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.