
Ilay palmie Talipot mamony ao amin'ny Royal Botanic Gardens ao amin'ny Seranan'i Espaina, Trinidad, 15 Aprily 2024. Saripika an'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alàlana
Ao amin'ny ilany atsimo amin'ny Royal Botanic Gardens ao amin'ny Seranan'i Espaina, Trinidad, mamelana ny palmie iray — saingy tsy hazo mahazatra tsotra fotsiny izany. Palmie Talipot (Corypha umbraculifera) io mamelana io, fantatra amin'ny fanànany ny voninkazo lehibe indrindra erantany. Fitambarana voninkazo lehibe kokoa amin'ny taho iray izay tsy ho hitanao mandrakizay.
Mpiavy avy any amin'ny faritra atsinanana sy atsimon'i India ary koa Sri-Lanka, antsoina ihany koa izy io hoe Palmie-n'ny Taonjato. Araka izay dia misy ny fihevitra diso hoe in-dray ihany isaky ny zato taona izy no mamelana; nefa afaka mamony izy rehefa mahatratra ny maha-matoy azy, amin'ny ankapobeny dia eo anelanelan'ny faha-25 sy faha-80 taonany. Rehefa avy mamelana izy dia mila herintaona eo vao masaka ireo voankazo mavo-maintso madinika boribory avy amin'izany, izay mivoaka an'arivony maro, ary misy voany tokana tsirairay avy. Satria ilay hazo dia irony karazany mônôkarpika irony, dia in-dray ihany no misy io tranga io ary dia maty ilay hazo rehefa avy manome voankazo.
Tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny Trinidad and Tobago Newsday, Dr. Linton Arneaud, profesora mampianatra ny siansan'ny zavamaniry ao amin'ny University of the West Indies (UWI) sady filoha lefitry ny Trinidad and Tobago Field Naturalists’ Club, nanazava ny niavian'ny anaran'ireo karazana palmie: “Corypha midika tendro. Umbraculifera midika elo […] araka izany dia azo eritreretina fa noho ilay voninkazony eny amin'ny tendrony no nakàna ny anarana, ary ireo sampan-draviny miendrika elo.”
Kanefa, ho an'ireo teratany avy ao Trinidad & Tobago efa zatra ny famirapiratry ny karnivaly, ilay fetibe nasiônaly ao amin'ny firenena, io endrika fiforonana io dia azo ampitahaina tsotra fotsiny amin'ny fomba fampivondrona ireo volom-borona hatao eny an-tampon-dohan'ireo fitafy.

Voninkazo eny an-tendron”ny palmie Talipot ao amin'ny Royal Botanic Gardens ao an-Seranan'i Espaina, Trinidad, 15 Aprily 2024. Saripikan'i Janine Mendes-Franco, fampiasàna nahazoana alàlana.
Izy io dia iray amin'ireo kazarana palmie “exotiques” miisa 72 voatanisa amin'ny antsipirihany ao anatin'ilay famoahan'ny Field Naturalists’ Club. Ao Azia, mahazatra ny mahita ilay hazo ampiasaina hanamboarana vatan-kazo, tafo bozaka, ary hatramin'ny bokotra izay vokarina avy amin'ny alàlan'ireo voa. Misy finoana ihany koa hoe ny raviny — antsoina hoe “olas” — dia nampiasaina tany aloha tany hoe toy ny fanoratàna ambony ravina palmie tany anatin'ny sasantsasany tamin'ireo kolontsaina tao Azia Atsimo-Atsinanana. Voalaza fa teo ambonina olas ilay Sanskrit malaza “Ramayana” no nosoratana.
Na ilay palmie vita sokitra ao amin'ny Botanic Gardens aza dia tsy ny hany tokana ao amin'ny firenena — misy iray hafa manaraka ny lalantsara andrefana-atsinanana manakaiky ny toeram-ponenan'ny mpianatry ny UWI ao St. Augustine, ary vitsivitsy any atsimon'ny nosy — io angamba no ambony indrindra, noho ny toerana misy azy sy ny habetsaky ny fivezivezena fiara sy an-tongotra isanandro manodidina ilay Queen's Park Savannah eo akaiky eo.
Afaka hita any amin'ireo nosy hafa ao Karaiba ihany koa ny Talipot, isan'izany ny ao amin'ny Hope Gardens ao Jamaika, saingy mazava hoazy fa misy fientanentanana goavana manodidina ny famelànany ao Trinidad.
Ilay ela nihetezana tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana, Ian Lambie, nanoratra tao amin'ny Facebook, “Tena faly tokoa aho nandre hoe namelana ilay palmie Talipot ao amin'ny Botanical Gardens ao amin'ny Seranan'i Espaina. Iriko raha mba angonin'ny Sampana misahana ny Voly ao anivon'ny Ministeran'ny Fambolena ireo voa matoy avy amin'ny hazo Palmie Talipot maniry ao Trinidad sy ao Tobago, ka tsinjaraina ho ampitsiriana any amin'ireo toeram-pambolena samihafa tantanin'ny fanjakàna, sy any amin'ireo tsy miankina voafantina ho mpamokatra zanakazo ary ao amin'ny Departemanta momba ny Zavamaniry ao amin'ny UWI mba hiantohana fa hanana hazo palmie Talipot marobe hamelana isika amin'ny hoavy. […] Tsara raha mba mamboly hazo palmie Talipot vitsivitsy ny bôtanista tanora iray ka manara-maso ny fitomboan'ireo hazo azo avy amin'izany mandra-pahatongany ho matoy sy mamelana.”
Olona marobe no nirohotra nankany amin'ny Botanic Gardens mba ho ny mason'izy ireo mihitsy no hijery ilay fahitàna be voninahitra, isan'ireny i Jennifer Alcazar-Dolsingh, izay tohina ny fony nahita maso ilay antsoiny hoe “ny Hoorah Farany” ho an'ilay palmie; Rachel Lee Young, izay nanapika sary iray goavana; sy Steven Valdez, izay nanosoka ny hoe “fotoana iray tsy manampaharoa sy fanararaotra, tsy azo lalovam-potsiny izao!”
Raha toa fotsiny ka tsy afaka ny ho any ianao, ity no fomba tsara indrindra azo atao: