Tantara mikasika ny Yemen
Tsy Hita Nandritra Ny 150 Andro Ilay Bilaogera Yemenita Mpiaro Ny Zon'olombelona, Hisham Al-Omeisy
Talohan'ny nitazonana azy, niresaka momba ny fifandonana nitranga tany Yemen nibaribary i Hisham Al-Omeisy.
Tontolo Arabo: Saribakoly Manao Saron-doha Voahenjika Tao Tonizia
Saribakoly Barbie amin'ny endriny Silamo Arabo i Fulla. Misaron-doha izy ary tena fitafy nentim-paharazana Silamo no itafiany. Tsy faly noho izany anefa ny bilaogera Ejiptiana Ahmed Shokeir ka nanenjika fatratra sy nanaisotra ity saribakoly ity teny amin'ireo toeram-pivarotana.
Mpanao Gazety Antserasera Yemenita Nandefa Antso Fiarovana Maika Taorian'ny Fandrahonana Azy Ho Faty sy Ny Fijirihana Ny Tranonkalany
Mohamed Al-Jabali, tonian-dahatsoratry ny tranonkala Akhbaralasr no niharam-boina farany tamin'ny onjam-pandrahonana mikendry ireo bilaogera sy mpanao gazety antserasera ao Yemen. Tamin'ny fanambarana natao omaly, niantso fiarovana i Al-Jabali rehefa nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ireo mpitandro ny filaminan'ny fitondrana
Voalaza Fa Nobahanana Ny WhatsApp Tao Yemen, “Olana Ara-teknika” Hoy Ireo Mpandraharaha Finday.
Nitosaka ny fanivànana vontoaty an-tserasera tao Yemen hatramin'ny nanombohan'ny ady ifanaovana'ny Houthi mpihoko sy ny tafika tsy mivadika amin'ny filoha Abdrabbuh Mansour Hadi.
Fanafihana An-habakabaka Nataon'ny Vondron-kery Tarihan'i Arabia Saodita, Namono Farafahakeliny Olona 140 tany Yemen, Nandratra An-jatony Mahery
Fanafihana an-habakabaka nataon'ny vondron-kery tarihan' i Arabia Saodita, nikendry fiandrasam-paty ary namela olona maty farafahakeliny 140, mahatonga io ho fandripahana tokana lehibe indrindra hatramin'ny nanombohan'ny ady an-tranon'i Yemen ny taona 2015.
Mihamafy Ilay ‘Ady Adino’ ao Yémen Taorian'ny Fanafihana An'habakabaka Notarihan'i Saodiana Tany Al Hudaydah
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namely ny tanànan'ny seranan-tsambo izay havokavok'i Yémen ao Al Hudaydah ireo daroka an'habakabaka tarihan'i Arabia, namono olona fara-fahakeliny 30.
Zazavavikely Iray 10 Taona Mandresy Lahatra ireo Hery Tandrefana Momba Ny Fandriampahalemana Ao Yemen
Ankizy avokoa ny ampaha-efatr'ireo sivily maty tamin'ny ady tao Yemen.
Tian'ilay Tovolahy Yemenita Hahafantatra Ny Fomba Nanovan'ny Ady Ny Fiainany Ianao
"Ho an'ny mpiara-dia amin'ny Saodiana ny hafatro: Miangavy aho, atsaharo ny famonoana olona. Manan-janaka izahay. Olombelona tahaka anareo izahay. Tsy kilalao izao."
Takaro Ny Fizakàmanana Ao Amin'ny Tontolo Arabo
Tsy tokony hanitatra ny halavan'ny fepotoanan'ny zon'ny mpamorona ireo firenena Arabo nefa tsy handinika akory izay ho fiantraikany mety hisy amin'ny fahafahan'ny fiarahamonina miditra amin'ny fahalalàna sy ny kolontsaina
A-WA Hoy i Israely — ‘Eny!’ — Ho An'ireo Mpirahavavy Yemenita Mihira
Tsy vao ela akory, ireo Jiosy avy any amin'ny firenena Arabo monina any Isiraely - antsoina hoe Mizrahim - no jerena ho toy ny saranga amin'ny antanan-tohatra faharoa. Fa ankehitriny, "lasa mahafinaritra ny maha-Mizrahi ."