· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Oktobra, 2011

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

  27 Oktobra 2011

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana

Yemen: Azizah Abdo Othman, Vehivavy Voalohany Maritioran'i Yemen

  18 Oktobra 2011

Maherin'ny 30 ireo olona mpitolona manohitra ny fitondràna no maty tany Yemen tamin'ny Sabotsy sy omaly, anisan'izany ny vehivavy maritiora voalohany tany an-toerana Aziza Abdo, izay maty voatifitry ny mpitifitra nandritry ny tolona tany Taiz. Maneho hevitra manoloana izany loza izany ireo Yemenita mpampiasa aterineto.

Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera

  10 Oktobra 2011

Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampihaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.. Noon Arabia dia manolotra haja manokana ho an'ireo vehivavy Yemenita ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Yemen: Arahabaina i Tawakkol Karman

Fitantarana manokana mikasika ny Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra avoakanay ity. Nisesisesy ny fiarahabana avy eny rehetra eny hatramin'ny nanambarana ny anaran'ny olona nahazo ny Loka Nobel ny Fandriampahalemana amin'ity taona ity izay efa niandrasana hatry ny ela. Mpanao gazety Yemenita sady mpitolona i Tawakkol Karman, manampy ny Filoha...

Yemen: Mankalaza an'i Tawakkol Karman

  08 Oktobra 2011

Tawakkol Karman, mpanao gazety tso-po sady mpitolona momba ny zon'olombelona, voalaza ao amin'ny Guardian ho "tsilo manembatsembana an'i [filoha Yemeni Ali Abdullah] Saleh", dia nahazo androany ny "loka nobel" fandriampahalemana voalohany avy any Yemen. Ohatra voalohany amin'ny herim-po sy herin-tsaina izy tany Yemen nanomboka tamin'ny taona 2007.

Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen

  03 Oktobra 2011

Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta