· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Novambra, 2012

Yemen: Fanafihana Nandritra Ny Ashoura Tao Sanaa

  26 Novambra 2012

Ny 24 Novambra no andron'ny Ashoura, ary io no andro iray izay sady ankalazain'ny sekta Shiita sy Sionita ao anatin'ny tontolo Miozolmana manerantany. Kanefa, ao Yemen, andro nahitan-doza izy io satria olona efatra no maty ary ampolony no naratra taminà fipoahana iray izay nikendrena Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura tao Sanaa renivohitra. Io no fandarohana baomba voalohany indrindra namelezana sekta nitranga tao Sanaa, fivoaran-draharaha mampiahiahy miaraka amin'ny tanjona mazava handrehitra ady ao amin'ny samy sekta ao Yemen

Sarina Tanàna Haolo Jiosy Yemenita

  11 Novambra 2012

Bilaogera Yemenita Rooj Alwazir (@Rooj129) nizara sary mahavariana nandritra ny fivahiniany tao amin'ny tanàna haolo Jiosy, Beit Baws, izay miorina ambonin'ny tendrombohitra vatolampy, 15 minitra miala ao Sanaa. Tamin'ny diaporama, Alwazir nampiseho sary nandritra ny fitsangatsanganany. Misisika ao anaty fiara fitateram-bahoaka fotsifotsy, nanapa-kevitra ny efatra ambinifolo taminay fa handeha hiaraka hitsangatsangana ary...

Nanafika An'i Yemen Ireo ‘Drones’ Amerikana Andro Iray Taorian'ny Nandresen'i Obama

  08 Novambra 2012

Tsy ampy 24 ora akory taorian'ny fahalanian'i Obama ho Filoham-pirenena, nivoaka ireo vaovao mikasika ny fanafihana vaovao indray nataonà 'drone' tany Yemen. Tany amin'ny vohitr'i al-Sarin any Sanhan no nitrangan'io fanafihana io ka namono an'i Adnan al-Qadhi, Rabeaa Lahib sy Radwan al-Hashdhi, ary nandratra hafa, isan'izany ny ankizilahy iray. Nefa, tsy mitovy amin'ireo teo aloha ity fanafihana ity satria latsaky ny 40km miala ny renivohitr'i Sanaa i Sanhan Sanaa ary tanindrazan'ilay filoham-pirenena teo aloha, Ali Abdulla Saleh. Mpampiasa aterineto Yemenita maro no taitra sy ontsa.