Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Avrily, 2015
Ankizy 115 Farafahakeliny No Namoy ny Ainy Vokatry Ny Ady Ao Yemen
Ankizy 115 farafahakeliny no namoy ny ainy ary 172 kilemaina vokatry ny ady ao Yemen nanomboka tamin'ny 26 Martsa, araka ny tatitry ny UNICEF. Mbola mety hiakatra izany isa izany.
‘Mandeha Manavatsava Ny Fahafatesana Izahay,’ Hoy Ny Sioka Avy Amin'ny Bilaogera Yemenita Amin'ny Ady Ao Amin'ny Firenena.
Tombanan'ny Firenena Mikambana ho 150.000 eo ho eo ireo olona nafindra toerana, ary nitatitra ny Fikambanana Manerantany hoan'ny Fahasalamana izay nilaza ny loharanom-baovaon'ny Ministeran'ny Fahasalamana Yemenita fa olona 767 no namoy ny ainy ary maherin'ny 2.900 ireo naratra tao anatin'ny iray volana.
Arabia Saodita : Mifarana Ny Fanafihana An'Habakabaka Ao Yemen
Nanambara i Arabia Saodita androany fa natsahany ny fanafihana an'habakabaka nataony tao Yemen, taorian'ny "nahatratrarany ny tanjony ara-tafika." Nanomboka nanisa ireo mpisera ety anaty aterineto ary mitohy midoboka ny baomba
Manafaingana Ny Famonjena Ireo Olom-pirenena Tajik Avy Ao Yemen Ve Ny Lahatsoratra Amin'ny Facebook?
"Iza no hamonjy anay? Monina ao Yemen, miasa toy ny dokotera izahay, maherin'ny 300 izahay, 400 raha isaina koa ny ankizy." hoy i Shahnoza Gadoeva, mpitsabo Tajik miasa ao Yemen nitady vonjy tamin'ny alalan'ny lahatsoratra Facebook.
Minisitry Ny Emira Arabo Mitambatra Miteny Amin'i Pakistana: “Mila Maka Safidy Mazava Ianareo Mikasika Ny Ady Ao Yemen, Raha Tsy Izany…”
Mety hovidian'i Pakistana lafo ny fijoroany "mifanipaka sy manjavozavo" momba ny ady tarihan'i Arabia Saodita ao Yemen, hoy ny minisitra iray aoamin'ny Emirà Arabo Mitambatra, tao amin'ny Twitter.
Yemen, Vietnam-an'i Ejipta Fanindroany indray ve ?
Tamin'ny ady an-tranon'i Yemen Avaratra tamin'ny 1960, dia nifandrafy tamin'i Arabia Saodita ny vondro-tafika ejipsiana.
Yemen Faritra Tsy Azo Isidinana : Yemenita An'arivony No Mihitsoka Any Ivelany
Noho ny mahafaritra tsy azo isidinana an'i Yemen, Yemenita an'arivony no tafahitsoka ary tsy afaka mody an-tanindrazana sady tafahitsoka ao amin'ireo seranam-piaramanidina manerana izao tontolo izao ihany koa.