Tsy Hita Nandritra Ny 150 Andro Ilay Bilaogera Yemenita Mpiaro Ny Zon'olombelona, ​​Hisham Al-Omeisy

Hisham al-Omeisy. Sary natolotry ny fianakaviany ho an'ny GCHR. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Khalid Ibrahim , tale mpanatanteraka ao amin'ny Foiben'ny Helodrano ho an'ny Zon'Olombelona , fikambanana tsy miankina iray tsy mitady tombontsoa izay mampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana, ny fikambanana ary ny fivoriana am-pilaminana any amin'ny faritry ny Helodrano sy ny firenena mpifanolo-bodirindrina aminy.

Efa 150 andro izay ilay mpandinika ara-politika Yemenita, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera Hisham Al-Omeisy no notazonin'ny mpikomy Houthi.

Tamin'ny 2 ora sy 45 minitra tolakandro teo ho eo tamin'ny 14 Aogositra 2017 dia nisy  vondron'ny mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Biraon'ny Fiarovam-pirenena  (NSB) izay tantanan'ny Houthi no nisambotra an'i Hisham Al-Omeisy tao amin'ny manodidina an'i Jawlat al-Misbahi an-drenivohitra Sana'a.

Araka ny filazan'ny mpanao gazety tao an-toerana,  nosamborina noho ny fifanakalozana mailaka tamin'ny teny Anglisy niaraka tamin'ireo fikambanana any Amerika i Al-Omeisy. Na dia efa 150 andro aza izay no lasa hatramin'ny nisamborana an'i Al-Omeisy, dia mbola any amin'ny toerana tsy fantatra izy ary tsy mbola nohelohina, izay hita fa fanitsakitsahana ny lalàna Yemenita sy ny lalàna iraisam-pirenena.

Nogadraina any amin'ny toerana tsy fantatra izy hatramin'ny nisamborana azy ary tsy afaka nihaona tamin'ny mpisolovava na fianakaviany. Maneho izany rehetra izany fa niharan'ny fanjavonana ankaterena i Al-Omeisy, tranga iray izay efa mpahazo ireo Yemenita maro hafa, na io avy amin'ny Houthis na avy amin'ny fanafihana tarihin'ny Saodiana izay miady amin'izy ireo.

Manahy ny amin'ny fahasalamany sy ny fiarovana azy ny fianakaviany, anisan'izany ny vadiny sy ny zanany roa lahy, Khaled sy Saif.

Efa ho telo taona lasa izay no nirotsaka tamin'ny adin'ny tafika ny firenena, niaraka tamin'ny mpikomy Houthi izay miady handrombaka ny fahefana avy amin'ny governemantan'ny Filoha Abdrabbuh Mansour Hadi izay nahazo fankatoavana iraisam-pirenena, ary tohanan'ny vondrona tarihin'ny Saodiana. Niady tamin'ny Houthis ny tafika manohana ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh (izay nesorina tamin'ny fahefana taorian'ny hetsi-panoherana an-dalambe tamin'ny taona 2011), mandra-piovan'i Saleh hevitra ka nangatahany fifampiresahana niaraka tamin'i Arabia Saodita. Novonoin'ny Houthis i Saleh i ny 04 Desambra 2017 .

Mbola ao anatin'ny ady an-trano mahatsiravina sy ny adim-paritra izay niteraka ny krizin'ny maha-olombelona sy ny olana ara-pahasalamana tanteraka i Yemen, izay ahitana Yemenita mihoatra ny iray tapitrisa tratran'ny aretina kolera. Nitatitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nataon'ireo antoko rehetra izay miady ao anatin'ny ady an-trano amin'izao fotoana izao ireo mpanandra-teny.

Talohan'ny nitazonana azy, niresaka fifandonana nitranga tany Yemen nibaribary i Hisham Al-Omeisy.

Nanome fanehoan-kevitra sy fanadihadiana momba ny fifandonana tao Yemen izy tamin'ny alàlan'ny kaontiny Twitter sy ny fandraisany anjara tamin'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena, ary nitatitra ny zava-nitranga isanandro, anisan'izany ny fanafihana an'habakabaka notarihin'ny Saodiana.

Nilaza ny Saodiana sy ny governemanta Yemen fa nakatona noho ny fiarovana ny fiaramanidina ny seranam-piaramanidin'i Sanaa. Tsy misy fotony, IZY IREO NO NIDAROKA BAOMBA IZANY NANDRITRA NY 2 taona mahery.

Nanameloka ny fanitsakitsahana nataon'ireo antoko mpiady samihafa ihany koa izy ary niresaka momba ny fiantraikan'ny ady amin'ny maha-olombelona.

Naseho ahy ny antontanisa momba ny trangan'aretina kolera ao Yemen (tarehimarika eo amin'ny tabilao tamin'ny herinandro lasa – ahitana tranga 500K izany ankehitriny). Mampiahiahy ity antontanisa tsy mitsaha-mitombo ity!

Talohan'ny nisamborana azy tamin'ny 12 Aogositra, nisioka tamin'ny teny Arabo sy teny Anglisy momba ireo “tompon'andraikitra mpanao kolikoly” izy, izay naka an-keriny ny fananana miorim-paka tao an-drenivohitr'i Sana'a, eo ambany fifehezan'ny Houthi.

Naka an-keriny ny fananam-panjakana tao Sana'a ny jiolahimboto mitam-piadiana tohanan'ny manampahefana mpanao kolikoly . Vao nandalo teto am-baravarako izy ireo izao.

Ohatra iray hafa amin'ny fandrahonana sy ny fikendrena ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao gazety ao Yemen ny fisamborana sy ny fitazonana an'i Hisham Al-Omeisy satria mikasa ny hisarika ny saina momba ny ady amin'izao fotoana izao izy ireo ary miezaka ny hampiroborobo sy hiaro ny zon'olombelona.

Naneho ahiahy lehibe amin'ny fahasalamana sy ny fiarovana an'i Hisham Al-Omeisy ny Foiben'ny Helodrano ho an'ny Zon'Olombelona (GCHR), indrindra fa noho ny fitazonana azy tsy ahazoana vaovao sy any amin'ny toerana tsy fantatra. Maneho ny ahiahiny bebe kokoa momba ny toe-javatra iainan'ireo rehetra ao Yemen izay lasibatra vokatry ny fanaovana tatitra ara-drariny momba ny fifandirana ny GCHR .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.