Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Novambra, 2019
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Tsy misy paradisa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ao Bahrain
Nalaza ny lahatsary "Famoretana" nataon'ny polisy ao Bahrain, namoaka fanambarana ny minisitry ny atitany: "izay rehetra maka sary hetsika dia tokony hitatitra izany avy hatrany" any amin'ny manampahefana. Roa andro aoriana, sy mifanohitra amin'izany fanambarana izany, maro ireo tezitra tamin'ny vaovao momba ny fisamborana ilay mpanao gazety mpaka sary.
Israely : Ny savorovoro tao amin'ny seranampiaramanidina sy ny “Carlamania” nandritra ny fitsidihan'i Nicolas Sarkozy
Nirefotra ny poa-basy raha niala ny seranampiaramanidin'i Ben Gourion tao Israely ny Filoha Sarkozy. Araka ny fanadihadiana maika natao dia nitifi-tena ny iray tamin'ireo mpiambina azy, angamba namono tena. Kanefa araka ireo tatitra nataon'ny haino amanjery hafa dia mety fanina noho ny hafanana izy, ka nanapoaka tsy nahy ny basiny."
Famonoana soavaly iray fitondra mihazakazaka, mampizara ny firenena momba ilay lalao malaza be fiadiana ny ho Tompondakan'i Melbourne
'Voalohany nandeha tamin'ilay Melbourne Cup aho, tamin'ity taona ity tao anatin'ny 67 taona, vao nofoanako izany. Tsy afaka ny hanohana indostria mahatsiravina toy izany aho'
Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 momba ny fibodoan'i Japàna an'i Shina
Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 manome topimaso momba ny fibodoan'i Japàna ny tao avaratra atsinanan'i Shina
Mangataka amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao Harvard i Antigua & Barbuda mba hanome fanonerana avy amin'ny tombontsoa azony tamin'ny fanandevozana
Tsy mahavita manitsy ny tsy rariny goavana ny fiekena fa nandray tombontsoa lehibe tamin'ny lamosin'ny andevo tao Antigua ny Harvard ary nanao fanovana an'ohatra vitsivitsy tamin'ny takelaka na ampinga.
Antso fanairana sa fanambaniana? Mampizarazara hevitra ny Tiorka ny dokambarotra momba ny salakam-behivavy
Niteraka adihevitra be ny dokambarotra iray nataon'ny marika salakam-behivavy ao Torkia
Shina: Tantara ratsin'ny resaka akoho mitsindrona ‘hormone’ aroson'ireo orinasa ‘Fast Food’ maro rantsana erantany
Maromaro ireo orinasa maro, toy ny KFC sy McDonalds, no voasaringotra aminà tantara ratsy momba ny sakafo tsy ara-pahasalamàna tato ho ato. Misy ireo feo nasiônalista miantso ny handroahana ireo marika vahiny, raha ny hafa kosa mihevitra hoe ireo manampahefana tomponandraikitra no tokony hotsiniana amin'ny tsy fanarahamaso ny fiarovana ara-tsakafo.
Tsikerain'ny FTMF ny fandanian'i Hong Kong ny lalànan'ny hamehana mandrara ny saron-tava mandritra ny hetsi-panoherana
Noresahina farany tamin'ny taona 1967, lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany izay manome fahefana tsy voafetra ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny fotoanan'ny "hamehana na loza mitatao ho an'ny vahoaka" ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Hamehana.
Hafatra eny am-pandehanana: Ny kanton'ireo fiteny Swahili any anatin'ireo fitaterambahoaka ao Zanzibar
"Fantatr'izy ireo fa haneho hevitra mikasika ny endriky ny fiarany ny olona, ny fomba familiny ..., ary dia te-hanakana anao ry zareo — tian-dry zareo ianao hihomehy.."