Shina: Tantara ratsin'ny resaka akoho mitsindrona ‘hormone’ aroson'ireo orinasa ‘Fast Food’ maro rantsana erantany

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2012)

Vao haingana no naboraky ny fahitalavi-panjakana fa raha kely indrindra dia roa amin'ireo mpamatsy akoho an'ireny orinasa maro rantsana manolotra sakafo vita haingana ireny, amerikàna, japôney ary taioanezy, no mamahana ny akohon-dry zareo aminà hormona tafahoatra sy karazana antiobiôtika 18, mba hiompiana ‘akoho anaty fotoana fohy’ izay miainga amin'ny 30 gr ka lasa 3,5 kg ao anatin'ny 40 andro.

KFC sy McDonalds avy any Etazonia, Yoshinoya avy ao Japàna ary ny Yonghe King avy ao Taiwan ireo orinasa voasaringotra amin'ity tantara ratsy ity.

Ankehitriny, i Shina no tsena goavana indrindra ho an'ny indostrian'ny sakafo tonga dia vonona. Ny KFC izay anisan'ny ao anatin'ny vondrona Yum, izay  mahavita mahazo ny 44% amin'ny vola matiny ao Shina amin'izao fotoana izao, ary lasa ho ny lasibatra voalohany indrindra amin'ity tantara ratsin'ny akoho sesehana hormona ity. Araka ny tatitra iray an'ny masoivoho momba ny fiarovana ara-tsakafo ao Shanghai [teny shinoa, zh], teo anelanelan'ny 2010 sy 2011, tamin'ireo santionan-tsakafo 19 nomen'ny Yum!, valo no tsy nahafeno ny valin'ny fitsapàna momba ny fiarovana ara-tsakafo noho izy ireo misy antibiôtika.

Zon'ny biby; sary an'ny mpampiasa flickr, Shira Golding (CC: BY-NC)

Satria ry zareo shinoa efa zatra aminà tantara ratsy isankarazany momba ny resaka sakafo, sorena ny ankamaroan-dry zareo, tamin'ny ankapobeny.  Mahazatra ny mahita fanamarihana manebaka [zh] toy ireto manaraka ireto :

美丽人生2673263427:我很幸运,吃过瘦肉精,喝过三聚氰胺,皮鞋胶囊,假的药,人造鸡蛋,速生鸡,塑化酒,,,,,一般的毒我已习惯,望猛烈的产品结束我的幸运生涯

美丽人生2673263427:Tena nanana vintana aho. Efa nihinana ny hena misy ractopamine, ny ronono mifangaro mélamine, vokatra avy aminà lavaka tadin-kiraro efa nampiasaina, ny fanafody sandoka, ny atody voatrolombelona, ny akoho terena hitombo haingana, ny divay feno akora plastika … Efa mahazatra ahy ireo vokatra rehetra feno akora mampididoza. Eo am-piandrasana poizina misimisy kokoa mba hampitsahatra ny fanànako vintana amin'ny farany.

库洪哈密瓜:以后生病了不用买药了,直接吃只鸡腿就行了。

库 洪哈密瓜:Amin'ny hoavy, raha toa marary isika, tsy mila mividy fanafody intsony, fen'akoho iray dia mahavita azy.

Satria voasaringotra amin'ilay tantara ratsy ireo orinasa vahiny maro rantsaha mpanao sakafo vita malaky, izay heverina ho toy ny azo itokiana amin'ny resaka fiarovana ara-tsakafo raha miohatra amin'ireo toerampisakafoana efa eo an-toerana, misy amn'ireo shinoa sasany mpaneho hevitra no nanararaotra ilay fotoana mba hamelezana ireo marika vahiny. Mifanindran-dàlana amin'izay, ny hafa mamaly hoe ireo manampahefana tomponandraikitra no tokony homena tsiny. Ito ambany io ny fantina iray avy amin'ireo fanehoankevitra [zh] notsongaina avy amin'ireo fifanakalozana tao amin'ny ifeng.com :

Weirdo_Hai:希望肯德基这种暴力黑企业能早日退出中国市场

>Weirdo_Hai:Iriko raha miala ny tsena shinoa avy hatrany ireo orinasan-devoly toy ny KFC.

易租易购_以租代购_以租代售:还吃肯德基吗?事实证明洋快餐同样会为了利益入乡随俗,在监管不力违法成本低廉的地方,任何企业都有可能以身试法。

易 租易购_以租代购_以租代售:Mbola azo atao ve ny misakafo ao amin'ny KFC? Voaporofo ankehitriny fa arahan'ireo orinasa vahiny maro rantsana mpanao sakafo ireo ny fomba fanaontsika. Any amin'ny firenena iray izay misy fanarahamaso kely sy tena nofinofy ny hisian'ny fanasaziana ny fitondrantena tsy manara-dalàna, dia afaka mitsapatsapa ny lalàna misy daholo ireo orinasa.

璐瑶谣:关闭这些洋拉圾店,多开北方大饼店,至少富一群下岗人。

璐 瑶谣:Akatony daholo ireny toerampisakafoana vahiny mampihinankinam-poana ireny. Manokàfa ‘pizzerias’ shinoa marobe eto an-toerana, hanome vintana misimisy kokoa ireo tsy an'asa mba hahazo asa izany.

g老三:毒鸡横行,相关部门到那里去了?肯德基是个企业,难道也要自己成立个食品检疫局?

g 老三:Feno eny rehetra eny ireo akoho misy poizina, aiza ireo manampahefana mpanaramaso eto amintsika ? Orinasa fotsiny ihany ny KFC. Tokony ho apetrany ve ny sampanasa manokana ao aminy hanaramaso ny kalitao, ny fitsirihana ary ny fanibohana ?

木小兔向前冲:树大招风,不吃肯德基,其他餐饮业的鸡难道就能放心吃吗??

木小兔向前冲:Ny hazo avo halan-drivotra. Raha tsy azo atao na dia ny mihinana fotsiny ao amin'ny KFC aza, azo atao ve ny hahatoky ireo toeram-pisakafoana hafa ?

秦大勇Y:市场上卖的鸡就安全?中国供应商也不是好东西,尤其是政府监管睁一只眼闭一只眼,你敢说他们不知道?

秦 大勇Y:Azo antoka ve ireo akoho hitantsika eny an-tsena ? Ireo shinoa mpamatsy no tokony hotsiniana. Tsy azo itokisana ny governemanta raha resaka fanarahamaso ny fiarovana ara-tsakafo, mino ve ianareo hoe tsy mahafantatra izany fomba fanao izay ireo manampahefana ireo?

Ny mpisera sasantsasany namorona ny hoe teorian'ny firaisana tsikombakomba momba ilay tantara ratsy [zh]:

即墨雅泰侯屹:肯德基速生鸡的养殖方式至少在中国存在10年了,缘何今天才被央视报道?有人一语道破天机:广告!2013年肯德基不准备在央视做广告了。2011年以前双汇在央视一直投放广告多年,于是什么问题也没有发现,而当决定不投放广告了,结果就出事了。

即 墨雅泰侯屹:EFa 10 taona raha kely indrindra no nisy tao Shina ny fiompiana akoho terena hitombo haingana ataon'ny orinasa KFC. Nahoana ny fantsom-pahitalavitra CCTV no izao vao mba mandefa vaovao ? Hitan'ny sasany ny valiny : ny dokambarotra. Miomana ny hampitsahatra ny dokambarotra ataony ao amin'ny fantsona CCTV ny orinasa KFC. Toy izany no nanjo ny orinasa Shuanghui, nialohan'ny nanajanonana ny dokambarotra natao tao amin'ny CCTV. Tsy nisy torohay momba ireo olan'ny maha-ara-pahasalamana ny sakafo tao amin'io orinasa io. Vantany vao natsahatr'ilay orinasa ny dokambarotra nataony tao amin'ny CCTV, nipoaka ny tantara ratsy.

楚奇文kevin:我觉得吧,其实白羽鸡,速生鸡什么的都是多少年公开秘密了。全世界都是这么养殖的,曝光主要是针对白胜公司。针对美帝,因为美帝最近搞过我国企中石油啊,华为啊,中兴啊什么的。赤果果的报复!

楚奇文kevin:Raha ny marina, ireo akoho fotsy volo, raha lazaina amin'ny fomba hafa dia ireo akoho natosika halaky be ny fitomboany, dia tsiambaratelo tsara hidy efa hatramin'ny taona marobe. Ompiana amin'izany fomba izany ny akoho any rehetra any manerana izao tontolo izao. Ny fanelezana ireny vaovao ireny dia natao mba hanalàna baraka ny Yum!  Hanabantiana sy hamelezana ny fanjakana imperialy amerikàna. Vao tsy ela akory, nataon'ny governemanta amerikana izay nanahirana ireo kaompania shinoa, jereo ireo tantara ratsy manodidina ny CNPC, Huawei ary ny  ZTE Corporation.  Mazava loatra fa resaka valifaty ilay izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.