Tsy misy paradisa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ao Bahrain

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny fihetsiketsehana Bahrain 2011.

Rehefa nalaza tamin'ny aterineto ny lahatsary “Famoretana” nataon'ny polisy ao Bahrain, dia namoaka fanambarana ny minisitry ny atitany, nangataka fa “izay rehetra maka sary hetsika tahaka izany dia tokony hitatitra izany avy hatrany” any amin'ny manampahefana. Roa andro taty aoriana, sy mifanohitra amin'izany fanambarana izany, maro ireo tezitra tamin'ny vaovao momba ny fisamborana ilay mpanao gazety mpaka sary.

Sarin'ilay mpanao gazety mpaka sary Ahmed Humaidan sy ny maha mpikambana azy ao amin'ny fiarahamonin'ny mpaka sary ao Amerika navoakan'ny @ahmedalfardan1 

Nisioka ny Fikambanana Bahrainita-Eoropeana ho an'ny Zon'Olombelona hoe:

@EBOHumanRights: Arrested and still missing youth photographer Ahmed Humaidan from Bahrain City Center Mall yesterday late night.

@EBOHumanRights: Nosamborina ary mbola tsy hita ilay tanora mpaka sary Ahmed Humaidan tao amin'ny Bahrain City Center Mall omaly alina

Nanampy ilay mpanao gazety mpaka sary Ahmed AlFardan hoe:

@AhmedAlFardan2: More than 15 undercover police arrested humaidan from Bahrain city center #freehumaidan #freebhphotographer #sitrapic.twitter.com/pSeM9YgJ

@AhmedAlFardan2: Polisy misaron-tava maherin'ny 15 no nisambotra an'i humaidan tao amin'ny Bahrain city center

Sayed Hassan nanoratra hoe:

@WLEXT: Sad Day for Photagraphers & Journos in #Bahrain, Award winning Citizen Photo Journalist #FreeHumaidan arrested yesterday pic.twitter.com/c4ak9VFH

@WLEXT: Andro mampalahelo ho an'ilay mpaka sary & mpanao gazety ao #Bahrain, Mpanao gazety mpaka sary nahazo loka nosamborina omaly #FreeHumaidan

Sarin'i Ahmed Humaidan miaraka amin'ireo sary marobe nalainy nahazo loka sy ireo loka sasany azony

Mpanoratra Koesiana sady mpikatroka ny zon'olombelona Hadeel Buqrais nisioka hoe:

بعد افلات قتلة المصور أحمد اسماعيل يتم استهداف المصور احمد حميدان في البحرين بإعتقاله

@HadeeLBuQrais: Rehefa nandositra ny fitsarana ireo mpamono ilay mpanao gazety mpaka sary Ahmed Ismail, dia nokendrena sy nosamborina ilay mpanao gazety mpaka sary Ahmed Humaidan.

Mpaka horonantsary nisy namono tao Salambad tamin'ny herintaona i Ahmed Ismail raha naka horonantsary ny fihetsiketsehana. Voatifitra avy ao amin'ny fiara sivily iray izy.

Foibe Doha ho an'ny Fahalalahan'ny Media namoaka fanambarana milaza hoe:

The Doha Centre for Media Freedom is joining the quest for information with the Bahrain Youth Society for Human Rights which calls for the immediate release of Humaidan.

Humaidan has won more than 140 international awards in photojournalism, and he is considered the second most Arab photographer to win awards in photography competitions.

Miombona amin'ny fangatahana vaovao miaraka amin'ny Fiarahamonin'ny Tanora Bahrain ho an'ny Zon'Olombelona ny Foibe Doha ho an'ny Fahalalahan'ny Media amin'ny fitakiana ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Humaidan.

Nahazo loka iraisam-pirenena maherin'ny 140 i Humaidan tamin'ny asa maka sary famoaka an-gazety, ary heverina ho mpaka sary Arabo faharoa nahazo loka amin'ny fifaninanana sary.

 

Zainab Hashemi nanampy hoe:

دائماً يخافون ممن ينشر عنفهم و تعنجهم لذا إختطفوه ، غداً ستصفق سميرة رجب و تقول كعادتها : لدينا حرية في الصحافة في البحرین

@ZainaBHashemi: Matahotra hatrany izay rehetra mamoaka ny herisetra sy fiebonebony ry zareo ka izany no mahatonga azy ireo nisambotra azy. Hilaza toy ny mahazatra i Sameera Rajab [minisi-panjakana misahana ny Raharaham-baovao] hoe: manana fahalalahan'ny gazety izahay eto Bahrain.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.