· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Mey, 2019

Fitokonana tampoka – Mosary tsy afaka dia handray fifaninanana afrikana no mahamaika

  27 Mey 2019

Nanao fihetsiketsehana tampoka tany amin'ireo tanàna lehibe tao Zimbabwe tamin'ny Sabotsy ny firaisan'ny vondrona sivika mpanohitra, ny Antenimieram-pirenen'ny Lalàmpanorenena (NCA amin'ny teny Anglisy). Mitatitra ny This is Zimbabwe, bilaogy nomanin'ny vondrona mpanao fihetsiketsehana Sokwanele / Zvakwana  fa olona 18 no nosamborin'ny polisy mahery setran'i Zimbaboe, izay tsy nampoizina tamin'ny fihetsiketsehana.

Ny bilaogin'ny vehivavy Afrikana – nov 2005

  27 Mey 2019

Nanoratra i Bronwyn mba hilaza fa nahita fitiavana vaovao - fiara haingam-pandeha - izay mahagaga azy satria iray tamin'ireo olona izay nieritreritra izy fa nankaleo ny mijery fiara mihodinkodina mandritra ny ora maro saingy mahita izy ankehitriny fa mampientanentana ny fifaninanana mitondra fiara.

Ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana novambra 2005

  26 Mey 2019

Gbenga Sesan manohy ny tatitra avy any Tunis amin'ny "Nahazo ny tsiron'ny Nollywood tany Tunis izahay omaly". Nosakanana tsy hiditra amin'ny hotely izay toerana nanaovana ny fivorian'ny Fikambanan'ny Vehivavy Demaokraty Toniziana ao Tonizia (ATFD) i Gbenga sy ny vondrony.

Belarosia Hafa

litota mpampiasa LJ , any Minsk izy amin'izao fotoana izao, dia nitsidika an'i Vileika tanàna nahaterahany tamin'ny andro fialantsasatra lasa teo ary nandefa ny sarin'ireo ora telo nitsangatsanganana izay nataony nandritra ny naha tany azy (Bel)

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.