Mety hampidi-doza ireo mpitati-baovao ny didim-panjakan'i Bolsonaro manome fahafahana hitazona basy, hoy ny fikambanan'ny mpanao gazety

Bolsonaro manasonia ny didim-panjakana momba ny basy tamin'ny 7 Mey no sady mankalaza miaraka amin'ny tanana manao fihetsika basy ireo mpikambana ao amin'ny kongresy. Sary: Marcos Corrêa, gazetim-panjakana ao Brezila, CC-BY 2.0 

Fotoana fohy talohan'ny nanolorany ny filatsahany ho fidiana filoham-pirenena, nanao basy tamin'ny rantsantanany ny fihetsik'i Jair Bolsonaro. Iray tamin'ireo fampanantenany lehibe ny fanalàna ny lalàna henjana momba ny fifehezana ny basy ao Brezila, ary miezaka mamaha azy io izy amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Janoary, nanasonia didim-panjakana hanamora ny fananan'ny sivily basy izy, ary tamin'ny 7 May, nanasonia iray hafa manalefaka kokoa ny famerana ireo mpiasa matihanina 20 samihafa mihitsy aza.

Mpiasa sosialy, mpiasan'ny fifamoivoizana, mpisolovava, mpamily kamiao, mpanao politika, ary mpanao gazety misahana heloka bevava, ankoatra ny hafa ireo. Nilaza i Bolsonaro nandritra ny lanonana fanasoniavana fa “ao anatin'ny fetran'ny lalàna” ilay didim-panjakana. “Na inona na inona fahafahana omen'ny lalàna, dia nandeha hatramin'ny fetrany izahay,” hoy izy nanambara.

Namoaka fanambarana ny Fikambanana Breziliana momba ny Asa Fanaovan-gazety Mpanao Fanadihadiana (Abraji), mitaky amin'ny governemanta mba hanafoana ny fizarana manondro ireo mpanao gazety. Hoy izy:

Nos 16 anos em que a Abraji  oferece treinamentos de segurança a jornalistas em parceria com organizações internacionais como o International News Safety Institute (INSI), o porte de armas jamais foi apresentado como forma de proteção.
Há ações mais indicadas para aumentar a segurança de quem se arrisca para informar a população, como a estruturação adequada do Programa de Proteção a Defensores de Direitos Humanos, Ambientalistas e Comunicadores.

Tao anatin'izay 16 taona nanomezan'i Abraji fampiofanana momba ny fiarovana ho an'ny mpanao gazety, niaraka tamin'ny fiarahamiasa tamin'ireo fikambanana iraisam-pirenena tahaka ny International News Safety Institute (INSI), tsy naseho velively tahaka ny endrika fiarovan-tena ny fitondrana basy.
Misy ireo hetsika mifanentana kokoa hampitomboana ny fiarovana ho an'ireo izay mety hidiran-doza amin'ny fanomezam-baovao ny vahoaka, toy ny fanohanana matanjaka kokoa ny Fandaharan'asa Fiarovana ny mpiaro ny zon'olombelona, ​​ny mpiaro ny tontolo iainana sy ireo mpiasan'ny serasera.

Nanonona ilay talen'i Abraji teo aloha, Fernando Molica ny fanambarana, izay nilaza fa “raha niantoka ny fiarovana ara-batana ny fitondrana basy, dia tsy nanana polisy marobe namoy ny ainy eto an-tanindrazana isika.” Ho an'i Molica, fomba hafa hamindrana ny andraikitry ny fanjakana any amin'ny vahoaka ilay didim-panjakana:

Com uma canetada, Bolsonaro transformou repórteres em alvo dos bandidos – os caras vão passar a achar que todos nós estamos armados e, que portanto, podemos atirar contra eles, é bem mais provável que eles disparem na nossa direção. Assaltantes terão mais um motivo para abordar caminhoneiros: além de carga a ser roubada, eles, em tese, terão armas que poderão ser arrecadadas.

Amin'ny diam-penina kely, nanova ireo mpanao gazety ho lasibatry ny jiolahy i Bolsonaro, izay hampihevitra ireo jiolahy ireo fa samy mitam-piadiana isika rehetra ary mety hitifitra azy ireo, hany ka mety hitifitra antsika izy ireo. Hanana antony hafa hanafihana mpamily kamiao ireo mpangalatra: ankoatra ny fangalarana entana, raha ny marina, dia hanangona basy ihany koa izy ireo.

Igor Gielow, mpanao gazety iray avy amin'ny gazety Folha de S. Paulo, manoratra fa mety hampisy fiantraikany amin'ny fandrakofana ny fifandonana ao Brezila ny fandrahonana entin'ny didim-panjakana:

O argumento da autodefesa fica prejudicado em um tiroteio: ou você estará de um lado, ou de outro. Levando a interpretação ao limite, o decreto quase impõe que repórteres policiais sejam “embedded”, ou seja, acompanhem as tropas do Estado, como acontece em quase todas as guerras.
Isso seria fatal para a diversidade de pontos de vista necessária a uma cobertura de conflito urbano no Brasil.

Very ny lanjan'ny tohan-kevitra fiarovan-tena rehefa mieritreritra toe-javatra fitifirana isika: na ianao amin'ny lafiny iray na amin'ny lafiny iray hafa. Raha raisina amin'ny fetrany io fanazavana io, dia manery avy hatrany ireo mpanao gazety momba ny heloka bevava mba hampiditra azy izany, izany hoe, miaraka amin'ny tafi-panjakana, izay mitranga amin'ny ankamaroan'ny tatitra momba ny ady. Mety hamono ny fahasamihafan'ny fomba fijery izay tena manan-danja amin'ny fandrakofana ny ady an-tanàn-dehibe any Brezila izany.

Fotoana fohy taorian'ny nanasoniavani Bolsonaro ny didy, nilaza ny filohan'ny antenimiera ao Brezila, Rodrigo Maia fa mbola afaka manao “veto” ireo ampahany vitsivitsy amin'ny andininy ny kongresy:

A gente precisa discutir a questão das armas, a gente não pode fazer uma interpretação excessiva e ampliar ainda mais a violência que existe no Brasil. Vamos avaliar junto com a nossa assessoria sobre o que pode ter sido usurpado e dar atenção a esse tema que tem mobilizado a sociedade brasileira nas últimas horas

Mila miresaka momba ny olan'ny basy isika, tsy azontsika atao ny manao fandraisana tafahoatra an'izany ary mampitombo ny herisetra efa misy any Brezila. Hotombanantsika, miaraka amin'ireo mpanolo-tsaina, hoe hatraiza ny fisolokian'io didim-panjakana io ny [lalàna] ary hijery manokana ity lohahevitra ity izay nanetsika ny fiarahamonina breziliana tao anatin'ny ora vitsy farany.

Araka ny filazan'ny ONG Reporters Sans Frontières, fa tamin'ireo mpanao gazety 66 maty novonoina manerantany tamin'ny taona 2018, efatra no Breziliana. Nilaza ny tatitra avy amin'ny Article 19 tamin'ny Novambra 2018 fa: “matin'ireo tsimatimanota ireo mpanao gazety sy ireo mpiasan'ny fifandraisana any Brezila” ary “miatrika loza lehibe indrindra hovonoina faty noho ny fanadihadiana ataon'izy ireo ny bilaogera sy mpampiely vaovao any an-tanàn-dehibe.”

Manasongadina ny tatitra fa “notanterahin'ireo mpikarama an'ady, avy amin'ny baikon'olon-kafa ny ankamaroan'ireo famonoana” Tsy nisy tamin'ireo mpanao gazety breziliana efatra novonoina no nitatitra momba ny heloka bevava. Nilaza ny talen'ny faritra Article 19 ho an'ny Amerika Atsimo, Laura Tresca hoe:

The death of a communicator has wider implications for Brazilian society. The victims in this report were silenced for speaking out about corruption and crime. Their murders create a climate of fear and self-censorship that prevents others from holding our politicians, authorities and corporations to account.

Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fiarahamonina Breziliana ny fahafatesan'ny mpiserasera. Notampenam-bava ireo niharam-pahavoazana amin'ity tatitra ity noho ny fitenenana momba ny kolikoly sy ny heloka bevava. Miteraka tahotra sy fanivanan-tena izay manakana ny hafa tsy hanondro ireo mpanao politika, ny manampahefana sy ny orinasa ho tompon'andraikitra ny  famonoana azy ireo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.