Fihaonana taminà lehilahy mpanao karipetra ao Armenia

Karipetra iray. Natao ho sary fanehoana fotsiny ihany. Sary nalana tao amin'ny Chai-Khana.org.

Ity manarka ity dia tantara iray avy amin'i Chai-Khana.org ay naverin'ny Global Voices navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty. Ahatsoratra sy lahatsary an'i Lilit Mkhitaryan.

Fony mbola zazalahikely i Samvel Mikayelyan dia nivanàka nahita ny rantsan-tànanan'ilay ramatoa  mpifanolo-bodirindrina taminy manidintsidina eo ambonin'ilay fitaovana fanenomana rehefa iny izy mandrary ireo kofehy sy manao vona iny. Avy eo uizy nanapaka hevitra ny ho lasa mpandrary – tsy raharahany na dia nofaritan'ny fombandazana ao Armenia ho asam-behivavy aza izany.

Tsy nivadika tamin'ny nofinofiny i Mikayelyan rehefa nihalehibe ary, amin'izao izy efa 53 taona izao, iray amin'ireo lehilay vitsy manao ny asa fandrariana ao Armenia, ifikirany mafy ny tsy hanavahana ny asa fandrariana karipetra ho anà sokajy iray manokana.

In-3 isnkerinadro izy no tonga miaraka amin'ireo namany roa mpiara-monina aminy sady mpiara-miasa ihany koa, Srbuhi Martirosyan sy Marta Gasparyan, ao amin'ny Tranoben'ny Kolontsaina ao Sasunik, vohitra iray 30 kilaometra eo ho eo miala an'i Yerevan, renivohitra, toerana nifindran'ny ankohonany tany am-piandohan'ny taona 1970 tany ho any avy any Azerbaijana fony vani,potoana Sovietika. Fito taona izy tamin'izany ary nonina tao nanomboka teo Sasunik. Mpandray karipetra koa ny renibeny, Armeniana avy any Tiorkia, saingy tsy nisy tonga tany Armenia ireo karipetrany.

Ny andro sisa amin'ny herinandro i Mikayelyan dia mamita asa maro isankarazany: mahandro lavash, mofo malefaka, manify tsy nasiana lalivay fahita ao Armenia, nahandroina tamin'ny lafaoro mitovitovy amin'ny tandoor, sy manjaitra ao an-trano. Lehilahy mamnontane izy ary mitaiza irery ireo zanany roalahy ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.