Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Desambra, 2012
Fiainana Ara-pananahana Tapa-kofehy, Endriky Ny Vehivavy Breziliana Maneran-Tany?
Nandritra ny fandaharana "Fitsarana Jamba?" tamin'ny fahitalavitra tao Portiogaly, ilay Lehiben'ny Mpisolovava (Batonnier) ao amin'ny holafitry ny Mpisolovava ao Portiogaly, Marinho Pinto, dia nanambara fa "ny zavatra iray isan'ny be indrindra fanondran'i Portiogaly dia ny Mpivarotena". Goavana tokoa ny fiantraikan'izay tety anaty aterineto, ary nanoloana ny resabe tahaka izany, voaresaka indray ny sary sy ny fitsaratsaram-poana mahazo ny vehivavy breziliana manerana izao tontolo izao.
Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012
Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.
Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo
Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena manaraka indray ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ilay antoko ila havanana Saenuri party sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee. Na dia teo aza ireo zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no Loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park.
Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza
Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na inona na inona mba hiezaka hamonjy ity tanora amin'ity fiafarana mahatsiravina. Tohina sy alahelo no mipololotra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka.
Aostralia : Fatwa Manohitra Ny Andro Noely
Hatezerana amin'ny aterineto no tohin'ny vaovao navoakan'ny fatwa momba ny fanoherana ny Noely heverina fa avy amin'ny iman ao amin'ny Mosquée Lakemba Sydney.
Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero
Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero. Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana taloha Miguel Ángel Calero sy ny fianakaviany. Nanaraka fitsaboana manokana avy amin'ny dokotera spesialista i Calero hatramin'ny 25 Novambra,2012 taorian’ny fahatapahan'ny lalan-drà...
Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!
Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena. Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa...
Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka
Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra]. Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany...
Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen
Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny polisin'ny filoha Abd Rabbuh misahana ny rotaka tamin-kery indray ny Diaben'ny Fiainana Faharoa tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ka vokatr'izany naratra...
Nakarin'ny Mpanohitra NPP Fitsarana ny Vali-Pifidianana Filoham-Pirenena ao Ghana
Tsy neken'ny NPP, antoko mpanohitra lehibe indrindra any Ghana, ny vali-Pifidianana Filoham-Pirenena. Nambaran'ny filohan'ny vaomieram-pifidianana ho mpandresy nahazo ampaham-bato 50,70% ny filoha Mahama. Nametraka fitoriana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Fitsarana Tampony ny mpisolovavan'ny NPP tamin'ny 28 Desambra 2012.