· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Oktobra, 2010

Angola: mpanao gazety nisy namono: Famoretana sa herisetra an-tanàn-dehibe?

  26 Oktobra 2010

Tamin'ny 5 Septambra dia namoy ny ainy teo an-tanan'olon-tsy fantatra ilay mpanao gazety Albert Graves Chakussanga izay tsy nisalasala akory nitifitra azy tao ivelan'ny trano fonenany, tany an-tanànan'i  Viana ao Luanda. Araka ny voalazan'ny Reporters without Borders (mpanangom-baovao tsy voafetran'ny sisintany), novonoina avy tany aoriana tamin'ny alalan'ny bala tsy re...

[Horonantsary] Tafatafa iarahana amin'i Olzod Boum-Yalagch avy ao amin'ny Nomad Green

Rising Voices  26 Oktobra 2010

Olzod Boum-Yalagch dia mpanolo-tsaina ofisialin'ny Nomad Green, ilay tetikasa Mongoliana momba fanaovan-gazetin'olon-tsotra, miorina any an-drenivohitra Ulaanbaatar. Ao amin'io horonantsary io, miresaka i Mr. Boum momba ny fanampian'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny fampahatsiarovan-tena ny olona, ary mazava ho azy hitondra any amin'ny vahaolana ho an'ny fahasimbàn'ny tontolo iainana any amin'ny firenena.

Filipina: Horonantsarin-dihy malaza

  24 Oktobra 2010

Gadra mandihy. Mpiasa an-trano mandihy. Tompon'andraikitra fiaramanidina mandihy. Dia izao indray mpitaky hetra mandihy. Jereo indray ireo horonantsarin-dihy malaza avy any Filipina.

Hong Kong: Mafàna fo telo anaovan'ny Facebook antsojay

GV Mpisolovava  23 Oktobra 2010

[Fanamarihana: Ny rohy rehetra miasa ato dia amin'ny teny anglisy avokoa] Tamin'ny herinandro lasa, kaontina mafana fo telo avy ao Hong Kong no nahanton'ny Facebook. Izy ireo dia mpitantana vondrona iray miady manohitra ny tetikasa fampivoarana ny fananganan-trano avolenta eo amin'ilay honahona kasain'ny Henderson Land Development Company Ltd. hatao. Araka...

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.