Voatonon'ny Mpanoman-dalao fanatanjahantena Bolivariana (ODEBO) hampiantrano ny faha-XVII ny Lalao Bolivariana hontontosaina amin'ny 2013, tamin'ny volana mey lasa teo i Panama. Izany no vaovao lehibe ho an'ny firenena, izay tsy nampiantrano intsony ity lalao ity hatramin'ny 1973 [es]. Saingy noesorin'ny fifandaminana tsy hampiantranoan'i Panama indray io lalao io. Tamin'ny 20 Oktobra, The Panama Digest no namoaka hoe:
Tamin'ny alalan'ny fandatsaham-bato nivoahan'ny vokatra ho dimy sy iray no nandraisan'ny Mpikarakara ny lalao fanatanjahantena Bolivariana fanapahan-kevitra tsy handraisan'i Panama ny lalao.
Ny antony voalaza moa dia “tsy fironana na tsy fahazotoan'i Panama loatra hampiditra ny Komity Mpikakara na tsy mandray andraikitra raha tsy misy ny fitsabahana na fidirana an-tsehatry ny sampana na vondrona ivelan'ny hetsika Olaimpika. ”
Ao anatin'ny tatitra nataon'i Kathyria Caicedo ao amin'ny vohikalam-baovao Telemetro [es] no hanazavany fa:
Dicha decisión se remite a la existencia de dos Comité Olímpicos en Panamá, uno que consta con personería jurídica y otro no, la Odebo estaba exigiendo el reconocimiento de la organización dirigida por Miguel Sanchiz. Sin embargo, este es un caso que se encuentra en las esferas jurídicas de Panamá.
Efa voambara any amin'ny fampitam-baovao mahazatra any Panama sy any amin'ny vohikalam-baovao iraisam-pirenena sasantsasany any moa ny vaovao sy ny setriny avy any amin'ny manampahefana; Saingy efa misy moa ny nataon'ny mpikirakira ny Twitter tamin'ny fampielezana ny vaovao sy ny fahafaha-mitaratra ny ambiansy tamin'ny fandrenesana azy. Hoy i Carol Carito (@carolcarito) :
Qué mala noticia lo de la sede de los juegos bolivarianos #fail :((( #panama
Nambaran'i Noel David Ortega (@noelpty):
Enterandome q le quitaron la sede de los bolivarianos a #Panama…. es por gusto q haga un coment, estos ineptos q tenemos por dirigentes :@
Hafa indray ny fomba fijerin'i Sr Criticón (@SrCriticón):
Mejor q nos hayan quitado la sede de los Bolivarianos. Inviertan ese dinero para obras sociales y cosas que realmente necesitamos. #Panama
Nila fananganana fotodrafitrasa goavana i Panama mba hamaliana ny filana rehetra takian'ny lalao. Tamin'ny volana aogositra i Rogelio Adonican, Panama America [es] no nilaza “Inona no mety ho azon'i Panama amin'ny Lalao?,” izay namintinany ny tombotsoa, araka ny filazan'ny mpikarakara azy, ho azon'ny firenena ka iray amin'izany ny fototrafitrasa. Nomarihan'ny lahtsoratra ihany koa ny tombony ho an'ny orinasan'ny fizahantany sy ny haizatra mety ho azon'i Panama raha nandrindra hetsika manana hadiry toy ireny izy.
Mora ny mahazo ny tsinapan'i Yadisel Buendia (@yadiselbuendia) niteny hoe:
#Panama ha perdido tanto al perder la sede de los #juegosbolivarianos. Todo x diferencias absurdas e intereses egoistas. Super #fail